Kiobà: Aiza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety?

Andron'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny andro androany (3 Mey 2012) – saingy eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Karaiba, mpamahana bolongana vitsy an'isa no hany mba naneho hevitra mikasika ny lohahevitra.

Nandefa vaovao mikasika izany andro izany ny Notes from the Cuban Exile Quarter, izay nanazava hoe:’

Nanambara ny Firenena Mikambana tamin'ny 20 Desambra 1993 fa ny 3 Mey dia atao ho Andro Manerantany ho fankalazana ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, mba hampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ho fampahatsiahivina ny governemanta ny andraikiny amin'ny fanajana sy ny fampanajana ny zo haneho hevitra an-kalalahana izay voalazan'ny Andinin'ny faha-19 ao amin'ny Fanambarana Iraisampirenena momba ny zon'olombelona. Nofidiana ny datin'ny 3 Mey ho fanamarihana ny tsingerintaonan'ny Fanambarana natao tany Windhoek, fanambarana momba ny fitsipika amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izay neken'ireo mpanao gazety nandritra ny atrikasa nokarakarain'ny UNESCO mikasika ny “Promoting an Independent and Pluralistic African Press,( Fampiroboroboana ny Asa Fanaovan-gazety Mahaleotena sy Maro An'isa ao Afrika “ natao tao Windhoek, ao Namibia, nanomboka ny 29 Aprily hatramin'ny 3 Mey 1991; nankatoavin'ny Konferansa Ankampoben'ny UNESCO izany avy eo.

Nandefa rohy tao amin'ny bilaoginy momba ity tatitra avy amin'ny Vaomiera Mpiaro ny Mpanao gazety ity ny Firaisankinan'ny Vehivavy Kiobàna-Amerikana, izay nahitana fa i Kiobà no iray amin'ireo firenena tena iharan'ny sivana. Lahatsoratra nivoaka vao haingana kosa no nanasongadina ilay mpamahana bolongana Kiobàna sy mpanao gazety mahaleotena, Luis Felipe Rojas, izay niseho tao amin'ny lahatsoratry ny Amnesty International.

Nanadihady ny tatitra avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety ihany koa ny bilaogy Notes from the Cuban Exile Quarter, hoy izy nanambara:

Mitàna ny laharana faha-sivy ny didy jadona ao Kiobà, ary farafahakeliny koa, telo amin'ireo efatra ratsy indrindra (sic) no namana akaikin'i Castro mirahalahy.

Nandritra izany, nanamarika i babalu hoe:

340 ireo nosamborina noho ny antony ara-politika tao Kiobà, izay noraketin'ny sampam-pahalalambaovao Kiobàna Mahaleotena CIHPRESS an-tantara nandritra ny volana Aprily. Ahitana ny totalin'ny isan'ireo nosamborina ( 1915) noho ny antony ara-politika tao amin'ny nosy izany fanadihadiana avy amin'ny sampam-pahalalambaovao izany tamin'ity taona ity. Amin'ny zava-misy ankehitriny, fisamborana eo amin'ny 6000 eo no mety ho ataon'ny fitondrana didy jadon'i Castro  amin'ity faran'ny taona ity, roa avo heny ny isan'ny fisamborana niseho tamin'ny taon-dasa 2011.

Nandritra ny fiaraha-miala hetaheta nandritra ny Andro Iraisampirenena ho Fahalalahan'ny Asa fanaovan-gazety), Notes from the Exile Quarter nandefa lahatsary ho fanomezam-boninahitra ireo mpanao  gazety nogadraina, ary nibilaogy momba ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra tao Kiobà:

Dimampolo taona lasa izay, natsangana ny Amnesty International  tamin'ny 8 Mey 1961, noho ireo mpianatra anankiroa Portigey voasazy higadra fito taona an-tranomaizina noho ny fanaovana fety fankalazana ny fahalalahana. Ankehitriny, notanana ny lehilahy sy ny vehivavy ao Kiobà noho ny fampiasany ny zony  haneho hevitra an-kalalahana sy ny nitakiana izany teny andalambe. Iharan'ny herisetra ny mpanao gazety, notanana ary nogadraina noho ny fanandraman'izy ireo mba hampiasa ny zo fototra ananany amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, iray amin'izany i Luis Felipe Rojas. Ny sasany hafa kosa avy ao amin'ny Foiben'ny fampahalalam-baovao ‘Hablemos Press’. Ho fahatsiarovana azy ireo, mandritra izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety izao…atolotra azy ireo: Fety Fankalazana ny Fahalalahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.