Libanona: Fankalazàna Ny Alahadin'ny Sampandrofia Sy Ny Paska

Fankalazana fety kristianina roa no notontosaina ny 8 avrily 2012 tany Libanona fa nankalaza ny Alahadin'ny Paska ny fiangonana manaraka ny fanisanandro Gregorianina raha mbola mankalaza ny Alahadin'ny Sampandrofia (Sampakazo) kosa ny fiangonana manaraka ny fanisanandro julien. Midika izany fa misy ny kristianina sasantsasany hankalaza ny Paska amin'ny alahady 15 avrily ho avy izao. Amin'ny 2013 dia mbola hifanalavitra kokoa ny fetin'ny Paska roa ireto dia amin'ny 31 Marsa sy amin'ny 5 Mey.

Sietske, vehivavy hôlandey nanambady Libaney no mitantara ny fankalazan'ny fianakaviana ny fetin'ny Paska:

Misy ny fisakafoanana atoandron'ny Paska fanao isan-taona izay ahitana ny fihazana atody ao an-jaridainan'ny rain'ny rahavaviko ara-panambadiana. Tonga ao daholo ny rehetra, na krisitianina na tsia, na fetin'ny Paskan-dry zareo io na tsia (amin'ny alahady ho avy izao vao paskan'ny Orthodoksa). Efa nanamarika aho tany aloha tany fa any Holandy, dia heverina ho vahiny izy ireo eo amin'ny rohim-piahavanana. Fa anatin'ny fianakaviana tsara kosa raha aty. Tonga ihany koa ny zanak'olomirahalahy na mianadahy na mirahavavin'ny rahavaviko ara-panambadiana, tahaka izany ihany koa ny vadin'ny rahalahin-drain'ny mpirahavavy amiko ara-panambadiana. Arakareo ve hatreto? Ary eto ihany koa ny havam-badin'ny rahalahin'ny vadiko ara-panambadiana. Manana anarana iantsoana ny rohim-pihavanana tahaka izany ny eto Libanona. Raha any Holandy ianao tsy hifankahita velively amin'ireo olona ireo, ankoatra ny mariazy na fandevenana. Eto kosa dia mifankahita amin'izy ireo isan-taona kosa aho. Ary mihamitombo ny vondrona, rehefa manambady ny ankizy, ka dia tafiditra ao anatiny ihany koa fianakavian'[ny vadiny]. Misy hatramin'ny 96 taona izahay (3 no mihoatra ny 90) ka hatramin'ny 4-bolana; tahaka ny fianakaviana Italianina. Saingy heveriko fa manana ny mitovitovy amin'izao ny olona monina manamorona an'i Mediterranea; fianakaviana midadasika, fankalazana sy lanonana maro. Ary raha saininao fa monina any ivelany ny atsasaky ny ankamaroan'ny fianakaviana Libaney   (ny an'ny vadiko fotsiny izao – izay vitsy dia vitsy ny fianakaviany dia 3 ny dadatoany, iray ny nenitoany, ary 11 ny isan'ny zanak'olomirahalahy sy mianadahy aminy monina any ivelany), hany ka azonao saintsainina ny mety ho fizotry ny lanonana raha ao an-tanàna avokoa ny rehetra.

Sarim-pianakaviana Paska misy an'i Sietske. Sary hita sietske-in-beiroet.blogspot.com.

Manoratra  i Tarek Joseph Chemaly fa tsy fomba Libaney ny fihazana atody:

Tsy mihaza atody izahay eto Libanona fa “mampikatroka atody” aza ka ampifandonina avokoa ny atody rehetra ka izay iray sisa mijoro no mandresy… Ka tsy maninona izay cholesterol any – satria tsy maintsy hohanina daholo ireny sa ahoana?

Atody voaloko hanaovana paska. Saripika mpisera Twitter @tarekfeghali.

Mandritra izany fotoana izany, mankalaza ny alahadin'ny sampandrofia (sampankazo) ny kristianina Orthodoksa.

Eveka Audi mankalaza ny alahadin'ny sampandrofia, Katedraly Md George, Berota. Saripika mpisera Twitter @LebanonEguide.

Fankalazana alahadin'ny sampandrofia Katedraly Orthodoksa Md George, afovoan-tanàna Berota. saripika mpisera Twitter @antoine_haddad.

Fankalazana Alahadin'ny sampandrofia ao Ashrafieh, Berota. Saripika mpisera Twitter @rimamaktabi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.