Espaina: Ny Mpanjaka Sy Ny Elefanta


Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika. Nanambara izany voina izany ny solontenan'ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa vita soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny mpanjaka ary mbola tsaboina an-kahamehana ao amin'ny hopitaly  USP San José izy.

Niparitaka haingana tao amin'ny aterineto ny vaovao — toy ny tantara taloha no nandrenesana azy, izay nahitana mpanjaka niaina am-pahasambarana ary nandeha nihaza elefanta, ka mandritra izany fotoana izany, niasa an-kafaliana tahaka ny mahazatra tao amin'ny fanjakany ny olony. Nivadika anefa izany, tamin'ny taonjato faha-21, niova tanteraka ny zava-misy. Mbola eo ny mpanjaka ary nandeha nihaza elefanta tany Bostwana, kanefa tao anatin'izany, mijaly noho ny fampihenana ny tetibola natokana ho an'ny sosialy ny olom-pireneny, fijaliana izay mbola tsy nisy teo aloha nandritra ny tantaran'ny demokrasia , maherin'ny 5 tapitrisa ny olona tsy an'asa, ary maherin'ny 50% ny tahan'ny tsy fananan'asa eo amin'ny tanora.

Mitentina 37,000€ ny vola lany nandritra ny dian'ny mpanjaka, ka nampitombo hatrany ny hetsi-panoherana tao amin'ny aterineto, tahaka ny taratasy avy amin'ny WWF Espaina (fikambanana miaro ny tontolo iainana) mangataka fihaonana amin'ny fianakavian'ny mpanjaka:

Este desafortunado acontecimiento es mundialmente conocido en estos momentos y estamos recibiendo incontables muestras de enérgica protesta, lo cual implica un grave perjuicio para la credibilidad de WWF y de la intensa labor que ha desarrollado durante más de cincuenta años para la protección de los elefantes y de otras especies.

Fantatr'izao tontolo izao ankehitriny izany vaovao mampalahelo izany ary naharay fanamarihana ratsy sy hetsi-panoherana tsy voatanisa izahay – izay miteraka fahasimban'ny fitokisana amin'ny WWF sy ny asa goavana vita nandritra ny 50 taona mahery ho fiarovana ny elefanta sy ny karazam-biby maro hafa.

Tao amin'ny bilaogin'ny “Principia Marsupia”, mpanao fikarohana Alberto Sicilia nanoratra “Taratasy amin'ny maha mpanao fikarohana -fizika fampiharana- azy misokatra ho an'ny mpanjaka King Juan Carlos“:

Regresé a un país donde el Jefe del Estado se opera de prótesis de cadera en una clínica privada, mientras miles de compatriotas esperan meses para la misma intervención. Regresé a un país donde el Jefe del Estado se va de vacaciones en jet privado mientras se fulminan las ayudas a las personas dependientes.

Niverina tamin'ny firenena iray aho izay natao fandidiana eo amin'ny andilany ao amin'ny hopitaly iray tsy miankina ny filohany, raha toa kosa  ka namana olom-pirenena mpiray tanindraza an'arivony no tsy maintsy miandry volana maromaro vao afaka mahazo fitsaboana tahaka izany  Niverina tamin'ny firenena iray aho izay nandeha voromby manokana nandeha naka vakansy ny filohany raha toa ka nofoanana ny fanampiana ho an'ny olona sahirana.

Nangotraka avy hatrany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra-sosialy:

@DRYburgosMillones de parados, centenares de desahucios cada día… y el Rey cazando elefantes en Botswana?? Esto es intolerable!

@DRYburgos: Olona an-tapitrasany no tsy an'asa, an-jatony isan'andro ireo voaraoka.. mihaza elefanta ao Botswana ny mpanjaka??  Tsy azo ekena izany!

@GLlamazaresDe tal palo tal astilla. El monarca se fractura la cadera cazando elefantes y su nieto se dispara en el pie.

@GLlamazares: parasy avy amin'ny trano taloha.  Tapaka ny andilan'ny mpanjaka tamin'izy nihaza elefanta ary nitifi-tena teo amin'ny tongony ny zafikeliny lahy [Fanamarihana: naratra ny zafikelin'ny mpanjaka noho ny filalaovany basy]

@democraciarealMientras unos sufrimos duros recortes en Sanidad y Educación, otros derrochan miles de euros de dinero público matando elefantes en África

@democraciareal: Raha mijaly noho ny fampihenana ny tetibolan'ny fahasalamana sy ny fampianarana isika, ny hafa kosa mandany an-tapitrasany euro amin'ny volam-panjakana hamonoana elefanta ao Afrika.

Ity lahatsary avy amin'i n Safaris, orinasa nikarakara sy nanohana ny diany tamin'ny fizahana elefanta tao Afrika. (Fanamarihana: lahatsary mampihorokoditra.)

Efa nivoaka ny hopitaly ny mpanjaka tamin'ny 18 Aprily, ary hoy izy nanao fanambarana tao amin'ny gazety: “Manantena aho fa handray ny andraikitro amin'ny antsakany sy andavany amin'izay ary maneho fialan-tsiny indrindra aho.  Nanao fahadisoana aho ary tsy haveriko intsony izany.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.