Isiraely: Mitsiky Sy Misioka Ny Sedera Paska Jiosy

Nanomboka ny alin'ny zoma 6 avrily teo ny fety jiosy Fandalovana [fr](paska) ary mifamotoana amin'ny fianakaviany avy ny Isiraelianina an-tapitrisany hanatrika ny sedera [fr], fomba nentin-drazana fiaraha-misakafo. Mialoha ny fisakafoanana ny famakiana ny  Haggada [fr], izay mitantara (ankoatra ny zavatra hafa) ny fandosirann'ny vahoakan'Isiraely avy any Ejipta. Malaza noho ny halavam-potoana ny sedera fandalovana, ary raha manaraka ny lalàna napetraka, dia aorian'ny famakiana ny Haggada sy ny fihirana  mandany ora maro manodidina ny latabatra vao manomboka mihinana. Malaza ho fotoana iarahana amin'ny fianakaviana midadasika, tahaka ny androm-pisaorana amerikana (Thanksgiving), ka miaritra ny fiarahana amin'ny olona tsy azoazo  ao amin'ny fianakaviana ny fotoanan'ny Sedera.

Latabatra mivelatra ho amin'ny Sedera Fandalovana. Saripika Gilabrand, Wikimedia Commons.

Azo nantenaina tamin'ny fitantarany ny zava-niainany nandritra ny Fandalovana Sedera ny mpisioka Isiraelianina, fantatra amin'ny vazivazy fanaony sy ny tsy fahalalany menatra.

Lior Oren nanoratra hoe:

ואין כמו ערב פסח כדי לזכור כי יש אנשים שאין להם היכן לעשות סדר, הם בודדים בביתם. עם בירה. ולקנא בהם.
@alodium: Tsyy misy tahaka ny takarivan'ny Fandalovana hahatsiarovanao ny olona tsy manana toerana hanaovana ny Sedera, ary manirery ao an-tranony izy ireo. Miaraka amin'ny labiera [voarara ny fisotroana azy amin'ny Fandalovana]. Ka mitsiriritra azy ireny

Manoratra i Rotem hoe:

הצעת חוק- כל ערב פסח, בין השעות שמונה לאחת עשרה כל הרציחות יוכרו כאי שפיות זמנית.
@rotemism: Tolo-dalàna – Isaky ny takarivan'ny Fandalovana, ekena ho fahadalàna niserana vetivety ny famonoan'olona anelanelan'ny amin'ny 8 ka hatramin'ny 11 ora alina.

Nanoratra i Avishay:

עוד לא התחלנו וכבר 3 מתי תתחתן ו4 מה עם ילדים
@avishay_b: Mbola tsy nanomboka akory [ny Sedera] dia efa 3 ny “oviana no hanambady ianao?” ary 4 ny “ary ny ankizy?”

Nanoratra i Amir:

השעה שמונה וחצי, ועדיין לא התחלנו. אני הולך להתנצר
@amirimon: Amin'ny 8:30 alina mbola tsy manomboka ihany. Hifindra ho Kristianina aho

Amin'ny fitarafana ny fandraràna ara-pivavahana tsy mahazo mihinana ny mofo aseho mandritra ny herinandron'ny Fandalovana sy ny fiasan'ny Jiosy mpivavaka/mpandala ny nentin-drazana fatratra ho fanadiovana ny fonenany sy manala ny diana mofo rehetra mety hisy ao an-trano no hanaovan'i DKapuchino vazivazy:

סבתא, מצאתי לך פרור לחם בתריסים. את הולכת לגהנום
@dkapuchino: Bebe, nahita poti-mofo tao anaty lambam-baravarana aho. Ho lasa any amin'ny afobe ianao

Nitatitra ny Musician Mux 2000:

שיכור. מפריע לסדר הציבורי לקול מחאות האורחים מהצד היותר רציני של השולחן
@mux2000: Mamo. Nanakotaba ny filaminam-bahoaka tamin'ny feon'ny fimonomononan'ny vahiny eo amin'ny lafiny matotry ny latabatra.

