Costa Rica: Ilay ‘Cirque’ Manavotra Ain'Ankizy

Any atsimon'i Costa Rica no misy ny tanànan'i Perez Zeledon, tanànan'ny Fantazztico Circus izay manome vintana an'ireo ankizy sy tanora avy ao amin'ilay faritra ho lavitry ny zava-mahadomelina sy ny adin-tsaina tamin'ny fisokafan'ny varavarany ho amin'ny fitetezana iraisam-pirenena.

Ao anaty lahatsary iray fanadihadiana ny tantaran'ny nofinofin'ity zazalahikely 12 taona ity miofo ho tena izy, avy amin'ny New Life Asociation (Asociacion Vida Nueva), na Fikambanana ho amin'ny Fiainam-Baovao. Ao anaty tafatafa iray, azavain'ny renimpianakaviana iray ny mahatonga ny tanora hiavotra amin'ny herin'ny tenany, ka mahatonga azy ireny hiafara any amin'ny adin-saina na lasa miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina noho ny tsy fahampian'ny fahafahany mandranto fanabeazana na mahazo asa. Ny Cirque no manome azy ireo vintana ho afa-mianatra fahaiza-manao, ny fifehezan-tena ka lasa mpikambana anaty vondrona iray izay manome hasina azy ireo. Tantaran'i Josue ihany koa izy ity, izay niala lavitra an'ilay Cirque; ary saika maty noho ny fatra tafahoatran'ny zava-mahadomelina noraisina. Araka ny ambarany, niverina tao amin'ilay Cirque izy, toerana fantany fa hahitany ny tohana ho enti-manohy ny fiainany, ary ankehitriny izy dia manandrana ny miala lavitra ny tsindry ataon'ireo sokajin-taona mitovy aminy.

Ny Circo Fantazztico dia nanam-bintana niampita ranomasina nankao Eoropa, nanao fampisehoana sy niasa ho an'ny mpihaino no sady nizaha ireo kolontsaina sy toerana vaovao ihany koa.

Ny Sula Batsú Cooperative ao Costa Rica izay miasa manofana sy manamafy ny fahaiza-manao ho an'ireo kaoperativa sy ireo fikambanana hafa tsy miankina amin'ny fanjakana dia nizara rohy iray tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook-ndry zareo mankany amin'ilay lahatsary fampahafantarana, miaraka amin'ny fanamarihana hoe:

El viernes pasado nos visitó la agrupación Circo FantazzTico, en este proyecto social se usa la pedagogía circense como medio del trabajo preventivo con niños, niñas y jóvenes en riesgo social. La idea del proyecto es crear un lugar seguro para los niños, niñas y jóvenes que están en una situación social difícil, y que puedan aprender habilidades corporales al igual que adquirir competencias sociales…

Tamin'ny Zoma lasa teo, ny tarika Fantazztic Circus dia nitsidika anay, ity tetikasa sosialy ity dia mampiasa ny fanofanana hanao Cirque ho toy ny fitaovana iray hanatanterahana asa fisorohana ny dona ara-tsosialy mety hanohintohina ny ankizy sy ny tanora. Eritreritry ny tetikasa ny hanangana toerana iray azo antoka hahafahan'ireo zazalahy, zazavavy sy ireo tanora miaina zava-manahirana ara-tsosialy mba hianatra ireo hakingam-batana sady mianatra ireo fahaiza-manao ara-tsosialy ihany koa

Tsara ihany koa ny fandraisana ilay Cirque eo amin'ny sehatry ny firenena: ny lahatsary manaraka dia mampiseho ny fampisehoana nataon-dry zareo tao amin'ny  National Stadium ao Costa Rica, tao San Jose renivohitra, nanoloana ireo mijery 10 000. Ilay fampisehoana dia nahitàna fisidinana eny amin'ny rivotra arahana fiolankolahan'ireo olona eny amin'ny tady mahazaka sy lamba eny, ary hatramin'ny tsingolobatita sy hetsika atao ety amin'ny tany sy ny piramida.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.