Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe

Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa ny ao Espaina. Noho ny fiitaran'ny fihetsiketsehana sy ny tsy fahafaliana amin'ny ankapobeny, nahatratra ny tanjony hitombo sy hahazo ny arabe ny hetsika 15M. Mbola mikatroka anatin'ny fivoriam-pokonolona, vaomiera ary atrikasa momba izay miresaka lohahevitra amin'izay mahatratra ny vahoaka sy mitondra katroka iarahana manatontosa ny vondron'olona hatramin'izao.  Maro ny firenena no nahazo hevitra tamin'ny nataon'ny “tafintohina” espaniola ary mbola mitohy amin'ny toetrany manerantany hatramin'ny faha-15 Oktobra tamin'ny herintaona, amin'ny fihetsiketsehana mitranga any amin'ny tanandehibe mihoatra ny 900 sy firenena 82. Nokarakaraina nanerana an'i Espaina sy amin'ny sehatra manerantany indray ny hetsika ny 12 Mey  2012.

Nandrobona niaraka tamin'ny 15M ihany koa ny zavakanto.  Namoaka ny ankamaroan'ny afisy nataon'olo-tsy fantatra mameno ny kianja isan-karazany ary nivoaka nandritra ny fihetsiketseha-panoherana ny bilaogy Voces con Futura [es] (Feo Miaraka amin'ny Ampitso).  Espaniola mpahay momba ny haibika monina ampitan-dranomasina miezaka ny mitana ny tsy ahafantarana azy ny mpanoratra ny bilaogy ary manokana ny fifantohany amin'ny talentam-pamoronana niroborobo vokatry ny ny hetsiky ny tafintohina.  Ho fahatsiarovana ny herintaonan'ny 15M, ny hetsika 12M–15M, ary hanasana ny rehetra hidina an-dalambe indray, namoaka andiana afisy mamoaka ny anton'ny fanoherana isan-karazany ny blaogy # Acampadasol [es]. Indreto ny sasantsasany amin'ireo afisy mahafinaritra noforonina ireo:

"Azo heverina ny isian'ny tontolo hafa"

Ocupa toda la calle

"Hiditra eny an-kianja indray isika"

Cartel anti-corrupción

"Rehefa mangalatra aza mitondra na mifehy"

Primavera Global

Parodia para anunciar el despertar de la ciudadanía

"Tsy mila fanitsiana izahay…Mila rafitra hafa"

Ny sary rehetra dia eo ambany famoahana CC BY 3.0 License.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.