Soeda: Mitsidika An'i Rinkeby, Ambany Tanàna Be Mpiavy Ao Stockholm

Malaza noho ny fahamaroan'ny mpifindra monina ao aminy ny fokontanin'i Rinkeby ao Stockholm, Soeda. Mitantara ny fitsidihany io faritra io izay mba te-hijerijery izany faritra izany.

Monina any Stockholm ny mpanao gazety sy bilaogera Yemenita Afrah Nasser. Nanoratra momba ny nitsidihany voalohany an'i Rinkeby izy tao amin'ny hafatra bilaogy tamin'ny 6 Avrily 2012.

Niteny i Afrah:

I've always heard from people in Stockholm that there is an area called Rinkeby that is so full of immigrants and you can even hardly see Swedes there. So, I decided to go there, yesterday. I wanted to go and discover this mini-Non-Swedish area.

Naheno foana aho eto Stockholm fa misy fokontany antsoina hoe Rinkeby feno mpifindra monina hany ka zara raha ahitana Soedoà ao. Nanapa-kevitra ny ho any aho noho izany omaly. Te-hahita izany faritra kely tsy soedoà izany aho.
Rinkeby

Famantaran-dalana ao Rinkeby. Saripika Afrah Nasser (nahazoana alalana)

Voamarik'i Afrah rehefa tonga teo amin'ny garan'ny metro ao Binkeby fa ratsy tarehy noho ny ankamaroan'ny garan'ny metro hafa ao Stockholm tahaka an'i T-Centralen izy. Nataony fampitahana ny sarin'ireo gara roa ireo:

My first impression when I arrived at the metro underground was, “OMG, Why the metro underground looks horrible! why there is no decoration at the metro !! Like how it is in , for example, Karlaplan (Where Swedes dress/walk like there is some kind of a fashion show)! No ads, no pretty pics on the walls like how it's the case at the average metro’ walls in the city.

Ny tsapako voalohany raha vao tonga tao amin'ity gara ambanin'ny tany ity aho : “Oh la la, toa mampatahotra ity metro ity izany! nahoana no tsy misy sary mihitsy? tahaka ny any Karlaplan (toerana fianjaika/fiakanjoan'ny Soedoà) ! Tsy misy doka, na sary mahafatifaty tahaka ny fahita any amin'ny rindrin'ny metro rehetra manerana ny tanàna.
T-Centralen Station

Gara T-Centralen. Saripika Afrah Nasser (nahazoana alalana)

Rinkeby Station

Gara Rinkeby. Saripika Afrah Nasser (nahazoana alalana)

Maro amin'ny olona monina ao Rinkeby no tsy mahita asa tsara ivelan'ny faritra onenany noho ny tsy fahaizany ny kely indrindra ny teny Soedoà. Araka ny nolazain'i Tricia Wang, bilaogera Amerikana sy mpandalina ny kolontsain'ny fiaraha-monina nitsidika an'i Rinkeby tamin'ny 2008, fa manahy ny tsy hananan'ny zanany ho avy mamiratra any ity ramatoa nalainy sary ity noho ny tsy fahaizana teny anglisy sy soedoà ifampiresahana any an-tsekoly.

Hatice Erkal working in the bread shop of her family in Rinkeby

Mpivaro-mofo ao Rinkeby. Saripika Tricia Wang hita flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Vegetable market in Rinkeby

Tsenan'anana ao Rinkeby Saripika Tricia Wang hita flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

 

Niteny i Afrah nandritra ny fiafaran'ny famangiany:

I said goodbye to Rinkeby with a feeling that Stockholm is segregated. Sana'a, my hometown, has been always segregated as well. The rich lived at one side and the poor at the other side. The Yemenis lived in one side and the immigrants lived at the other side. So, I know what social segregation means. There is an area in Sana'a called Safia that's heavily inhibited by Somalis. We used to call is Maqadishu. I bet Rinkeby is Stockholm's Safia. This is not new for me but it was interesting to discover this side of Stockholm.

Nataoko veloma niaraka tamin'ny fahatsapana fa misy fanavakavahana ao Stockholm i Rinkeby. Misy fanavakavahana toy izany ihany koa ao Sana'a, tanàna nihaviako. Monina eo ankilany ny mpanankarena ary eo andaniny ny mahantra. Ny Yemenita miara-monina etsy ankilany, ny mpiavy miara-monina etsy andaniny. Fantatro ankehitriny izany atao hoe fanavakavahana ara-tsosialy. Ao Sana'a misy fokontany antsoina hoe Safia maro Somaliana monina ao. Antsoinay hoe Maqadishu izy io. Manao fanamby aho fa Rinkeby no Safiàn'i Stockholm. Tsy zava-baovao amiko izany fa nahaliana ny mahalala ny lafy hafan'i Stockholm.
Poster in Rinkeby advertising international money transfers to Africa

Afisy ao Rinkeby miresaka fandefasam-bola iraisampirenena mankany Afrika. Saripika Tricia Wang hita flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.