Ejipta: Fahadisoam-panantenana tamin'ny adihevitra voalohany nifanaovan'ireo kandidà filoham-pirenena

Tamin'ny 10 may 2012, nifantoka nanoloana ny fahitalavitra ny Ejiptiana nanaraka ny adi-hevitra voalohany nifanaovan'ireo mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena anankiroa matanjaka indrindra , Amr Moussa sy Abdel Moneim Aboul Fotouh.

Na izany aza anefa, tsy io akory no adihevitra voalohany tany amin'ny tany Arabo, fa efa nisy ohatra tany Maoritania tamin'ny 2007 nifanaovan'i Sidi Ould Cheikh Abdallahi syAhmed Ould Daddah.

Naharitra adin'ny 3 ny ady hevitra ary notarihan'ireo mpiasan'ny fahitalavitra Yorsi sy Mona El Shazy sady nalefa koa tao amin'ny fahitalavitra tsy miankina ONTV sy Dream TV tany an-toerana – ny mampihomehy dia tsy nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakana izy ity. Nilaza ny heviny mikasika ny ady hevitra ireo mpiserasera twitter ary nampiasa ny #monazarat.

The two candidates shaking hands. Image by @SultanAlQassemi

Ireo mpifaninana anankiroa nifandray tànana. Sary nalefan'i @SultanAlQassemi

Tara ny fanombohana vokatry ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Ben Wedeman, mpanao gazety ao amin'ny CNN niserasera tamin'ny twitter:

‏@bencnn: Tara fahatongavana i Aboulfotouh vokatry ny #fitohan'ny fifamoivoizana?  Tsy misy resaka izay rehetra mifaninana aminy eo, #mandresy foana ny fitohanan'ny fifamoivoizana. #monazarat #Egypt

Nomarihan'ny maro koa ny andiana dokambarotra lava dia lava nalefa alohan'ny adihevitra sy nandritra ny fialan-tsasatra kely. Niserasera tamin'ny twitter koa ilay mpanao gazety ao amin'ny New York Times, Robert Mackey:

‏@RobertMackey: Tsy fantatro ny nisintona an'i Ejipta ny #monazarat hividy ao anatin'ny demokrasia, fa ny fandehanan'ny filazana sy dokambarotra no nanintona ahy hividy Twix.

Nametrahana fanontaniana maro ireo mpilatsaka ho fidiana toy ny mikasika ny zon'olombelona, ny fahasalamana, ekonomia, ny fifandraisana amin'ny any ivelany, ny lalàna silamo ary ny anjara asan'ny tafika. Nanontaniana azy ireo na dia ny fananany sy ny toe-pahasalamany aza.

Nalefan'ny Ejipsiana sy ny mponina eo amin'ny faritra manodidina tamin'ny twitter ny valintenin'ireo mpilatsaka hofidiana.

Ny fanontaniana voalohany dia mikasika ny nofinofiny amin'ny ho avin'i Ejipta; nalefan'i Sultan Al Qassemi avy any Emirat, sy ilay Ejipsiana Dalia Ezzat ny valiny:

@SultanAlQassemi: Ny ho avin'i Ejipta- Amr Moussa: fanjakana tan-dalàna ary mamaly ny hetahetan'ny mponina ao aminy#monazarat

@DaliaEzzat_: Abuel Fottouh : sakafo, fahafahana, fiandrianana ary fahamarinana. Naverimberiny ny teny nampiasaina ho tarigetran'ny fanoherana tany an-toerana#Monazarat

Ilay blaogera Iyad El-Baghdadi mamintina ny maika amin'izy ireo:

@iyad_elbaghdadi: Abulfutouh vs. Mousa: ny voalohany mametraka ny demokrasia, lalàna silamo ary fandriampahalemana ; ny faharoa mametraka ny fandriampahalemana, demokrasia, ary Islamo. #Monazarat

Raha ny mikasika ny fomba nitantanan-dry zareo ny  hetsika Abbassiya, dia ao amin'ny twitter nampitain'i Sultan Al Qassemi ny valintenin'i Moussa:

@SultanAlQassemi: Raha ny hetsika Abbassiya – Amr Moussa: Tsy hiandry ny maha filoham-pirenena ahy aho, fa avy hatrany dia miantso ny mpitandro ny filaminana hihetsika#monazarat

Tonga dia namaly tamin-kery kosa i Aboul Fotouh , nalefan'ilay Ejiptiana Bassem Sabry:

@Bassem_Sabry: Fotouh: Raha toa ka izaho no efa filoha mpintantana dia tsy nisy akory izany hetsika izany, tsy maintsy arovana ny zon'ny mpanao fanoherana sy mitokona – #Monazarat

Raha ny momba an'i Israely indray, AboulFotouh nanome valinteny mazava sy mahitsy i Aboul Fotouh, nalefan'ilay mpampianatra Ejiptiana Rasha Abdullah:

