Vohitr'i Ségou: Isan'ireo Mpifaninana Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny BOB I Boukary Konaté

Mpandika tenin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay sady misolotena ny tetikasa Ségou Villages Connection tohanan'ny Rising Voices i Boukary Konaté.

Misy galona hafa indray ny satrony amin'ity taona ity. Tafiditra ao anaty lisitr'ireo hiatrika famanranana amin'ny Bilaogy Tsara indrindra (BOB) i Boukary, hetsika isan-taona karakarain'ny Vondrona Media Deutsche Welle hanomezana maripankasitrahana ho an'ireo bilaogy sy ireo mpitoraka bilaogy izay nanamarika ny fiarahamonina, vondrom-piarahamonina misy azy na tamin'ny fomba ahoana na ahoana, ary nandray anjara tamin'ny fanandratana ny fahalalahana miteny.

Mifaninana anatin'ny sokajy “Fanabeazana sy Kolontsaina” amin'ny alàlan'ny bilaoginy manokana Fasokan i Boukary, amin'ny teny Frantsay sy Bambara.

Manandratra ny tenin'ny tompon-tany sy ireo kolontsaina amin'ny teny roa fampiasany sy ny bilaoginy manokana ny Fasokan any Mali. Nampiditra ireo olon'ny vohitra tamin'ny aterineto sy ny fikarohana fototra ao amin'ny Aterineto izy nandritra ny fitsidihana ara-panabeazana tany amin'ny reniranon'i Niger tany Mali.

Boukary Konaté miaraka amin'ny karatra fandraharahan'ny Global Voices. Sarin'ny workshop.segou

Ao amin'ny fanolorana ny bilaoginy, manoratra i Boukary:

La langue ne se développe pas elle-même, ce sont ses locuteurs qui la travaille. Le peu que je peux faire pour le développement et la promotion des langues africaines, je le fais pour que nos langues traversent les rivières et les fleuves et prennent place parmi les autres langues dans le vestibule de partage d’information et de savoir, qui est Internet. Fasokan, Site en langues nationale Bambara, Mali

Tsy mivoatra ho azy ny teny, ny mpiteny azy no mampivoatra azy. Ny kely afaka ataoko hampivoatra sy hanandratana ireo teny Afrikana, ataoko izany, mba hiampitan'ireo tenintsika ny renirano sy haka toerana eny anivon'ireo teny hafa any amin'ny sehatry ny fahalalàna sy ny fifanakalozam-baovao ary ny fizaràna, izay ny Aterineto. Fasokan, vohikala iray amin'ny teny nasionaly, Bambara, Mali

Afaka manohana an'i Boukary amin'ny alalan'ny fifidianana ny bilaoginy ianao. Nanomboka ny latsa-bato ary hitohy hatramin'ny 1 Mey.

Ny hany ataonao dia ny miditra ao amin'ny vohikalan'ny BoB, misafidy ny sokajy “Fanabeazana sy Kolontsaina”, misafidy ny Fasokan amin'ny vohikala ary mandatsa-bato.

Holazaina ao amin'ny vohikalan'ny BOB ireo mpandresy rehetra ny 2 Mey.

Sary avy ao amin'ny vohikalan'ny BoB

Boukary, izay mitoraka bitsika ihany koa amin'ny anarana Fasokan, manoratra hoe:

@Fasokan (Boukary Konate): Mitohy ny latsa-bato, fidio eto i Fasokan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.