Bolgaria: Miaina Miaraka Amin'ny Hépatite C

Kisendrasendra no nahitako ity bilaogy ity [bg]. Ny lohateniny dia hoe, “Ny hépatite ao an-tsaina : Fisainan'ny olona iray tratry ny aretina,” ary dia mahatohina tokoa ny fanakaikezana ny ady atrehan'olona iray isanandro amin'ny Hépatité C, ity areti-mandoza sy mamitaka ity. Tsotra ny teny kanefa mivantambantana sy manohina [bg]:

Аз съм момичето, което чака с теб автобуса на спирката. Което сяда на втората седалка и зяпа разсеяно през прозореца. Аз съм тази, която се смее високо на съседната маса, която ти се усмихва пред асансьора в офиса. Аз съм просто една от многото.

Izaho no ilay tovovavy miara-miandry aotobisy aminao eo amin'ny toeram-piandrasana. Mbola ilay vehivavy izay mipetraka amin'ny seza eo akaikinao ihany koa ary variana mandefa ny fijeriny any am-baravarankely. Izaho no ilay iray mikakakaka mafy etsy amin'ny latabatra akaiky etsy, ilay mitsiky aminao eo anoloan'ny fanaka-drihana ao am-piasana. Iray anatin'ireo marobe aho.

Ary dia nanohy namaky aho, niverina nitadidy ny tamin'ny  2007  fony aho niasa momba ny areti-mifindra tany aminà toeram-pitsaboana malaza iray tao Frantsa. Voatery izahay hamoaka izay karazana fanefitra rehetra azo sainina rehefa mandray an-tànana ireo santionan'olona tratry ny aretina.  Mandritra ny fiandrasana ny mpitsabo hamadika ny tanako ho toy ny fitantavanana noho ireo tsindrona maro samihafa, dia miresaka izahay, ary dia nanohina tokoa ny nahitàna azy seriny sy miasa saina : nanjary lasa horohoro ho an'ny fahasalaman'ny daholobe ao Frantsa ny hépatité C ary indrindra indrindra fa ao Paris. Fa mbola nanohina bebe kokoa, tsy nisy fanentanana lehibe mba natao ho an'ny sehatra nasionaly ho entina hanairana ny saina sy hanasàna ny olona hanao fitiliana.

Io izany dia manazava fa tamim-pahalinana tokoa no namakiako ny bilaogy  “Ny hépatite ao an-tsaina” : satria ity bilaogy ity dia mahavita asa tsara amin'ny fampahafantarana ny olona ny momba ny otrikaretina HCV sy ny antony maha-zava-dehibe ny fahafantarana azy. Nisaina aho momba ny zara raha fampahatantarana ny olona tao Frantsa, firenena iray izay manana rafitra fiarovana ara-pahasalamana (mbola-) mihodina, sy ny mety ho mbola faharatsian'ny zava-misy any amin'ny firenena rotika toa an'i Bolgaria. Ary nony injay i Toshka – ilay vehivavy ao ambadik'ilay bialogy – nanoratra lahatsoratra iray hitenenany fa ny nahomby ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana azy, Nanapa-kevitra aho ny hiresaka taminy.

Toshka. Photo by Andrey Katanski, used with permission

Toshka. Sary avy amin'i Andrey Katanski, nahazoana alàlana

Iza moa ianao, Toshka?

Vehivavy 30 taona avy ao Bolgaria. Mpanoratra sy bilaogera.

Inona no tantara iraisanao amin'ny Hepatite C (HCV)? Fomba ahoana no nahalalànao fa tratry ny aretina ianao?

Kisendrasendra, tahaka ny ankamaroan'ny ataon'ny olona rehetra. Tanatinà fitsirihana maro samihafa,  dia nomena fahafahana hanao fitiliana maimaim-poana ny  HCV sy ny HBV aho – ary dia nekeko. Taitra aho nandre ny valiny – miabo ny HCV.

Ny olana dia hoe efa zatra ny mizara ny fahatsapana iraisan'ny rehetra aho mikasika io aretina io – ny ninoako dia hoe ireo mampiasa ny fandraisana zava-mahadomelina amin'ny alalan'ny fitsindrona ihany no tratr'izany. Ary tsy nahalala mihitsy aho hoe mety ho tratra koa ianao nefa tsy mamoaka soritr'aretina. Mety ho efa 10 taona no nitondrako azy na mihoatra akory aza.

