Alzeria: Nihena Ny Tahan'ny Mpifidy Nandritra Ny Fifidianana Solombavambahoaka

Hatramin'izay nisian'ny lohataona Arabo izay, tamin'ny 10 Mey lasa teo ny fifidianana solombavambahoaka voalohany tao Alzeria. Ny antoko Front De Liberation Nationale (FLN) sy ny antoko mpiara-dia “Fiarahamientana Demokratika Nasionaly” no  nahazo seza maro indrindra, izay nandresy ny vondrona Islamista.

Manjakazaka eo amin'ny tontolo politika Alzeriana ny antokon'ny fitondrana FLN hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena. Fitsapana nijerena ny maha-ara-adàna na tsia ny fitondrana ity fifidianana ity, notakian'ny sasany ny taha-pandraisana anjara ofisialy 42,9 isan-jato tamin'ny fifidianana ho fankatoavana ny fanovana ara-politika napetraka vao haingana, nahitam-piakarana izany raha oharina tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2007 izay 35%. Kanefa, na dia tsy misy aza ny mpanohitra ny fitondrana ao Alzeria toy ny misy any amin'ny firenena arabo, leo politika ny vahoaka marobe izay naneho izany tamin'ny alalan'ny tsy fandehanana mifidy .

#10MaiToz: Tsy mahazo tsindri-tsakafo izay tsy mandeha mifidy. Sary nalefan'i @beautifultango7.

Ny andron'ny fifidianana, nisioka tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #10MaiToz ny Alzeriana, midika hoe tsy misy dikany ny teny “toz”

Yasmine Bouchène nanoratra hoe:

@Yaspuppchen: Si dans d’autres pays, voter est un acte citoyen. En Algérie, ne pas le faire l’est apparemment d’avantage ! #10maiToz

@Yaspuppchen: Raha toa ka adidin'olo-pirenena ny mandeha mifidy any amin'ny firenen-kafa . Ao Alzeria kosa, vao mainka mihoatra noho izany ny tsy fandehanana mifidy!

Eto mifidy. Sary avy amin'i @copi35.

Nisy ny fiampangana fa maro ny hosoka sy ny “fanovana ny valim-pifidianana”.

Yanis Chalouche nananihany hoe:

@Mister16Five: Les actes de citoyenneté sont tellement ancrés dans notre culture et notre éducation, que même les morts ressuscitent pour voter. #10MaiToz

@Mister16Five: Efa tafaraikitra tanteraka ao amin'ny kolontsaintsika sy ny fanabeazana antsika ny adidy maha-olo-pirenena, fa na ny maty aza mifoha handeha hifidy. #10MaiToz

Blogger Baki 7our nisioka hoe:

@7our: Proverbe algérien: “c'est quand le bureau de vote est vide que l'urne se remplit”. #10MaiToz #Fraude

@7our: Ohabolana Alzeriana: “Rehefa babangoana ny biraom-pifidianana vao feno vato ny vata-pifidianana.”

Birao fandatsaham-bato ao Bab El. Sary avy amin'i @LivefromAlgeria.

Nanamarika ny tsy fahatongavan'ny mpifidy ilay mpanao gazety Borzou Daragahi:

@Borzou: Alzeria: Ao amin'ny biraom-pifidianana ao Larbatache, ivelan'ny tanàna Alzera, tena, tena vitsy dia vitsy ny mpifidy; izay efa antitra ny ankamaroany. Nankaiza ny tanora?

Natsangana ny Tranokala momba ny fifidianana kirakirain'ireo tanora mba hitaterana ireo hosoka rehetra miseho. Mahery ny 150 ny tsy fanarahan-dalàna niseho manerana an'i Alzeria.

Amin'ity lahatsary ambony ity, lehilahy  23taona antsoina hoe Tarek,  nanazava fa leo an'ireo mpanao politika ny vahoaka Alzeriana izay tsy mba nitondra fahombiazana sy fanatsarana tamin'ny fiainam-bahoaka nanomboka tamin'ny taona 1999 (hatramin'izay naha-filoha an'i Abdelaziz Bouteflika izay). Iray tamin'ireo fanambarana nahavariana tamin'ny lahatsary kosa ny filazan'i Tarek fa aleony “hohanin'ny trondro toy izay lanin'ny kankana (fahantrana)”.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.