Tonizia: Fihetseham-po Samihafa Tamin'ny Fisovohana Ny Mailaky Ny Praiminisitra

Niditra an-tsokosoko tamin'ny mailaky ny praiminisitra Toniziana Hamadi Jebali tamin'ny 8 Aprily teo ny Anonymous Tonizia (izay milaza fa sampan'ny vondrona mpisovoka (hackers) Anonymous). Hetsika   tafiditra amin'ilay hetsika goavana ” Operation Tunisia Back” (Miverina i Tonizia) io Hetsika Avelao i Toniziako “Operation Touche pas à ma Tunisie” io.

Fangon'ny Anonymous Tonizia

Ny ampitson'ny revolisiona taona  2011, mpikambana ao amin'ny Anonymous manerantany no nikendry ny tranonkala maromaro an'ireo governemanta, izany dia tafiditra amin'ilay hetsika hoe Operation Tunisia. Nanafika ny Islamista Toniziana tamin'ny aterineto ihany koa Anonymous vao haingana. Ankehitriny, namoaka mailaka miisa 2,725 tao amin'ny aterineto ny Anonymous, izay mailaky ny antokon'ny fitondrana Ennahda ao Tonizia, anisan'izany ny mailaky ny praiminisitra.

Niparitaka nanerana ny pejy Facebook ny nomerao findain’ireo olo-panjakana ambony ao amin'ny governemanta. Talanjona tanteraka tamin'izany ny governemanta ary mbola tsy naneho ny heviny hatramin'izao. Nandritra izany, nizarazara ihany ny hevitry ny mpiserasera mikasika ny fahombiazan'ity hetsika ity.

Bassem Meddeb nisioka am-pivitrihana momba ny fitadiavana ireo mailaka an-tapitrasany:

@bmeddeb: Finalement #Anonymous nous a engagé comme détectives! #jbelileaks

Nampiditra antsika ho toy ny mpitsikilo ihany ny #Anonymous! #jbelileaks

Hmid Ben Jemmaa naneso hoe :

@HBJtn: Après le #JbeliLeaks, le bureau politique d'Ennahdha décide de correspondre avec des… pigeons voyageurs.

Taorian'ny #JbeliLeaks, nanapa-kevitra hifanerasera amin'ny alalan'ny… voromailala ny birao politikan'ny Ennahda.

Fangon'ny Hetsika "Tonizia Back"

Na dia izany aza, misy ireo mpisiokantserasera sasany tsy mankasitraka ny hetsika fisovohana.

Hmid Ben Jemmaa nanoratra fa miampanga ny fanafihana izy, ka nanipika izy hoe:

التدخّل الأجنبي في شؤوننا الدّاخلية خطّ أحمر
Làlana tsy azo hiampitàna ny fitsabahan'ny vahiny amin'ny raharaha anatin'ny firenentsika

Nanontany izay mba tombotsoa azon'ny hetsika Anonymous ny Mpianatra ho dokotera Amine Ghrabi, nisioka izy hoe:

@HendrixTN: Petite pensée à tous ceux qui ont gâché leur matinée dominicale à fouiller la boite mail d'un incompétent confirmé ! #JbeliLeaks

Mitodika kely amin”ireo nandany ny Alahady marainany noho ny fitadiavana mailak'ilay voamarina ho tsy haninontsihaninona! #JbeliLeaks
Alkimia nisioka hoe:
@alkimia5550: بجدكم توا معملين تلقاو كارثة في #JbeliLeaks
Tena te-hahita loza amin'atambo ao #JbeliLeaks ve ianao?

Ary nampiany hoe:

@alkimia5550: Anonymous a menacé les Islamistes depuis qq mois.Il ne serait pas malin s'il n'a pas nettoyé

Nandrahona ny Islamista ny Anonymous tao anatin'ny volana vitsivitsy. Tsy mba fetsy ny praiminisitra raha toa ka tsy namafa ny mailakany
Mpianatra Imed Laaridh, mpanohana an'ny Ennahda, nisioka fa mety hamaly ny praiminisitra:

@ImedLaaridh: On est peut être parti pour un tour de piratage réciproque. On trouvera de quoi passer le temps.. #TnPolitics #JbeliLeaks

Mety hanomboka ny fifampisovohana. Hita ny handaniana ny fotoana… #TnPolitics #JbeliLeaks

Avy amin'ny Anonymous Tonizia ity lahatsary manaraka [amin'ny teny frantsay] ity. Mpikambana ao amin'ny Anonymous milaza momba ny  fivoahan'ny mailaky ny praiminisitra, sy ny mbola hamoahana tahirinkevitra marobe amin'ny manaraka:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.