Palestina: Fifaninanana “Lahatsoratra Bilaogy Palestiniana100″

Nampahafantatra ny tetikasa avy amin'ny Palestiniana antsoina hoe “Diwan Ghazza” izahay ato amin'ny Global Voices tao anatin'ny lahatsoratra iray nosoratana vao haingana, seha-kolontsaina mikendry ny hanaitra sy handrisika ny tanora Palestiniana. Toy izao ny fanazavana avy amin'i Yasmeen El Khoudary, namana mpanoratra ao amin'ny Global Voices sy mpiara-manorina ny tetikasa:

Miezaka hampahafantatra ny endrika tsara ananan'i Gaza izahay (endrika efa nisy, saingy tsy noraharahiana foana hatrizay), amin'ny alalan'ny fanomezan-danja avy amin'ny fahaizana sy ny fanomezan-tsehatra ny tanora haneho izany endrika tsara momba an'i Gaza izay tsy hita izany.

Nanambara ny fisokafan'ny fifaninana ho an'ny mpamahana bolongana palestiania rehetra na aiza izy na aiza ny Diwan Ghazza tamin'ny 15 Aprily.  Tanjona amin'izany ny hanangonana lahatsoratra bilaogy Palestiniana 100 tsara indrindra, ary hamoaka izany amin'ny boky, amin'ny teny Arabo na Anglisy raha mety, fara-fahatarany amin'ity taona ity.

Aingam-panahy avy amin'ny fandraisana an-tanana vao haingana antsoina hoe tetikasa boky “Lahatsoratra 100″ , novolavolain'ny vondrona mpamahana bolongana Ejypsiana izany. Niafara tamin'ny fananganana boky iray antsoina hoe “Ny abidian'ny Famoronana Eo Noho Eo” ny tetikasa, izay ahitana lahatsoratra 100 avy amin'ireo mpamahana bolongana Arabo avy amin'ny firenena dimy samihafa (anisan'izany ny mpamahana bolongana Palestiniana fito, ka anatiny ny tenan'ny mpanoratra amin'ny teny anglisy ity lahatsoratra ity). Navoaka nandritra ny Tsenaben'ny Boky Iraisam-pirenena tao Kairo tamin'ny volana Febroary 2012 ny boky.

Ireto manaraka ireto ny fitsipika takiana amin'ny “Lahatsoratra Blaogy Palestiniana 100″:

1 – Lahatsoratra iray ihany no azo hisafidianan'ny mpamahana bolongana tsirairay, lahatsoratra efa nivoaka tao amin'ny bilaoginy manokana.

2 – Amin'ny teny Arabo na teny Anglisy ny lahatsoratra.

3 – Iray na maro amin'ireto sokajy ireto ny lahatsoratra: literatiora, tononkalo, sosialy, politika, tantara foronina ary eritreritra sendra nandalo.

4 – Lahatsoratra nivoaka tao anatin'ny taona 2011 sy 2012.

5 – Mbola tsy nivoaka ofisialy taminà karazana gazety taratasy na antserasera ny lahatsoratra (toy ny gazety, boky na gazetiboky).

6 – Tsy ekena ny lahatsoratra ahitana fanevatevana, fanavakavaham-bolokoditra na manohitra fivavahana, na ahitana resaka politika mety hiteraka ady.

Misokatra ho an'ny mpamahana bolongana Palestiniana rehetra ny fifaninanana, na aiza na aiza izy no mipetraka. Mpanoratra  Arabo sy Palestiniana no hitsara ny fifaninanana, misy koa ny fifidianana atao amin'ny aterineto.

Afaka misoratra anarana eto ireo rehetra liana amin'ny fifaninanana.

Raha mila fanazavana fanampiny, tsidiho ny pejy ofisialin'ny hetsika ao amin'ny Facebook, na manoratra any amin'ny diwanghazza@gmail.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.