Hong Kong: Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fanovàna ireo Mpanakanto

Eo an-dalàm-pametrahana ilay Volavolan-dalàna 2011 (fanovàna) Copyright (zon'ny mpamorona) any amin'ny Filan-kevitry ny Mpanao Lalàna mba hodinihana fanindroany amin'ny 9 Mey 2012 ny governemantan'ny RAS any Hong-Kong. Volavolan-dalàna manameloka ireo hetsika fandikana ny copyright amin'ny teknolojia rehetra izany  raha toa ka “mihoatra ny fanimbana ara-toekarena bitika”.

Miantso ny fanalalahana ara-drariny ny fampiasàna an'ireo “asa tarika” ao anatin'io volavolan-dalàna io ireo mafana fo amin'ny fahalalahana miteny nefa dia nolavin'ny governemanta izany fanovàna izany. Misy vondronà mpanakanto ao an-toerana manao fanentanana fanaovan-tsonia hanakanana io volavolan-dalàna io amin'izao fotoana izao. Ito ambany ito ny fanambaran'izy ireo (avy ao amin'ny inmediahk.net)

Manaova Tsia Amin'io Fiarovana Ny Copyright Adaladala io
Manao Eny Ho An'ny Fahalalahan'ny Famoronana
Mijoro manohitra io “Volavolan-dalàna (fanovàna) ny Copyright” io ireo Vondrom-piarahamonin'ny Haikanto sy ara-Kolontsaina Ao An-toerana

Milaza ny governemanta fa “manampy ny tontolon'ny famoronana hivelatra ny fanamafisana ny rafitra fitatanana ny copyright ao anatin'ny tontolon'ny dizitaly, ary hitondra vokatsoa amin'ny toekarena” ka araka izany dia nanolotra ny “Volavolan-dalàna (fanovàna) ny Copyright” (jereo ny didin'ny Copyright (Toko faha-528)). Mangataka ny Filan-kevitry ny mpanao lalàna hanao ny “Fakàna ny hevitry ny daholobe Fanindroany momba io volavolan-dalàna Fitsipi-pitondrantena ho an'ireo Mpamatsy Tolotra Ao Amin'ny Aterineto” io ny 9 Mey 2012. Araka io volavolan-dalàna io, hampiharina amin'ireo “fampiasàna tsy nahazoan-dalana an'ireo asa misy copyright” ny fanasaziana ireo nanao heloka. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, raisina ho tsy manara-dalàna ny famoronana amin'ny endriny rehetra (tsara ho fantatra amin'izany ny literatiora, teatra, mozika, maritrano, sary sokitra, fakan-tsary, horonantsary, fitaterana amin'ny haino aman-jery, fanomezan'endrika grafika, fanamboarana rindrambaiko ho an'ny solosaina, fitahirizam-peo sy famoronana asa haikanto) izay hita fa misy fiantraikany “ratsy ho an'ireo tompon'ny copyright” ary ho faizin'ny governemanta mafy. Vantany vao lany io volavolan-dalàna io, tsy ireo mpampiasa aterineto ihany, fa ireo mpitahiry ny haikanto sy ny kolontsaina rehetra no iharan'izany, ho tadidonim-doza lalina tokoa ny zon'ny famoronana. Koa satria tafiditra ao anatin'ny bolabolan'ny haikanto sy ny kolontsaina izany, miampanga izao karazana volavolan-dalàna izao izahay, izay tsy miraharaha ny tena dikan'ny zo sy ny famoronana salasalany ankehitriny, ary mijoro fotsiny ihany ho an'ny tombotsoan'ny tompon'ireo copyright izay mety hanimba ny famoronana haikanto sy ny kolontsain'ireo vondrom-piarahamonina. Hitanay fa maharikoriko manokana ny tsy firaharahian'ny governemanta an'ireo toe-draharaha sy ireo feo manohira izany volavolan-dalàna izany ankehitriny, nefa mihazakazaka ery hampandany izany volavolan-dalàna tsy rariny izany amin'izao fotoana izao, vao handinika ny fampanarahan-dalàna ny antsipirihany any aoriana. Tsy mitombina ny dingana izoran'ny fanaovana lalàna, nefa handravarava ny fiatraikan'izany. Araka izany dia mangataka izahay:

