Quechua: Teny Fampaherezana Avy Amin'ny Ben'ny Tanànan'i Haquira

Rehefa niverina tany amin'ny tany niaviany tany Haquira, Però i Irma Alvarez Ccoscco, mpandrindra ilay tetikasa vaovaon'ny Rising Voices Llaqtaypa Riymaynin (Feon'ny Vondrom-piarahamoniko), dia nahazo fanohanana mitafotafo avy amin'ireo mponina sy ireo manam-pahefana any an-toerana izy. Nody an-tanindrazana mitsidika an'i Lima amin'ny fotoana tsy maharitra izy ary nanararaotra nampandre ny vondrom-piarahamonina fa vao avy voafidy ho tetikasa tohanan'ny Rising Voices ny tetikasany. Mikatsaka ny hiara-hiasa amin'ireo mpifindra monina avy any Haquira miaina ankehitriny any amin'ny renivohitra io tetikasa io ho famporisihana azy ireo hitana ny tenin-drazany Quechua amin'ny alalan'ny famokarana podcasts am-peo mikasika ny kolontsainy sy ny vondrom-piarahamoniny .

Ao anatin'ny bilaogin'ny tetikasa, nanoritsoritra an'ity fifamorian'ireo mponina[es] ity, izay nantsoina avy tamin'ny alalan'ny hafatra SMS i Irma. Taorian'ireo teny fohy nanoritsoritra io tetikasa io tamin'ireo olona nifamory sy ny fomba hanampian'io tetikasa io amin'ny fitantaràna ny tantaran'i Haquira amin'ny teny Quechua, dia nanasa ny ben'ny tanàna tao an-toerana, Rolando Curiyumay hihinana “hakitu” vitsivitsy (varimbazaha natono tamin'ny tany ). Nanoratra i Irma, “rehefa tonga irery amin'ny tany iray ny olona, mipoitra ny hevitra fonosin'ny fianakaviana sy ny filàna hizara ny ananan'ny tsirairay.” Ho setrin'ity firahalahiana ity, nanonona teny poetika fohy i Curiyumay ary nanome torohevitra vitsivitsy ho an'i Irma sy ilay tetikasa:

T’ikachakuna iskayniykichik kaypi tiyasqankichik, ñuqapas kusisqa kachkani qamkunawan sullkay Elverwanpas kay hatun llaqtapi. Cielupi hina wasikunapas altumanta qhawayuna kasqa kuruchakunahina pampapi, purichkan karrukunapas, chayta qhawarini. Chayqa, qamkuna sumaqta, aynata parlariwaqchik huñunakuspa, may llaqtakunapipas kachkan paysanunchikkuna haquiriñukuna… chayqa paykunawan sumaqta rimayanakuspam imachatapas ruwawaqchis llaqtanchispaq, chaymanhina ñuqapas qamkunawan aswan masta ruwasway llaqtanchik hatunyananpaq.

Ry voninkazo kely, roa taminareo no niaina teto, ary izaho ihany koa dia faly mahita anareo sy ny rahalahy keliko Elver eto amin'ity vohitra ity. Avy eny amin'ireo trano, avo tahaka ny lanitra, sahala amin'ny hoe  bibikely no fahitàn'ny olona ireo fiara eny an-dalambe. Ianareo, izay tafavory eto, tokony hifandray aminay hatrany, ary hahatsiaro fa miparitaka any amin'ny toerana maro samihafa ireo tanora mponin'i Haquira … amin'izany fomba izany no hahafahanao mifankahita amin'izy ireo ary tokony hisy fifandraisany amin'ny mponintsika ny tetikasa na inona izany na inona, ary izaho, miaraka aminareo, ndeha hanao mihoatra noho izany mba hahafahan'ny vahoakantsika hitombo hatrany.

Aymar Ccopacatty (tetikasa Qamasa) Elver Villalobos, Rolando Curitumay (Ben'ny tanànan'i Haquira) ary i Raquel Alvarez. Sary avy amin'i Irma Alvarez

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.