Iran: Mamadika Ny Pejin'ny Fanavakavaham-bolokoditra Atao Amin'ny Afgana

Source: Facebook.com/Humanrightsreporters

Naneho ny fahasorenany ny mpamahana bolongana raha nandre fa noraràn'ny manampahefana tsy hiditra ao amin'ny toera-pitsangatsanganana ny Afgana monina ao Ispahan, ao Iran nandritra ny fankalazana ny faha-13 andron'ny taombaovao  Nowruz  tamin'ny 1 Aprily 2012. Mahazatra ny olona ny mandeha mivoaka mitsangatsangana hanamarihana izany andro izany.

Na dia nandà aza ny manampahefana iray ao Isfahan fa tsy noraràna izany ny Afgana, natsangana ihany ny hetsika tao amin'ny  Facebook ho fanentanana ny Iraniana hiady amin'ny fanavakaham-bolokoditra. Toy izao no hita ao amin'ny fangon'ny pejy, “Afgana avokoa isika rehetra”. Olona eo amin'ny 4000 eo no manohana ny hetsika.

Ankoatra ireo Afgana marobe mpifindra-monina sy mpitsoa-ponenana ara-dalàna, maherin'ny iray tapitrisa ankehitriny ireo Afgana mpitsoa-ponenana tsy manana taratasy ara-dalàna monina ao  Iran, araka ny voalazan'ny tatitra sasany.

Mpamahana bolongana Iraniana, Sepid sy Siah (midika hoe Fotsy sy Mainty) nilaza hoe:

Menatra aminareo aho ry rahalahiko sy rahavaviko Afgana. Menatra aho satria tsy mahay mandray vahiny ny fireneko izay nialofanareo…Kanefa inona no azoko antenaina amin'ny olona sasany eo anivon'ny firenena izay mitady hatrany hanambany anareo nandritra ny taona maro, efa nanambany ny Iraniana izy ireo. Kanefa menatra aho satria tsy mankasitraka anareo ny olona ao amin'ny fireneko.

Khorshidneshan nanoratra hoe:

Anisan'ny toetra mampiavaka ny Iraniana ny fanavakavaham-bolokoditra. Tsy ny repoblika Islamika sy ny mpiasa-panjakana ao Isfahana ihany no olana noho ny fanomezany baiko handràra ny Afgana tsy hitsangatsangana ao am-bala. Fa avy amintsika vahoaka [Iraniana] ihany koa satria tohanantsika izany fa tsy mba toherintsika… Tsy zava-baovao ny fanavakavaham-bolokoditra mahazo azy ireo. Sarotra na tsy mety mihitsy ho an'ny Afgana ny mahazo karapanondro Iraniana indrindra rehefa nonina nandritra ny taona maro tao amin'ny firenena na nanambady Iraniana izy.

Nilaza  toy izao ny blaogin'i Shahin Shar: andeha hatsahatra androany ny fanavakavaham-bolokoditra atao amin'ny Afgana ao Iran. Namoaka sary maromaro ahitana Afgana voararà tsy mahazo hilomana amin'ny dobo filomanosana iray ilay mpamahana bolongana.

Noho ny sivana mahery vaika ao Iran, mety tsy fantantsika mihitsy izay tena zava-nitranga tao amin'ny toera-pitsangatsangana androany. Na izany aza, afaka matoky isika fa Iraniana marobe no mahafantatra fa misy ny fanavakavaham-bolokoditra mafaitra atao amin'ny Afgana, ary maniry ny hamadika ny pejy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.