Bolivia: Fampandrosoana Misanda Ohatrinona? Fifandirana Momba Ny Lalana TIPNIS

Mbola niteraka fifandirana sy hetsi-panoherana indray ny tetikasa fanamboaran-dalana ao Bolivia izay manavatsava ny Faritanin'ny vazimba teratany sady valan-java-boarim-pirenena Isiboro Sécure (TIPNIS amin'ny teny espaniola). Nanao diabe ny fikambanan'ny vazimba teratany, ny mponina anatin'ny TIPNIS ary ny mpanohana azy ireo nanomboka ny 27 Avrily 2012, niainga avy any Trinidad ka hipaka any La Paz miangavy ny hampitsahatra ny tetikasa fanamboaran-dalana.

Vokatry ny fifanarahana 415 tapitrisa dolara [es] nosoniavin'ny filohan'i Bolivia sy ny filohan'i Brezila tamin'ny Aogositra 2009 ity drafi-pananganan-dalana mahatratra 306 kilometatra ity. Ny orinasa Breziliana OAS tamin'ny voalohany no nahazo ny fifanarahana [es] hanamboatra ny lalana ao anatin'ny 40 volana vatsian'ny Banky Nasionaly Breziliana Misahana ny Fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena (BNDES).

TIPNIS march arrives in La Paz in October 2011. By Szymon Kochański on flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Diabe TIPNIS tonga tao La Paz ny Oktobra 2011. hoy Szymon Kochański hita flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Namoaka lalàna ny filoha Evo Morales tamin'ny oktobra 2011 milaza ny  TIPNIS ho “tsy voatsapa” na “tsy voakitika” rehefa tonga tao la Paz ny diaben'ny vazimba teratany sy ny mpanao fihetsiketsehana, izay heverin'ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny fikambanan'ny vazimba teratany ho teny farany momba ity raharaha ity.

Saingy, rehefa nigadona ny Febroary 2012,  novorian'ny fitondrana Boliviana ny mpanohana ny isian'ny lalana ary notohanany ny diabe isan-karazany manoso-kevitra hisian'ny lalàna vaovao hisian'ny “fitsapan-kevitra mialoha” ahafahan'ny vazimba teratany manana anjara fitenenana. Nilaza ny mponina teratany amin'ny faritra TIPNIS –  tohanan'ny Fikambanam-ben'ny Vazimba Teratany ao Bolivia (CIDOB) fa tokony natao izany fombafomban-dalapanorenana izany mialoha ny mety hanasoniavana fifanekena na fifanarahana.

Saika nanambara ny fanafoanana ny fifanarahana miaraka amin'ny orinasa Breziliana OAS i Morales tamin'ny fanombohan'ny volana Avrily, saingy mbola mandà ny votoaty sy ny fepetran'ny hanaovana fitsapana ihany ny mpanao fihetsiketsehana.

Manaiky ny ankamaroan'ny fikambanan'ny vazimba teratany sy ny olo-pirenena fa nanatsara ny fiainan'izy ireo i Evo Morales – izay sady vazimba teratany ihany koa no mpamboly coca ihany koa. Saingy mbola navoitran'ny fikambanan'ny vazimba teratany fa miompana kokoa amin'ny zon-dry zareo hanontaniana [es] mialoha rehefa voakasikasika ny faritanin-dry zareo.

ity lahatsary ity mampiseho ny tafatafa nifanaovana tamin'ny vazimba teratany monina any amin'ny faritra TIPNIS sy ny fomba fijerin-dry zareo ny tetikasam-panamboaran-dalana.

Ny fiantraikan'ny lalana eo amin'ny tontolo iainana no lohahevitra hafa miteraka hetsi-panoherana [es] isan-karazany, indrindra ho an'ireo Boliviana eo amin'ny saranga antonony sady monina an-tanàndehibe.

Saingy nikiry tamin'ny filazana ny tombontsoa azo avy amin'ny lalana mampitohy amin'ny faritra afovoan'ny firenena ny fitondrana ao Bolivia, miainga amin'ny toerana amokarana tsy ara-dalàna ny coca sady toerana ananan'i Evo Morales mpanohana be indrindra. Manohana miharihary ny fanaovan-dalana ny mpamboly Coca satria mety hampitombo ny ambaindain'ny famokarana hipaka any amin'ny valan-javaboarim-pirenena TIPNIS izany. Mazava loatra fa niteraka ahiahy hafa koa eo amin'ny mpiaro ny tontolo iainana, fikambanana iraisampirenena ary ny olon-tsotra amin'ny ankapobeny izany.

Mbola mitohy any amin'ny tambajotra sosialy ihany koa ny adihevitra, indrindra fa ao amin'ny Twitter (amin'ny fampiasana tenifototra #TIPNIS). Iray amin'ny fanontaniana tsotra “manohitra sa manohitra ny lalana #TIPNIS ianao?”

Anisan'ny valiny ny hoe:

“Mino aho fa ilaina ny mampifandray ny firenena, raha [izany]…no tsara indrindra enti-manavatsava an'i TIPNIS, dia izay izany, tokony hizotra any amin'izay tsara indrindra ho an'i Bolivia ny lalana.”

Niakatra any amin'ny sehatry ny fifandraisana eo amin'ny tetikasam-panamboaran-dalana sy ny fandraisana an-tanana breziliana ho amin'ny Fampitovian-danja [fampirindràna] ny foto-drafitrasa rezionaly any Amerika Atsimo (IIRSA), drafi-pampandrosoana mampifandray ny toekarena Amerikana Tatsimo amin'ny alalan'ny tetikasa fanorenana angovo vaovao, fitaterana ary fifandraisan-davitra ny tsikera.

Araka ny lahatsoratra navoakan'ny mpikaroka Gustavo Soto ao amin'ny bilaogin'ny CEADESC [es]:

Mandahatra ny toekarena Boliviana amin'ny tombontsoa kapitalistan'ny taonjato faha-21 mihamisongadina amin'ny ankapobeny ny programan'asan'ny Antoko MAS 2010-2015  (antoko politikan'i Evo Morales)… izay voalaza ao amin'ny angovo-goavana [mega-energy]… lalana ary ny tetikasam-pitrandrahana izay eo ambany fitantanan'ny IIRSA II izay tsy maintsy mitarika mankany amin'ny fanitsakitsahana ny zon'ny vazimba teratany.

ISN logoNampanirahan'ny International Security Network (ISN) ho ao anatin'ny fiaraha-miasa hanasongadinana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fiarovana manerantany ity lahatsoratra [teny anglisy] sy ny fikany amin'ny teny espaniola, arabo ary frantsay ity. Tsidiho ny bilaogy ISN ary vakio ny tantara hafa misongadina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.