Ejipta: Adihevitra Amin'ny Fahitalavitra Amin'izay?

Mihamanatona ny Fifidianana filoham-pirenena Ejipsiana, mihamaro ny antso hisian'ny adihevitra eo amin'ny samy hofidiana floham-pirenena tsy ao Ejipta ihany fa manerana ny tontolo arabo ihany koa. Efa nisy ihany ny antso fangatahana ny hisian'ny tahaka izany nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenea tamin'ny 2005 saingy nanapi-tsofina tamin'ny antso toy izany i Mubarak , saingy liana dia liana ny hahita adihevitra sahala amin'izay hitany any Etazonia sy ny faritra maro hafa tokoa ny Ejipsiana amin'ity tena fifidianana filoham-pirenena voalohany ity.

Niresaka momba ny “Monazarat” (“Adihevitra”) ny mpisera Twitter tamin'ny 22 Avrily ka nisy ny antso isian'ny adihevitra eo amin'ny kandidà filoham-pirenena any Ejipta aseho fahitalavitra.

Senator John F. Kennedy and Vice President Richard M. Nixon during the first televised U.S. presidential debate in 1960. Image from Wikimedia Commons.

Senatera John F. Kennedy sy ny Filoha lefitra Richard M. Nixon nandritra ny adihevitra fahitalavitra Amerikana voalohany tamin'ny 1960. Image from Wikimedia Commons.

Bassem Sabry no nampiditra ny fanentanana hangataka ny isian'ny adihevitra amin'ny fahitalavitra sy ny fampidirana tenifototra Twitter ampiasaina (#Monazarat).

Nisioka i Safwat Safi [ar]:

@Safwat_Safi: أعتقد أول مناظرة متلفزة كانت في الستينات بين كنيدي ونيكسون، من الجميل أن نرى ذلك في العالم العربي بعد 50 عاما
@Safwat_Safi: Mieritreritra aho fa nandritra ny taompolo 60 no nisian'ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra voalohany indrindra ka nifanaovan'i Kennedy sy Nixon; mahafinaritra ny mahita izany amin'ny tontolo Arab 50 taona aty aoriana

Mpanao gazety Mohamed Abdel Kodos no manoratra ao amin'ny bolongana [ar]:

أتمنى رؤية مناظرات على الهواء مباشرة بين المرشحين لمنصب رئاسة الجمهورية كما يحدث فى الدول المتقدمة، فهل ستجد تلك الأمنية طريقها إلى أرض الواقع أم تظل حلماً فى المشمش؟
Manantena hahita adihevitra eo amin'ny kandidà ho filoham-pirenena tahaka izay misy any amin'ny firenena mandroso aho. Hody ho ventiny ve izany sa hijanona ho nofy ihany?

Milaza ny hagagany ny bilaogera Sara Labib [ar]:

@SaraLabib: دى اول مرة يبقى قدامنا اكتر من مرشح حقيقى و مش عارفين مين اللى هيكسب، خلينا نرسخ ثقافة الحوار و المناقشة و المناظرات بين المرشحين ‎‪‬‏
@SaraLabib: Sambany isika no miatrika kandidà tena izy mihoatra ny iray, ary tsy fantatsika hoe iza no handresy; andao hamafisina ny kolontsaim-pifampiresahana sy adihevitra ary fifandresen-dahatra eo amin'ny samy kandidà

Nanolotra lohahevitra vitsivitsy hiadian-kevitra ny mpisera Twitter ta7riro:

@khelaly: healthcare, slums, street children, cultural heritage, innovation

fahasalamana, tranobarìka, ankizy an-dalambe, vakoka, fanavaozana

Mitsikera ny famenoana afisy manerana ny tanàna [mg] ny mpanoratra Marwa Elnaggar ary nisioka [ar]:

@marwame: الشعارات والبوسترات مش هتقوللي حاجة عن المرشحين ولكن المناظرات هتوضح كل واحد بيفكر ازاي وبرنامجه مبني على تخطيط سليم ولا لا
@marwame: Tsy milaza na inona na inona amiko momba ny kandidà ny teny filamatr sy ny afisy, fa hazava kokoa izay eritreretin'ny kandidà tsirairay amin'ny alalan'ny adihevitra sy ny hhafantarana raha manana fandaharan'asa matotra izy na tsia

Mananihany i Iyad Elbaghdadi:

@iyad_elbaghdadi: At the very least, presidential debates in #Egypt will give our stand-up comedians some new material!

Farafaharatsiny mba hanome sopapa ny mpampihomehy mbola mijoro ny adihevitra amin'ny fahitalavitra eto Ejipta!

Mino i Hesham Alquraini fa hisy dikany lehibe ny fiadian-kevitra tahaka ireny [ar]:

@heshamq: لو فعلاً تمت هذه المناظرات بين مرشحي الرئاسة المصرية ستكون نقلة نوعية مهمة في التاريخ السياسي العربي يظهر للمرة الأولى ‎‪
@heshamq: Raha hitranga ihany izany adihevitra eo amin'ny kandidà filoham-pirenena ejipsiana izany, dia ho dingana manantantara sambany vao hitranga amin'ny tantara politika Arabo


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.