Speak Out Tunisia: Fanofànana Olon-tsotra Hanao Gazety Mba Hisian'ny Gazety Malalaka Sy Tsy Mitanila

Tadidy ve i Anne Medley, mpaka sary fanao an-gazety sady mpandrakitra anaty lahatsary monina any Etazonia, izay nampianatra ny fanaovan-gazety multimedia ho fandrisihana an'ireo mpianatra Kongoley?

Izy dia nanampy ihany koa ny Le PaCTE Tunisien (Pacte des Compétences Tunisiennes Engagées), fikambanana toniziana iray mba hanomboka ny Speak Out Tunisia, tetikasa iray ho fanofanana momba ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra. Taorian'ny Revolisiona Toniziana, ny Le PaCTE dia niasa nanangona ny Toniziana sy ireo mpanohana azy mba hanampy amin'ny fananganana Tonizia tsaratsara kokoa.

LePacteTunisiaAnaty tafatafa iray ho an'ny bilaogy NewsMeBack , Khalil Ghorbal, injeniera iray amin'ny Fifandraisana sady mpiara-nanorina ny PaCTE Toniziana, no manolotra ny ‘Speak Out Tunisia':

Speak Out Tunisia dia tetikasa iray ho fanofanana momba ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra izay mikendry ny hampianatra vondronà olom-pirenena Toniziana samihafa mikasika ny media dizitaly sy ny fanaovan-gazety anaty aterineto. Taorian'ny 23 taona niaretana famoretana tsy nisian'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety teo ambany fitondran'ilay mpanao jadona  Ben Ali, Speak Out Tunisia dia mitady izay hamerenana ny tanjaky ny gazety malalaka sy tsy mitanila ho an'ny vahoaka Toniziana.

Vakio eto ilay tafatafa hahalalàna misimisy kokoa.

Tamin'ny Martsa i Anne Medley dia nampianatra ilay andian'ireo vao sambany mihitsy no tonga amin'ny sehatry ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra tany atsimon'ny tanànan'i Kebili. Nofinidy tanaty mpisoratra anarana 90 ireo mpandray anjara. Hoy i Anne manoratra ao amin'ny bilaogin'ny Speak Out Tunisia :

Tamin'ny 19 Martsa no nanomboka tao Kebili ny fotoam-panofanana ho amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra, Speak Out Tunisia, ho an'ireo vao sambany hanao izany. Nanomboka teo dia nahazendana ahy isan'andro ireo mpianatro tamin'ny fanontaniana napetrany mikasika ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra, ireo olan'ny fitongilànana eny anatin'ny gazety Toniziana sy ny fahaiza-manao amin'ny fakàna sary fanao an-gazety.

Ity ny sehatra ifampizaràn-dry zareo hampakàrany ny sary, lahatsary sy ny asa soratr'izy ireo. Tsiriho matetitetika ry zareo!

Potsiro eo ambonin'ny sary raha te-hijery ny lahatsary

Ny ampahany faharoa amin'ny fiofanana niarahana tamin'ireo mpianatra efa somary mba mahaihay dia natao tao Tunis. Nakarina ato amin'ny  tanonkalan'ny Kickstarter ity fanavaozam-baovao ity:

Nandany tapa-bolana ireo mpianatra naka sary sy tantara an-dahatsary, nianatra momba ny lalànan'ny fanaovan-gazety, ary namokatra  ny lahatsary farany tamin'ilay  tetikasa. Nofaranan'ny tariky ny PaCTE tamin'ny Sabotsy 21 Aprily ny tetikasa Speak Out Tunisia, taminà kaonferansa famaranana, mikasika ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra, natao tao Tunis ary nanasongadinana ireo mpanao gazety manana ny lazany sy ireo manampahaizana amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra avy any Frantsa sy Tonizia.

Ireo mpianatra, na izany avy amin'ny fanofanana ireo vao sambany, na ireo efa mba mahaihay, dia mitohy mampakatra ny asany ao amin'ny www.speakoutunisia.com, koa iangaviana ianao mba hitsirika matetika ny sary na ny tatitra an-dahatsarin-dry zareo farany.

Ity lahatsary ity dia manasongadina an'i Anne Medley miresaka momba ilay tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.