@RashaAbdulla Aboul Fotouh: Fahavalo i Israely, miaraka amin'ny fitaovam-piadiana nokleary 200 sy ny tantarany malaza amin'ny fanjanahana sy fanaovana herisetra #monazarat

Moussa kosa etsy ankilany, nanome valinteny tsy dia mihantsy ady loatra ary diplaomatika kokoa, nolaviny ny hamaly ny fanontaniana mikasika ny hoe fahavalo i Israely:

@iyad_elbaghdadi: Mousa: Miangavy aho ny hijerentsika ny fifanarahana nifanaovantsika tamin'i Isiraely, ary tsindriako manokana ny fitadiavana vahaolana eo amin'ny firenena roa tonta. #Monazarat

Farany, mikasika ny antony hifidianan'ny mpifidy azy ireo, dia toy izao ny valinteniny:

@SultanAlQassemi: AF: Fidio aho satria havondroko daholo ny mponina amin'ny faritra rehetra. Aza mifidy an'i Moussa satria tsy nanohana ny fanoherana izy#Monazarat

@ahauslohner: Moussa: Fidio aho satria efa ampy traikefa ary efa nasehoko anareo izany. Ao anatin'ny krizy i Ejipta ary mila olona manana traikefa hitantana azy. #monazarat

Nifantoka tamin'ny lesoka hitany amin'ny ankilany avy izy roalahy. Moussa, izay minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ny andron'i Moubarak sady Sekretera Jeneralin'ny Ligy Arabo, tifirin'ny Aboul Fotouh amin'ny maha mpikambana azy efa hatramin'ny elabe ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, ary i Aboul Fotouh kosa enjehan'i Moussa amin'ny maha olon'ny fitondrana teo aloha azy.

Iyad El-Baghdadi sy Dalia Ezzat mamintina ny hery sy ny sosonkevitr'ireo mpifaninana hofidiana roalahy:

@iyad_elbaghdadi: Abdulfutouh miankina amin'ny fahaizany manangona ny vahoaka nitolona rehetra. moussa miankina amin'ny traikefany. #Monazarat

@DaliaEzzat_: Ny adihevitra amin'ny teny fohy: Tena Ikhwani ianareo! [Mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana] Sa tsy izany? Tena felool [olon'ny fitondrana teo aloha] ary mbola mpikambana ao amin'ny fitondrana aloan'ny vahoaka ihany koa. #Fail

Tsy dia mazava loatra ny valintenin'i Moussa sady ohatry ny mirehareha sy manambony tena izy, fa ny an'i Abolu Fotouh kosa mazava tsara, sady tony tsara izy no azo tsara izay ambarany. Jenana Moussa, mpanao gazety ao amin'ny Al Aan TV, niserasera tao amin'ny twitter:

@jenanmoussa: nanambany an'i Abdul El Fotouh i Moussa. Heveriny fa ambony sy tena zavatra izy. Tsy tiako ny toetrany #Monazarat

Ilay mpiserasera amin'ny twitter The Ess mamintina ny zava-bitan'izy roalahy:

@Nadesque: #Moussa : valinteny tsy dia manao ahoana, fihantsiana mahery vaika. #AbulFutouh : valinteny tsara, fihantsiana malemy. #Monazarat

Mpifidy maro no manantena fa ampy hahalalan'izy ireo bebe kokoa momba ireo mpifaninana hofidiana sy ny tetikasany amin'ny ho avy iny adihevitra iny. Menatallah Essam nandefa tao amin'ny twitter ny fahadisoam-panantenany, sy ny an'ireo olona marobe, ny amin'ny vokatry ny adihevitra:

@mentos_391: ny zavatra tena niriako dia ny hilazan'ny mpifaninana tsirairay ny tetikasany hampandroso amin'ny ho avy fa tsy ny hitsikera ny fahalemen'ny anankiray. #monazarat

Niova hevitra kosa ireo mpifidy hafa amin'izay mpifaninana hofidiany rehefa vita ny adihevitra, ary ny sasany aza mihevitra ny hifidy mpifaninana hafa mihitsy. Abdel-Rahman Khaled niserasera twitter:

@3bd2lr7man5aled:
اللي هيطلع كسبان من ال ‎‫#مناظرة_الرئاسة‬‏ دي هو ‎‫#حمدين_صباحي‬‏
Ny mpandresy tamin'ny ady hevitra dia i Hamdeen Sabahi

Ilay blaogera Ruwayda Mustafah namoaka ny ady hevitra tamin'ny kapila mangirana: andiany 1andiany 2 ary fehiny. Ilay blaogera Mostafa Hussein kosa nandika ny adihevitra. Azonao arahana ao amin'nyYouTube ny ady hevitra rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.