Etazonia: Miverina Indray Occupy Wall Street Na Bodoy Wall Street

Maro ny olona no mifanontany amin'ny ho avin'ny Occupy Wall Street na Bodoy Wall Street taorian'ny nanesorana an-dry zareo tao amin'ny Zuccotti Park sy ny faharatsian'ny andro tsy ahafahan'ny mpibodo hilasy eny ivelany tamin'ny ririnina teo. Saingy lazain'ny mpibodo fa tsy nanjavona mihitsy ny hetsika ary tapa-kevitra hibodo ny toera-malalaka manerana ny firenena, tahaka ny efa ataon-dry zareo eo amin'ny Union Square [Kianjan'ny Sendikà?] ao New York City.

Tsy ny arabe ihany no raisin'ny hetsika. Natsangana tamin'ny 15 Febroary ny blaogy bitika antsoina hoe 99% Spring, izay anasan'ny fikambanana eo ho eo amin'ny 40 naka aingam-panahy avy amin'ny Occupy nanasa olona manodidina ny 100.000 amin'izao faraparan'ny fotoan-ketra any Etazonia izao hiresaka “ny tantaran'ny toekarentsika” manomboka ny 9 ka hatramin'ny 15 Avrily. Efa niantso hanaovana diabe niainga avy teny afovoan'i Manhattan ho any amin'ny Wall Street ihany koa ny mpibodo tamin'ny 1 mey. Nirodorodo tokoa ny fipoiran'ny hetsika Bodoy indray ka nandresy tamin'ny firotsaha-kofidiana tao amin'ny Kongresy ny iray tamin'ny mpikambana amin'izy ireo tany Philadelphia.

Nahatsikaritra ny fipoirana indray ny tontolom-bolongana. Mametraka ny bolongana Indignant Feminists [es] fa nihanatanjaka kokoa ny hetsika Bodoy tamin'ny alalan'ny fandraisana anjaran'ny vehivavy:

Aquí en el Hemisferio Norte, por ejemplo, las mujeres participaron activamente en los inicios del movimiento Ocuppy [sic]. Sin embargo, este movimiento ha dado la imagen de ser predominantemente masculino (y en los Estados Unidos, blanco y joven) – así como indiferente al hecho de que el capitalismo simplemente no se puede transformar sin enfrentarse a su fundación: el patriarcado, que depende de controlar y explotar a las mujeres. Y las mujeres, por cierto, son el 51% por ciento de ese 99% (y el 0% del 1%).

Aty amin'ny ilabolantany avaratra, ohatra, navitrika ny vehivavy tamin'ny fandraisana anjara hanombohana ny hetsika Ocuppy (Bodoy) [sic]. Saingy, tahaka ny tsikaritra ho ny lehilahy no tena betsaka ao amin'ity hetsika ity (ary tanora sy fotsy hoditra ny ao Etazonia) – sy ny tsy dia firaharahiana loatra ny zavamisy marina hoe tsy afa-miova ny kapitalisma raha tsy ny fototra ao aminy no donina: fanjakazakan'ny ray, izay miankina amin'ny fanaraha-maso sy ny fampiasana ny vehivavy. Ary ny vehivavy no mandrafitra ny 51% amin'ny 99% (ary 0% amin'ny 1%).

Nasongadin'ny bolongana Maestroviejo [es] fa natsangana teo amin'ny fiafaran'ny taona 2011 sy fanombohan'ny taona 2012 tany Minneapolis ny hetsika Bodoy:

Durante el otoño y el invierno, los manifestantes, al instalar tiendas, realizaron manifestaciones en diferentes partes de la ciudad de Minneapolis. Después de estas protestas las fuerzas de la policía del Estado intensificaron las medidas a fin de restringir el ingreso al campo durante las noches y eliminar las tiendas de los participantes.

Nandritra ny mihitsan-dravina sy ny ririnina, nanao hetsika tany amin'ny toerana samihafa tao Minneapolis tamin'ny alalan'ny fananganana tranolay ny mpanao fihetsiketsehana. Tohin'ireny hetsika ireny, niezaka ny handrara ny fidirana ao amin'ny toby amin'ny alina ny polisim-panjakana amin'ny alina ary manaisotra ny tranolain'ny mpandray anjara.

Mitsipaka ny filazan-kevitra hoe nandamoka Hetsika Occupy (Bodoy) ny mpisera tsy nitonona anarana iray (@YourAnonNews) ao amin'ny Twitter:

 Think Occupy has failed? The entire rhetoric and tone used to discuss the economy & WallStreet are now different because of THAT movement.

Eritrereto ho tsy nahomby hoe ity Occupy ity? niova tanteraka ankehitriny ny fomba fiteny sy ny lantom-peo iresahana ny toekarena sy ny WallStreet noho IO hetsika IO

Namoaka kapila ho fanomezam-boninahitra ny hetsika Occupy i Daltonicum (@Daltonicum):

El movimiento “Occupy Wall Street” graba un disco llamado “Occupy this Album” con la colaboración de bandas como Mogwai http://daltonicum.posterous.com/el-movimiento-occupy-wall-street-graba-un-dis

Namoaka kapila mangilatra mitondra ny lohateny hoe “Occupy this Album” niarahana nanantontosa tamin'ny tarika tahaka an'i Mogwai ny hetsika “Occupy Wall Street” http://daltonicum.posterous.com/el-movimiento-occupy-wall-street-graba-un-dis

Jason Brickley (@azureblade7) nanoso-kevitra fa hiroborobo indray ny hetsika:

Spring Revival: Occupy Wall Street Seeks to Rejuvenate Movement http://dlvr.it/1SSkR2

Fifohazana Lohataona: mitady ny hahatanora ny hetsika indray ny Occupy Wall Street

Nalaina avy amin'ny hetsika Occupy tao New York City ireto manaraka ireto (nalain'ny mpanoratra daholo izy ireto):


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.