Nanoratra ny mpamahana bolongana Gal Chen:

יחסית לעובדה שהוא מותיר צלקות נפשיות למספר שנים, ליל הסדר ממש קצר
@galchs: Noho ny holatry ny fihetseham-po navelany tamin'ny herintaona, natao vetivety tokoa ny Sedera.

Ary nisy ihany koa ny sioka politika mazava loatra:

Nanoratra i Noa Dror:

לעולם לא אסלח למדינת ישראל על שהשניאה עלי את היהדות כה. חג אביב שמח וסגר נסבל לכולם.
@noa_dror: Tsy avelako mihitsy ny Fanjakan'i Isiraely noho ny nanaovany ahy hankahala ny Jodaisma loatra. Mirary Fetin'ny Lohataona [anarana hafa mahasolo ny Fandalovana] sy fikatonana azon'ny rehetra leferina. [manamafy ny fanakatonana tanteraka ny sisintany Palestinianina nobodoina i Isiraely isaky ny Fandalovana]

Misy ny fomba mamela seza banga iray ho an'ny Mpaminany Elia eo amin'ny latabatra Sederan'ny Fandalovana, ho fanehoana fanantenana ny fiverenany miaraka amin'ny Mesia. Tao anatin'ny taona vitsivitsy dia nisy ny fianakaviana Isiraelianina no nanampy seza banga iray ho an'ilay miaramila Isiraelianina Gilad Shalit, ho fanantenana ny fiverenany ihany koa. Maneso ny Isiraelinanina ny mpanao gazety Yair Tarchitsky raha tarafina amin'io fomba io noho ny tsy firaharahian-dry zareo an'i Ouda Tarabin, Isiraelianina Bedouin izay nigadra any Ejipta noho ny fiampitana tsy nahy ny sisintany.

מרגש לדעת שכמעט בכל בית בישראל השאירו הערב מסביב לשולחן הסדר כיסא ריק לעודה טרבין, הבן של כולנו
@yairtar: Mampihetsi-po tokoa ny mahalala fa saiky namela seza banga ho an'i Ouda Tarabin, zanakalahintsika rehetra [fomba fiteny iraisana ilazana an'i Gilad Shalit] avokoa ny isan-tokantrano eto Isiraely

mpamahana bilaogy Isiraelianina sady mpikatroka ho amin'ny rariny ara-tsosialy Haim Har-Zahav:

אני אף פעם לא אומר את המשפט של ״לשנה הבאה בירושלים הבנויה״, כי אני מקווה שאת הסדר הבא אעשה בישראל ולא בירושלים ‎‫#חי_בגיהנום‪‏
@haimhz: Izaho tsy mba niteny mihitsy ny : “Amin'ny herintaona any Jerosalema” [mamarana ny Sedera, manamarika ny fanantenan'ny Jiosy hiverina avy any an-tsesintany], satria manantena aho fa eto Isiraely amin'ny Sedera  manaraka fa tsy any Jerosalema [izay ny Jiosy manoatra noho ny Orthodoksa no maro an'isa any]. #LivingInHell

Ary misy ihany koa ny sioka miresaka momba ny siotsioka tsy mana-pahataperan'ny Sedera ihany koa:

Mananihany i Dudi Rosenthal:

אישתי כמעט תפסה אותי מצייץ מתחת לשולחן. למזלי גיליתי תושיה ואמרתי לה שאני מאונן
@DudiRosenthal: Saiky nahatratra ahy nisiokantsera ambany latabatra ny vadiko. Soa ihany fa tsy lany fika aho ka niteny fa nimasta

Manoratra i Liron:

עשרים אחוז אגדה. שישים אחוז אינסטגרם וטוויטר. עשרה אחוז ווטסאפ ואסאמאסים. עשרה אחוז לתקשורת עם הסביבה. תם הסדר
@liront: 20% Haggada. 60% Instagram sy Twitter. 10% fifanontaniam-baovao sy SMS. 10% fifampiresahana amin'ny olona manodidina ahy. Nifarana ny Sedera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.