Nandao An'i Brezila Ilay Diplomaty Iraniana Voampanga Ho Nikitikitika Ankizy Vavy

Voampanga ho nikitikitika ireo ankizy vavy tsy ampy taona nilomano tao anaty dobo filomanosana ilay diplomaty Iraniana monina ao andrenivohitry Brezila, Brasilia, tamin'ny 14  Aprily 2012. Nataon'ny polisy famotorana ity tompon'andraikitra Iraniana ity noho ny fitarainana napetraky ny ray aman-drenin'ireo ankizy, nalefa nody avy hatrany anefa izy rehefa nanambara fa manan-jo tsy iharan'ny lalàna izy amin'ny mahadiplomaty azy. Raha nandà ny fiampangana azy ity diplomatin'i Iran ity, ka nilaza fa vokatry ny “tsy fifankahazoana ara-kolontsaina” no anton'izao, tsy niandry ela kosa ny mpiserasera avy amin'ireo firenena roa tonta, Iran sy Brezila naneho ny heviny.

Araka ny tatitra hita tao amin'ny lahatsarim-baovao tao amin'ny fahitalavitra Breziliana, olona nanatri-maso ny zava-niseho no nanambara fa mody milomano manodidina ny dobo filomanosana ilay diplomaty toy ny fomban'ny “ganagana misitrika” anaty rano [ankisitrika] . Araka ny fanambaran'ny polisy, misafosafo ireo ankizy vavy efatra manodidina ny sivy hatramin'ny dimy ambinifolo taona eo no nataon'ny ao ambanin'ny rano. Nanomboka nikiaka mafy ny sasany tamin'ireo ankizy vavy ka nifanandrina tamin'ilay diplomaty ny ray aman-drenin'izy ireo. Taorian'ny famotorana nataon'ny polisy, nandao ny firenena ilay diplomaty.

Screenshot from a Brazilian TV report.

Pikan-tsary avy amin'ny mpanao gazety Breziliana.

Talanjona avokoa ireo Iraniana raha nandre ny vaovao ary nitsikera ny fitondrana Islamika noho ny fametrahana ny fisarahan'ny lahy sy ny vavy ao amin'ny firenena,  ka mahatonga ireo diplomaty mankafy manararaotra milomano amin'ny dobo filomanosana natokana ho an'ny rehetra. Notsinotsiniavin'izy ireo ihany koa ilay fialàna bala hoe “tsy fifankahazoana ara-kolontsaina”.

Azarakan nanoratra an'esoeso momba ny “tsy fifankahazoana ara-kolontsaina” ka nilaza hoe:

Mihevitra aho fa rariny ny an'ny repoblika islamika momba ny faha-samihafan'ny kolontsaina satria efa nanolana tsy amin-kenatra ny vahoakany ity fitondrana ity nandritra ny taona maro… efa nahare ve ianao fa tra-tehaka ny iray tamin'ireo solontenan'ny fitondrana islamika noho ny asa ratsy vitany? Afaka mandositra ny fanerena ataon'ny vahoaka manerantany amin'izao fotoana izao ve ity fitondrana ity?

Tao amin'ny Twitter kosa no naneho ny fihetseham-pony ny avy any Brezila. Magalhães A.S, nanontany hoe:

@tovaga: Justiça e grande justiça, para que servem? É justo que o diplomata iraniano com “imunidade diplomática” abuse de crianças do DF? Só no Irã

@tovaga: rariny sy rariny lehibe, atao inona? Rariny ve raha manararaotra ireo ankizy ao DF [FDistrika Federaly]? Ao Iran ihany ny diplomaty Iraniana no “voaaro ara-diplomatika”.
 Grandfather says, 'How many times I told you not to swim in this pool, there is a diplomat here.' Cartoon by Mana Neyestani in Mardomak (used with permission)Nilaza i dadabe hoe impiry no ilazako aminao mba tsy hilomano ao anatin'ity dobo filomanosana ity,  misy diplaomaty milomano ao” Sariitatra nataon'i Mana Neyestani tao Mardomak (nahazoan-dalana)

Tao amin'ny bilaoginy, nitsikera ihany koa ny fanambarana hoe “tsy fifankahazoana ara-kolontsaina” tamin'ny fanamarihana avy amin'ny maisoivoho, ilay mpanao gazety konservativa Reinaldo Azevedo- nanontany ny amin'ny fomba fandravonana ny fihetsika toy izany ao Iran izy – ary nanampy hoe:

É muito atrevimento a embaixada de um país que vive sob uma ditadura religiosa, que trata a divergência na base da bala e do porrete, que discrimina as mulheres, que as condena ainda ao apedrejamento, criticar a imprensa de um país livre.

Sahisahy tokoa ny maisoivoho miasa amin'ny firenena iray eo ambanin'ny didy jadona ara-pinoana, izay mamaly ny tsy fitovian-kevitra amin'ny bala sy ny kobay, izay manavakavaka ny vehivavy, miampanga azy ireo mba hotorahim-bato, manome tsiny ny gazety amin'ny firenena malalaka.

Avy amin'ny Iraniana, Jomhouriat nanoratra hoe:

The Brazil scandal displays the fall of the Iranian regime's morality. This disaster is just a window for the world to learn about behaviour of representatives of the regime… in our prisons there are many cases of torture and rape

Mampiseho ny fikorosofahan'ny fanafintohinana momba fitondratenanan'ny fitondrana Iraniana hita eto Brezila. Varavaram-pitaratra ho an'izao tontolo izao ny tranga niseho mba hianarana ny fomba fitondratenan'ny fitondrana… ahitana tranga-javatra toy ny fampijaliana sy ny fanolanana ao amin'ny fonjantsika.

Niara nanoratra ny lahatsoratra ihany koa i Sara Moreira

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.