Dia ahoana no nandraisan'ny fianakavianao azy?

Tamin'ny voalohany dia tsy nambarako an-dry zareo. Tsy nisy olona nilazako mihitsy. Tsy nananako ny hery hiresaka mikasika azy io.

Rehefa nolazaiko an-dry zareo, taitra mafy ry zareo, niahiahy sy nivarahontsana. Ny ankamaroan'ny olona eto no tsy mahafantatra fa azo tsaboina ny hépatite C.

Ahoana ny fomba fandraisana an-tànana sy fitantanan'ireo mpiasan'ny fitsaboana?

Soa ihany, eto Bolgaria dia raisin'ny National Health Insurance Fund – na Tahirim-bolam-pirenena ho an'ny Fahasalamana –  an-tanana ny fandaniana amin'ny fitsaboana ny HCV . Eo ihany koa ireo matihanina manam-pahaizana sy ampy fahaiza-manao amin'io sehatra io.

Angamba noho izy fitsaboana ilàna vola be (eo amin'ny  4,000 lv. [~2,000 euros] 26 tapitrisa Ariary isam-bolana), dia marobe ireo antontan-taratasy karakaraina any amin'ny birao any sy fepetra tsy maintsy arahan'ireo marary. Tsy zavatra mora atao izany, rehefa jerena ny faharetan'ny fitsaboana izay maharitra taona iray sy mitondra fiantraikany hafa avy eo.

Naninona ianao no nanomboka ni-bialogy mikasika azy io?

Satria ny fanoratana no fomba iray hamoahako izay mitranga amiko sy izay tsapako. Nanapa-kevitra aho ny hizara ny eritreritro ety anivon'ny aterineto amin'ny tsy fitononana anarana satria fantatro ny lanjan'ny fahatsapan'ireo olona tratr'ity olana ity hoe tsy irery sy misy mpanohana izy ireo.

Nino aho, ary mbola mino, fa mety hitondra fanampiana ny tantarako.

Ahoana ny fandraisana an-tanana an'ity olana ara-pahasalamana faran'izay saropady indrindra ity ao Bolgaria?

Be anganongano sy hevitra tsy mitombina eto miohatra amin'ny fampahafantarana. Ny fomba fijery iraisan'ny daholobe dia hoe olan'ireo nandray zava-mahadomelina tany aloha tany ny HCV, ary tsy azo sitranina sy tsy dia miparitaka loatra.

Zava-misy vitsivitsy: ambanin'ny 7 tapitrisa ny mponina ao Bolgaria. Araka ny fanisàna farany, manodidina ny 2.000 eo ny olona tratry ny VIH. Ary maherin'ny 400.000 ny olona tratry ny HBV, maherin'ny 150.000 ny tratry ny  HCV, ny ankamaroan'izy ireo dia tsy mahafantatra akory ny aretiny. Ny antenaina, mba ho hitan-dry zareo mialoha izany alohan'ny tsy azo anoharana intsony.

Misy ONG misahana azy io ve?

Eny, misy ONG roa. Ny voalohany, Hepasist, dia manam-pifandraisana sy to teny amin'ny fitondrana fanovàna eo amin'ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fomba fanao aty Bolgaria.

Ny iray faharoa – Hepactive – dia fikambanan'ny marary izay manome fanampiana isanandro ho an'ireo olona tratry ny hépatita sy ny fianakaviany. Hepactive dia manome fampahafantarana sy tohana eny anivon'ny aterineto sady efa manomboka koa ankehitriny ny Vondrona Ifanohanana ety amin'ny tontolo ivelan'ny aterineto.

Inona no zavatra nahazendana anao indrindra tao anatin'ny ady tamin'ity aretina ity?

Ny zavatra sarotra indrindra amin'ny fitsaboana ny HCV dia, angamba, ilay izy maharitra taona iray manontolo. Miova tanteraka ny fahazaranao sy ny fomba fiainanao mandritra izay fotoana izay.

