Indonezia: Mafana Ny Fifidianana Ho Governoran'i Jakarta

Governora ao Jakarta, Fauzi “Foke” Bowo. Sary tao amin'ny pejy Flickr tao Afovoany Atsinanana-Andrefana

Nampiseho ny fanadihadiana notontosain'ny Ivon-toerana Mpanao Fanadihadiana Indoneziana fa ny tompon'i Fauzi “Foke” Bowo no mitarika amin'ny fifidianana governora ao Jakarta. Jakarta no renivohitr'i Indonezia. Miaraka amin'i Nachrowi Romli, 49.1 isan-jato eo no salan'isa mety handresen'i Foke (fiantso malaza azy) sy Nachrowi amin'ny fifidianana. Ary ny kandidà malaza toa an'i Joko Widodo sy Basuki Tjahaja Purnama kosa no mitàna ny laharana faharoa izay nahazo salan'isa 14,4 isan-jato.

Mifanohitra amin'ny fijerin'ny mponina maro ao Jakarta ny valin'ny fanadihadiana. Mieritreritra ny olona sasany fa tsy mahavita mamaha ny olana lehibe ao Jakarta i Foke, tahaka ny fitohanan'ny fiara sy ny lakan-drano tsentsina.

 

@PokijanAcil Kl sy bisa jalan 1km naik mobil, 1,5 jam. Thanks to macet jakarta. RT @tempodotco: Foke: Sy Bs Lari 10 Km Krg dr 1jam http://bit.ly/HujO4W

@PokijanAcil” adiny 1 sasany no laniko rehefa mandeha fiara amin'ny lalana 1km. Noho ny fitohanana.”Mikasika ny fizahana ara-pahasalamana ho an'ireo kandidà, nilaza i Foke fa afaka mihazakazaka 10 km ao anatin'ny adiny 1 latsaka izy

@adicumi_ratis Mari bersama-sama kita dukung “FOKE MENJADI MANTAN GUBERNUR DKI JAKARTA”

@adicumi_ratis“Andeha hanohana an'i Foke mba ho governora TEO ALOHA an'i Jakarta izy.”

Fitsarana mamaivay avy amin'ny @TrioMacan2000 nisioka momba ny faharavan'i Jakarta, renivohitr'i Indonezia

jakarta adalah kota besar satu2nya di dunia yg gubernurnya menghilangkan lapangan sepakbola dan gantikannya dengan hotel

“Jakarta no tanàn-dehibe tokana manerantany ahitana governora namindra tany filalaovam-baolina amin'ny hotely”

Jakarta adalah satu2 kota besar didunia yg minim transportasi massal. Hanya busway yg jadwalnya tak teratur, sumpek dan tak manusiawi

“Jakarta no tanàn-dehibe tokana manerantany ahitana rafi-pitateram-bahoaka vitsy indrindra. Fiarabe “busway” ihany no miasa mandritra ny fandaharam-potoana tsy voavinavina, ary hipoka olona foana, no sady tsy voahaja ny maha-olona”

Jakarta adalah satu2nya kota besar di dunia yg punya hutan kota kuramg dari 10% luas kotanya. Standar intenasional 40%

“Jakarta no tanàn-dehibe tokana manerantany manana velaran-tany maintso latsaky ny 10 isan-jato. Ny takian'ny fenitra iraisam-pirenena anefa  40 isan-jato”

Jakarta juga adaalah kota besar di dunia yg ada Mal di pusat kota yg berjarak hanya 2 meter dari jalan utama ( mal semanggi)

“Jakarta ihany koa no tanàn-dehibe manerantany ahitana tsenambarotra afovoan-tanàna izay 2 metatra fotsiny miala amin'ny arabe (tsenam-barotra Semanggi)

Jakarta adalah satu2nya kota besar didunia yg tidak sediakan trotoar yg manusiawi utk warganya, taman/hutan kota pun minim, parkir apalagi [continued] Sarana gedung2 itu seperti : parkir, tempat ibadah, taman dst…sgt minim bahkan sering tidak ada. Dizinkan semua karena suap ke pemprov DKI

“Jakarta no tanàn-dehibe tokana manerantany tsy manana làlana sahaza ho an'ny mpandeha an-tongotra, vitsy ny toerana azo hijanonan'ny olona sy ny fiara, ary ny fanamboarana fotodrafitrasa  [mitohy]  ho an'ny tobim-piara, trano fivavahana, kianjam-bahoaka, sns… mbola tsy vita ihany koa. Azo atao avokoa ny zava-drehetra satria manao kolikoly ny governemanta”

Seand Munir, araka ny voasoratra ao amin'ny Kompasiana, fikambanamben'ny bilaogy Indonezia, tsy mazava aminy ny antony mbola mahatonga an'i Foke matoky tena ka nirotsaka hofidiana amin'ny fe-potoa-piasana hafa indray

Tak ada sedikit pun prestasi Foke selama memimpin Jakarta. Tak ada rintisan perbaikan dan pembangunan apalagi pengatasan masalah-masalah rutin di Jakarta.

Apakah ini semata-mata benar dugaan orang orang mbawa pencalonan itu berkaitan dengan duit setoran balon ke partai?

“Tsy mba nisy zava-bitan'i Foke nandritra ny fitondrany. Tsy nisy ny fanatsarana sy ny fampandrosoana, tsy lazaina intsony ny olana mahazatra iainana ao Jakarta. Na mety marina ve ny eritreritry ny olona fa  mifototra amin'ny fanampian'ny kandidà ny fety ny fifidianana azy ireo?”

Mpamahana bolongana hafa, Sipiliang, somary nasiaka bebe kokoa.

…Namun Foke tidak memanfaatkan kesempatan itu. Jakarta tambah semrawut. Bahkan untuk meneruskan pembangunan saja tidak. Gubernur berkumis ini malah membuka proyek-proyek baru yang penuh dengan uang setoran. Foke tidak berfokus pada pembangunan manusia Jakarta, yang tentu bukan masyarakat asli saja….

…Lupakan Fauzi Bowo, sekarang kita punya alternatif pilihan yang lebih baik.

“… Tsy nahavita azy i Foke. Nikatso tanteraka i Jakarta. Tsy afaka manohy ny fampandrosoana ny tanàna akory izy. Nefa tetikasam-pampandrosoana vaovao maro no mody asehony miaraka amin'ny vola “voatahiry”. Tsy manana fifantohana i Foke hoentina hampandrosoana ireo Jakartana, izay tsy mponina ao Jakarta ihany.””…Adinoy Fauzi Bowo, efa manana kandidà hafa tsara asolo azy isika.”

Miisa enina ireo kandidà tsiroaroa miaraka nirotsaka amin'ny fifidianana ho governoran'i Jakarta. Ny kandidà hafa dia i Alex Noerdin-Nono Sampono, Hidayat Nur Wahid-Didik Rachbini; anisan'izany ihany koa ny kandidà mahaleotena, Hendardji Soepandi-Ariza Patria ary Faisal Basri-Biem Benyamin.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.