Lahatsary: Asehon'ny Robot Antsika Ny Fomba Hiarovan-tena Ao Amin'ny Aterineto

Ono the Robot, mascot for teaching digital safety

ONO ilay Robot

Lalana sarotra izay matetika saro-takarina tsy hay hoe atao ahoana ny fiarovan-tena ety amin'ny aterineto. Miezaka ny mampahafantatra ny olona ny Tactical Tech Collective ny amin'ny mba hiarovany tena amin'ny aterineto, amin'ny alalan'ny fampiasana torohevitra an-tsarimihetsika, izay azo jerena amin'ny aterineto na sintonina ho anaty solosaina, miaraka amin'ny robot kely mihetsiketsika mahafinaritra.

Hanampy antsika amin'ny fiarovana ny mailaka, fiarovana ny facebook, ny fitadiavana manokana sy ny maro hafa ny robot ONO, amin'ny famoahany isan-kerinandro laharana 8 vaovao amin'ilay andiam-pandaharana  Survival the Digital Age. HEY YAHOO! HTTPS MY EMAILS! no lahatsary voalohany amin'ilay andiam-pandaharana vaovao, ka ao anatiny no ahafahana misafidy ny tranonkala azo antoka sy misy toerana mpanome mailaka. Mampiasa ny ezaka fanangonana avy eny ifotony ny fikambanana mba handikana ireo horonantsary ireo ho amin'ny fiteny maro araka izay tratra .

Tamin'ny taona 2010, no nisehoan'i ONO nanazava ny Dindo dizitaly avelantsika  ary koa ny fomba mety hiarovantsika ny famantarana antsika manokana sy ireo mpifandray amintsika rehefa mampiasa ny fitaovana finday, fakantsary, na aterineto isika. Nadika amin'ny fiteny maromaro sahady ireo horonantsary tamin'ny laharana teo aloha. Ity manaraka ity ny lahatsary fampahafantarana ity andiany ity, ary ny lahatsary manontolo dia azo jerena ao amin'ny  Onorobot.org.

Amin'ny alalan'ny mason'i ONO ihany, no ahitantsika fa voaaraka foana isika amin'ny alalan'ny resaka niomerika ataontsika. Raha matetika dia toa tsy dia misy fiantraikany amintsika izany, afaka mifehy kely ny tsy tiantsika ho lazaina ihany isika, ary koa inona no afaka aseho ho azo jerena, tahirizina ary angona azo raofina. Tena zava-dehibe izy ity ho an'ireo mafàna fo sy ny mpanao gazety, izay mety ho eo ambany fanarahamaso ary mety hahitany loza ny hetsika niomerika ataony. Mitrandraka  karazana lalana i ONO mba hiarovana ny olona amin'ny famantarana azy ireo ary koa hanavahana azy ireo amin'ny alalan'ny zavatra ataony toy ny hoe: ny fampiasana fitaovana fanafenanana anarana sy fandinganana ary fanafenana. Mampitandrina antsika i ONO fa mila mahalala ny ataontsika isika rehefa manandrana ireo teknika fiarovana ny momba ny tena  manokana ary manome lisitra antsika izy amin'ny fampiasana tsaratsara kokoa izay azon'ny rehetra apetraka amin'ny mailaka, finday, ary ny tolotra  aterineto ampiasaintsika amin'ny andavanandro.

Ity ny topimaso amin'ny Safe Email. Eto raha hijery azy manontolo.

Miaraka aminà antso nankany amin'ny  Global Voices Advocacy Access Denied Map, nilaza tamin'ny olona ny fomba hiarovan-tena rehefa mitety ny aterineto ny ONO'S GUIDE TO SAFE SURFING, na ny torolàlana hahazoana antoka amin'ny fitetezana tranonkala, indrindra fa rehefa  miditra tranonkala izay mety ho voasakana.

Ity ny lahatsary fampahanfantarana.  Ao amin'ny tranonkala raha hijery azy manontolo

Azonao fantarina bebe kokoa amin'ny alalan'ny Facebook, sy twitter (@onorobot) ny mikasika ny ONO , ary amin'ny alalan'ny Tranonkala Tactical Tech ny misimisy kokoa mikasika ny fiarovana amin'ny aterineto .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.