Tonizia: Fahatezerana Noho Ny Fandraràna Tsy Hanao Fihetsiketsehana

Naneho ny fahatezerany ny mpiserasera Toniziana noho ny fandraràna ny olona tsy hanao fihetsiketsehana ao amin'ny arabe midadasika Habib Bourguiba ao Tunis, arabe midadasika ao an-drenivohitra izay mitovy lanja amin'ny kianja Tahrir ao Kairo.

Tamin'ny 28 Martsa, noraràn'ny Minisitry ny Atitany ny karazana fihetsiketsehana rehetra, noho ny fitarainana voaray avy amin'ny orinasa momba ny varotra sy ny fizahan-tany miorina manodidina ny arabe. Vao haingana no nisy fifandonana teo amin'ny Islamista sy ny liberaly nandritra ny fihetsiketsehana roa niseho tao amin'io arabe io ary tamin'ny fotoana mitovy.

Arabe Habib Bourguiba. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Tab59 (CC BY-SA 2.0)

Slim Amamou, mpamahana bolongana Toniziana sy Sekreteram-panjakana ho an'ny tanora teo aloha, nisioka hoe:

@slim404: ياخي الداخلية ولات مشرع باش تمنع و تشرع في ألحق الدستوري في التظاهر؟ قالله شارع الحبيب بورقيبة ممنوع.. ملا لغة.. ‎‬#tnac‪‏ ‎‬#tngov‪‏
Nanjary mpanao lalàna ve ny minisiteran'ny Atitany no mandràra ny fihetsiketsehana voalazan'ny lalampanorenana? Nilaza izy ireo fa voarara ny arabe Habib Bourguiba… Tsy misy dikany…

Niantso ny olona hanao fihetsiketsehana izy:

@slim404: حالة الطوارئ توفى غدوة 30 مارس في تونس. تظاهرو! ما تسمعوش كلام الداخلية!
Nifarana tamin'ny 30 Martsa ny “etat d'urgence” na “firenena latsaka an-katerena” tao Tonizia. Andeha hanao fihetsiketsehana! Aza mihaino izay lazain'ny minisiteran'ny Atitany

Mpamahana bolongana sady Wikipediana Habib M'henni namaly ny siokan'i Amamou:

@HabibMhenni: تمديد ضمني في حالة الطوارئ المنتهية آخر هذا الشهر
Nifarana tamin'ny faran'ny volana lasa teo ny fanalavana ny fanambarana ny firenena latsaka an-katerena.

Mpamahana bolongana fanta-daza Azyz Amami, gadra nandritra ny Revolisiona Toniziana namaly an'i Slim Amamou ihany koa:

@Azyyoz: C'est pas la première fois qu'ils le font, ces salauds

Tsy vao voalohany ireto tsy vanona ireto no nanao tahaka izany

Mpamahana bolongana Tounsiahourra nampahafantatra fa efa noraràna ihany koa ny fiaretantory ho fankalazana ny  Andron'ny Tany (journée de la terre):

@tounsiahourra: الداخلية ترفض الترخيص لمسيرة بالشموع غدا امام المسرح البلدي في شارع بورقيبة في يوم الأرض بتعلة ان كل التظاهرات منعت في ذلك الشارع ‎‬#EarthDay
Nandà tsy nanome alalana hanaovana fiaretantory mandritra ny Andron'ny Tany manoloana ny teatra Monisipaly ao amin'ny arabe Bourguiba  ny minisiteran'ny Atitany, nolazainy fa voarara avokoa ny fihetsiketsehana rehetra eo amin'io arabe io.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.