Kenya: Tanora Afrikana Efatra Mijoro Manohitra Ireo Fitsaratsaram-poana Ataon'i Hollywood

Taorian'ny nijereny lahatsary iray novokarin'i MamaHope manasongadina ankizilahy kely iray 9 taona mitantara sarimihetsika “commando” dia nanatona an'i MamaHope ny tovolahy 7 avy ao Kenya mba hizara izay fomba fijerin-dry zareo ny saimihetsika vokarina avy any Hollywood : ho azy ireto, dia ny fitsaratsaram-poana entin'ireo horonantsary maneho an'ireo lehilahy mainty hoditra.

African Men. Hollywood Stereotypes dia nosoratan'i Gabriel, Benard sy  Derrick, samy mpianatra ho mpitsabo; Brian mpianatra momba ny fitantanana olona ary i MamaHope.

Hoy ry zareo, “Raha izay hitan'ny olona any anaty horonantsary fotsiny no hinoan'ny olona, dia mety hihevitra izy ireo fa oloben'ny ady ary mankamamy heviretra izahay.” Ry zareo, toa an'i Mama Hope, dia leo ny fivetiventesana tafahoatra sy mandeha aminà zotra tokana ny fanehoana ny lehilahy Afrikana sy ny hafatr'ireo fotsy mpanavotra, izay mandifotra ny fampahalalam-baovaontsika. Ho setrin'izany dia tian-dry zareo ny hilaza ny tantarany manokana, ka dia natolotray azy ny fitenenana ary dia namokatra ity lahatsary ity ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.