1.Ny famerenana ny fandinihana ny Zon'ny Famoronana

Naka endrika hafa noho ny hitantsika nandritra ireo folo taona lasa ny famokarana amin'ny lafiny dizitaly. Natokana ho an'ny loharanon'ny Aterineto sy ireo teknolojia dizitaly ireo endrika vaovaon'ny fanoratana, famoahana, famoronana ireo, ohatra amin'izany ny famerenana mamokatra, fanafangaroana, mash up, sns. Mamerina mandrafitra ny habaka ho an'nydahlobe ireo endrika vaovaon'ny famoronana ireo, ary lasa koa ho fomba fidirana amin'ny ‘”res’ public”-na'ny besinimaro tompon'andraikitra’. Tokony araha-maso ny zon'ny famoronana amin'izao vanim-potoana izao ary tokony ho azo  tsy misy fijerena ny lalàna izay mifanohitra amin'ny heviny manokana aza izany.

2. TSY MISY Fanasaziana olo-meloka

Aminà fiverenana sahala amin'izany, afaka miampanga izay rehetra mety ho famoronana ny governemanta na tsy fantatry ny tompon'ilay copyright  (raha misy), nefa iza no tena tompony ary tsy misy hevitra tongatonga ho azy tsy fanta-piaviana. Araka izany, afaka ampangaina ho hetsiky ny olo-meloka mandritra ny fotoana tsy maharitra ny famoronana lahatsoratra na sary, na inona izany na inona. Lasa ny governemanta irery no mpandray anjara anatin'ny lalao izay manome lanja ny ‘fandikan-dalàna’, ary mazava ho azy fa ho lasa fialan-tsiny mora loatra ho an'ny fanenjehana ara-politika izany lalàna izany.

3. Fanekena ny Kolontsaina ao amin'ny Aterineto; Fanajana ny Fizarana Fahaizana

Tsy rariny ho an'ny governemanta ny fifehezana ny karazana fampitana elektronika REHETRA amin'ny anaran'ny ‘fiarovana ireo harena ara-tsaina’, ka anatin'izany ny “Point-to-Point” sy ny sehatry ny media sosialy fizarana fahalalana. Singa iray manana ny lanjany eo amin'ny kolontsain'ny tampajotra fifampizarana ny fanaovana asa tarika, ny fanvana, ny fandrindrana sy ny fampakaran-javatra ao amin'ny aterineto, raha tsy efa singa manana ny lanjany eo amin'ny fiainana anavanandro mihitsy aza. Tsy tokony hampiantrano fotsiny ny tombontsoan'ireo  orinasa goavana sy mpandraharaha ara-barotra tsotra ny governemanta, ary hijanona ho jamba manoloana ireo safidy hafa amin'ny hetsiky ny ‘copyright’ tahaka ny  Creative Commons, General Public License, sns.

4. Fanavaozana Volavolan-dalànan'ny Copyright marina kokoa
Mikasika ny fahalalahana miteny, ny fizarana fahaizana, soatoavina, sns… ny famoronana. Na eo aza anefa izany, tsy manao afa-tsy manamafy ny tombontsoan'ireo tompona copyright izany volavolan-dalàna izany, fa tsy dia mijery firy ny famoronana sy ny fizotrany. Tsy tokony ny Sampana Mpiandraikitra ny Varotra, ny Indostria sy ny Fizahantany ao amin'ny Biraon'ny Fampandrosoana ara-Toekarena sy Ara-barotra ihany no hamolavola izany lalàna izany, fa tokony ho tafiditra anatin'ny fanamboarana io Volavolan-dalànan'ny Copyright io avokoa ireo  mpisehatra rehetra voakasika amin'izany, isan'izany ireo mpanakanto, mpamorona, mpampianatra ny haikanto, avara-pianarana sy ireo mpitahiry ny kolontsaina.

Efa diso mafy loatra ny feo manohitra an'io Volavolan-dalàna io ka tokony hanajanona ny fanovàna izany volavolan-dalàna izany ny Governemanta AMIN'IZAO FOTOANA IZAO. Rarao io “Volavolan-dalàna 2011 (fanovàna) ny Copyright” io amin'izao!
Miara-mijoro manohitra izany karazana rahona an-dalàm-piforonana izany ireo mpitahiry ny Haikanto sy ny kolontsaina ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.