Indonezia: Tokony Hampidina Ny Haavon'ny Feon'ny Vavaka Ve Ireo Moske?

Tao anatin'ny lahateny natao nandritra ny  kaongresim-pirenen'ny Filankevitra Indonezian'ireo Moske  (DMI) tamin'ny faran'ny herinandro, niteraka resabe ny nambaran'ny Filoha lefitra Boediono rehefa nanolo-kevitra izy hoe tokony hampidina ny haavon'ny feon'ireo fanamafisam-peony ny moske mandritra fiantsoany vavaka fanaony isan'andro.

Ireo moske ao Indonezia dia mampiasa fanamafisam-peo avokoa mba hanapariahana ny “adzan” in-dimy isan'andro hampahatsiahivna ny olona hivavaka. Nampitandrina i Boediono fa ny feo mafy loatra dia mety hanelingelina ny olona hafa, tafiditra anatin'izay ireo Silamo hafa. Nanampy izy fa miohatra amin'ny feo mikiakiaka, ny antso malefaka mba hivavaka dia manohina kokoa ny fon'ny olona.

Moske Goavana ao Al-Mashun. Sary avy amin'ny pejy flickr an'i hophoptuing

Saingy maro ireo Indoneziana no manoro hevitra an'i Boediono mba hijery ireo olana hafa manana ny lanjany kokoa. Ilay bilaogera happydsf, dia milaza ny ahiahiny:

Sungguh disayangkan, bahkan sepertinya negara ini ingin mengintimidasi kebebasan warga muslim, di negaranya sendiri, yang notabene juga di sebut negara dengan jumlah penduduk muslim yang mayoritas. masih banyak hal yang harus diselesaikan para wakil rakyat daripada harus mengurusi pengeras suara untuk panggilan sholat.

Mampalahelo fa dia ity firenena izay be mponina sy silamo indrindra ity mihitsy no miezaka manindry ny fahalalahana ara-pinoana. Mbola betsaka ihany ny olana izay tokony hovahan'ireo mpanao lalàna fa tsy izay haavon'ny antso hivavaka akory.

Bilaogera iray hafa, Tototapalnise, no miezaka hahatakatra ny hafatra nampitain'ny Filoha Lefitra :

Namun, kalau kita coba cermati dengan hati dan kepala dingin, perkataan wapres tersebut merupakan teguran halus buat kita kaum musliman dalam menjaga kualitas para muadzin sekaligus kualitas sound system di masjid-masjid….

…Lalu kenapa kita umat muslim harus memasang muka marah dengan ucapan tersebut dan langsung naik pitam? Apakah sedemikian reaktifkah umat muslim Indonesia yang merupakan mayoritas di negeri ini dengan sebuah kritikan atau masukan?

Raha miezaka ny misaina tsara azy io isika, dia fampitandremana malefadefaka ho an'ny vahoaka Silamo ilay fanambaràna mba hitahirizana ny hatsaran'ny adzan sy koa ny hatsaran'ny fitaovana fampielezam-peon'ireo moske…

…Noho izany, inona no tokony hahatezitra antsika amin'izany sy anariantsika ny fahatoniantsika? Amin'ny maha-finoana mibahan-toerana eto amin'ny firenena, nahoana isika no ho tezitra rehefa mba maharay fanakianana?

Haris El Salman niteny fa ny haavon'ny feon'ilay fanamafisam-peo dia tsy olana velively mihitsy ho an'ny tontolo ety ivelany :

Bukankan selama ini tenggang rasa antar pemeluk agama masih dalam tahapan yang baik? Bahkan di daerah saya masih ada masjid dan gereja yang hanya dipisahkan oleh sebuah dinding, namun belum pernah saya melihat atau mendengar terjadi pertentangan antara jemaat masjid dan gereja ditempat tersebut, mereka akur-akur saja menjalankan ibadah masing-masing…

…Bukankah ini hanya akan menimbulkan perdebatan-perdebatan yang tidak esensial? Mungkin maksud beliau baik, tapi tidak pada tepatnya. Great idea in the wrong place?

Mbola mba manana fandeferana be ihany isika amin'ireo finoana samihafa. Any amin'ny toerana onenako, misy moske sy trano fiangonana izay rindrina manify monja no manasaraka azy, nefa tsy mbola nahita fifandirana mihitsy aho teo amin'ny roa tonta. Samy manao ny azy fotsiny ry zareo rehefa manao ny vavaka ataony.

…Tsy manao afa-tsy ny hiteraka adihevitra poakaty izany. Mety mba tsara ihany ny hevitra niaingany, fa tsy tamin'ny toerana nilàna azy fotsiny. Hevitra goavana diso toerana ve ?

Betsaka ihany koa ny fanehoan-kevitra mifamahofaho tao amin'ny  Twitter:

@fgaban Dalam soal TOA, pernyataan Pak Boed itu otokritik bagus bagi Muslim Indonesia.

@fgaban Raha ny resaka haavon'ny feon'ireo fanaparioaham-peo, fandinihan-tena iray tsara ho an'ny Silamo Indoneziana ny fanambaràn'i Boediono.

@anatriyana Knp jd msalah? Selama ini kan adzan gak ganggu? RT @Yahoo_ID: Wakil Presiden Boediono meminta suara azan diatur supaya tdk trlalu kncang

@anatriyana Nahoana moa no tokony haha-olana an'izany? Nandritra izay ela izay tsy nanakorontana mihitsy ny “adzan”.

@gitaputrid Sayah senang Wapres Boediono ngomong soal TOA masjid u/azan; minimal ada nyali berani buka front versus suara mayoritas.

@gitaputrid Nahafaly ahy ny niresahan'i Filoha Lefitra Boediono mikasika ny haavon'ny feon'ny fanapariaham-peo ho an'ny adzan. Farafaharatsiny aloha mba nisy olona sahy nanomboka fifanakalozan-dresaka manohitra ny fomba fijerin'ny maro an'isa……

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.