Fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny “International Relations and Security Network” (ISN)

ISN logo big

Nifanaiky hiara-hiasa ny Global Voices sy ny International Relations and Security Network (Orinasam-Piarovana sy Fifandraisana Iraisampirenena), mba hampahafantatra ny hevitry ny olona mikasika ny  fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao.

Halefa ao amin’ny bilaogin’ny ISN sy ao amin’ny  Global Voices isaky ny faharoan’ny volana ireo lahatsoratra avy amin’ny mpanoratra monina amin’ny kontinanta samihafa izay hofantenin’ny Global Voices. Nangataka ny ISN  mba hadika amin’ny teny espaniola, frantsay ary arabo ny lahatsoratra, ka ireo mpandika teny mpikambana ato amin’ny Global Voices Lingua no hifarimbona amin’izany.

Sampan’asa ao amin’ny Centre d'Etudes de Sécurité (ETH) Foibem-pampianarana momba ny fiarovana ny ISN, ary anisan’ny lohalaharana amin’ny fampitam-baovao  malalaka  ho an’ireo olona miasa eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fiarovana.

Ho fandraisana anjara avy amintsika, fifaliana ho antsika ny mikendry ireo mpihaino manam-pahaizana manokana  eo amin’ny sehatry ny fiarovana iraisampirenena mba handrenesana ny hevitry ny mpiserasera mikasika ny lohahevitra, izay zara raha mivoaka eny amin’ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisam-pirenena.

Mpiara-miasa vaovao hafa amin’ny ISN koa ny Project Syndicate,  izay mamoaka fanadihadiana isam-bolana notontosain’ireo mpikaroka sy mpandalina ambony manerantany .

Raha mila fanazava fanampiny momba ny ISN, tsindrio eto [amin’ny anglisy].

Atambatra amina tranokala manokana ireo lahatsoratra rehetra hivoaka amin’izany fiaraha-miasa izany : International Relations and Security.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.