Misy zavatra iray manokana nahasarika ahy teo ampamakiana voalohany ny mombamomba anao tao amin'ilay bilaogy. Hoy ianao manoratra:

Имам една молба. Ако този блог ти действа потискащо, ако те кара да се чувстваш зле, използвай малкото хиксче горе вдясно. Сериозно. Излез на кафе с приятели, купи си нещо непотребно, разходи се. Животът е прекрасен и най-нормалното нещо на света е да искаш да си здрав и да не се тревожиш. Имаш избор дали да влезеш тук или не, дали да четеш или не. Използвай го!

Fangatahana iray no ataoko. Raha mampivalaketraka anao ny mamaky ity bilaogy ity, raha tsy mampahazo aina anao, dia ampiasao ilay lietra x kely etsy an-tampony havanana amin'ny varavarankely. Tena amin'ny fo. Ndeha mivoaka miara-misotro kafe amin'ny namanao, mividiana zavatra mahasoa, ndeha mitsangantsangana. Mahafinaritra ny fiainana ary ny zavatra isan”izay voajanahary indrindra eto an-tany dia ny fikatsahana ny mba ho salama tsara sy tsy hiasa saina. Manana safidy ianao na hitsidika ny tranonkala na tsia, na hamaky azy na tsia. Ampiasao izy e!

Tsapako fa, ny mifanohitra amin'izay, tokony hanasa ny olona ianao hijanona sy hamaky, indrindra indrindra fa sarotra tsy hahazoan-dry zareo aina izy ity. Nahoana? Izao àry, satria izay no tena fiainany marina ary satria ny fanoratana bilaogy mikasika azy io sy ny famakiana izany dia hahatonga ny olona hahatakatra fa ny HCV dia tsy ny hafa irery ihany no tratrany. Ho an'ireny olona ireny indrindra, tokony hijanona sy hamaky ary handinika lalina ry zareo fa tsy hanakatona fotsiny ilay pejy sahala amin'ny tsy misy. Misy fanamarihanao ve ny mikasika an'io? Mety efa niova angamba ny hevitrao hatramin'ny fotoana nanoratanao an'io ary angamba efa mba niresaka momba io tamin'olona hafa ianao 🙂

"Hepatitis-Minded" in a book: "Pozitivno". Credit by Toshka.

"Ny hépatite ao an-tsaina" hatao anaty boky: "Pozitivno." Sary : by Toshka Ivanova.

Mbola mitohy mifikitra amin'izay nosoratako aho, ary ho ahy dia tahaka izay ihany koa ny momba ilay boky. Tsy azonao terena hanao na inona na inona ny olona. Tsy azonao atao ny MANEFY azy ireo hahatsapa, hahatakatra na hankafy zavatra iray. Safidin-dry zareo manokana ny amin'izany ary izay no tokony ho izy.

Raha misy olona mahatsapa fa hoe mampangirifiry na mampivarahontsana ity tantara ity, angamba izy tsy mbola vonona ny hamaky azy fotsiny. Tsy mikasika ny HCV ihany io, fa mikasika koa izay ataontsika amin'ny fiainantsika, ny antom-pisiantsika eto, hoe ampy antsika ny fitiavantsika ny tenantsika manokana. Ny olona sasany tsy te-hisaina mikasika izany. Mampanaintaina loatra. Sady na manery ny tenan-dry zareo hamaky ilay boky aza izy ireo, tsy hisy mba hampiharin-dry zareo akory izany.

“Pozitivno” dia ny tantarako sy ny eritreritro mikasika ireny olana ireny. Ny hoe hamaky azy, hahatsapa azy, hahatakatra azy na tsia, dia resaka safidy. Ary araka izay nambarako, izay no làlana tokony hizorana.

Nangoninao avokoa ireo fitananana an-tsoratra avy tao amin'ny bilaogy “Ny hépatite ao an-tsaina”  ho ao anaty boky iray ary manomboka bilaogy iray vaovao ianao. Azon'ny saina takarina ihany izay. Saingy inona no hitranga ho an'ilay bilaoginao HCV manomboka eto: vita ve n y ady ho fampahafantarana ?

Hipetraka eo foana io ary hisy fanavaozam-baovao hatrany. Hampiasaiko hizaràna vaovao sasany manan-danja sy fampahafantarana ny HCV io.

Saingy ny eritreritra manokana sy ny traikefa amin'izao fotoana dia mizotra mankamin'ilay bilaogy vaovao. Mila teboka vaovao ho fanombohana aho.

Lava ny làlana, nefa mitsiry eny amorony eny ny fanantenana 🙂

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.