Teny: Ireo Feo Dizitalin'ny Bésiro (Chiquitano)

Nanaiky tamim-pireharehàna an'ireo tenin-janatany 36 ho teny ofisialin'ny Fanjakana ny Lalam-panorenana Boliviana. Telo amin'ireo teny ireo, ny Quechua, ny Aymara, ary ny Guaraní no be mpahafantatra indrindra noho ny hamaroan'ireo mpiteny azy sy noho ny fampiasàna azy ireo any amin'ireo firenena manodidina. Matetika dia fanamby ho an'ireo vondrom-piarahamonina  ireo ny mahita loharano sy fampahalalàna avy amin'ireo teny 33 hafa.

Misy tetikasa napetraka ao amin'ny Departemantan'i Santa Cruz izay mikatsaka ny hanampy amin'ny fiatrehana ity olana ity amin'ny alalan'ny fampiasàna mediam-bahoaka dizitaly, hanombohana ny famokarana ny votoaty manokana azy ireo ao amin'ny aterineto. Ny antenaina amin'izany dia ny famporisihany olona maro hitahiry sy hamelona indray ny teniny.

Any amin'ny Departemantan'ny Siansa Fanabeazana sy ny Maha-olombelon'ny Anjerimanontolo mahaleotena Gabriel René Moreno [es] any amin'ny tanànan'i Santa Cruz, misy vondronà tanora mpandalina ny teny, tarihan'i Ignacio Tomicha Chuve, nanomboka tetikasa antsoina hoe Monkox Bésiro ho fomba iray hametrahana ny teny Bésiro (Chiquitano) ao amin'ny sarintany dizitaly. Ampiasain'ireo mponina Chiquitano any amin'ireo faritany maro any amin'ny departemantan'i Santa Cruz sy Bení io teny io, izay araka ny tombatombana dia mbola eo anelanelan'ny 20.000-60.000 ireo mpiteny an'io teny io no mbola tavela.

Ho fanampin'ny fanokafana kaonty Twitter (@MonkoxBesiro) sy Pejy Facebook, mampiasa mavitrika ny SoundCloud io tetikasa io hampakarana ireo rakipeo nalain'izy ireo teo amin'izy samy izy, na izany nandritra ny fitsidihana ny tanin'ireo vondrom-piarahamonina niaviany, tahaka ny  San Antonio de Lomerio.

Ohatra, ity misy lesona fohy amin'ny teny roa mirakitra ny fiarahabàna amin'ny teny Bésiro sy ny fanononana marina an'ireo renifeo:

Hira nentin-drazana nohiraina tamin'ny teny Bésiro:

ary ilay vavaka “ny Raintsika” amin'ny teny Bésiro:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.