Pakistana : Fihetseham-po Teo Noho Eo Tamin'ny Fahafatesan'Ilay Mpitarika Nasionalista Sindhi

Ny 23 Martsa, Karachi (Sindh) dia nampiatrano fivoriana lehibe ho an'ny fahaleovantenan'i Sindh amin'ny fanjakana ao Pakistana. Ilay fivoriana lehibe dia nokarakarain'ilay Jeay Sindh Qaumi Mahaz (Ho ela velona ny Manda Nasionaly Sindh) teo ambany fifehezan'i Bashir Khan Qureshi izay nanao ny fampielezan-kevitra tamin'ilay fivoriana mba hahazoana fanohanana avy amin'ny olona manerana an'i  Sindh.

Ny tanjon'ilay fiokoana, araka ny nanoritsoritan'i JSQM azy dia ny haneho amin'izao tontolo izao fa i Sindh dia mitaky ny fisintahany amin'i Pakistana, izay nanambara ny fahaleovantenany ny taona 1947. Ilay fivoriana mazava ho azy dia manohitra an'i Pakistana ary inoana fa hanozongozona ny fanjakana ao Pakistana sy ireo rafitra ao aminy.

Na dia izany aza, tokony ho tamin'ny 3:00 ora teo (PST) androany,ny mponina ao Sindh sy tao Balochistan dia nalahelo sy nisaona tokoa tamin'ny fahenoana ilay vaovao tampoka, tsy nampoizina ny amin'ny fahafatesan'i Bashir Khan Qureshi tao Sakrand,tanàna kely ao Sindh.
Ireo mpikambana sy mpankasitraka ny JSQM sy ny hetsika nasionalista dia nampiasa ny filazam-baovao ara-sosialy mba hilazàna fisaonan'izy ireo eo anoloan'ny vatana mangatsiakan'Andriamatoa Qureshi. Inty ny zavatra nalefako sioka taorian'ny fotoana nahenoako ilay vaovao :

@AamirRaz #JSQM ilay mpitarika Bashir Qureshi dia namoy ny ainy nohon'ny fijanonan'ny fony tampoka, tao amin'ny hopitaly tao Sakrand fankasitrahana lehibe hoan'ny nasionalisma #Sindhi !

Twitter dia tena tondraka bitsika ara-bakiteny tokoa tamin'ny filazana ny fahafatesany. Indreto ny santionany tamin'izany :

@AkChishti JSQM dia nodimandry noho ny fijanonan'ny fo . #Sindh

@Senator_Baloch #tena andro mampalahelo ho an'ireo olona voahilika ao Sindh sy ao Balochistan. Very namana fanta-daza iray isika #BashirQureshi RIP

@FahadLaghari Anio ireo mpitolona nasionalista ao Sindhi dia kamboty. Fotoan-dehibe iray no tapitra #JSQM #SINDH

@SherM_BRP Bashir Qureshi dia tena Mpitarika Lehibe tokoa tao #Sindh. Andro tena manjombona ho an'ny mponina ao Sindh. #RIP

@AbdulNishapuri Mirary fiononana feno noho ny fahafatesan'ilay mpitarika #JSQM  Bashir Qureshi. Andro manjombona ho an'ny Pakistana, sy Sindh indrindra indrindra.

@MirShoaib Niala tamim-pahamendrehana ianao…#RIPBasheerKhanQureshi Andro manjombona ho an'ny mponina ao Sindh sy #Balochistan

Fanambaràna mitovy amin'izany ihany koa no nampiakarina matetika be tao amin'ny Facebook. Iffi Raj  no isan'ny voalohany nanome  vaovao sy nanoratra teo amin'ny rindriny :

بشير خان قريشي دل جي دوري سبب انتقال ڪري ويو ….ٽي وي نيوز

Bashir Khan Qureshi maty noho ny fijanonan'ny fony tampoka…. TV news(Sic)

Vishnu Bux:

 Vaovao tena mampalahelo, bashir qureshi dia efa tsy namantsika intsony…. (sic)

Aijaz Ali:

Vaovao tena mampalahelo…Bashir Khan Qureshi avy ao ‘Jeay Sindh’ dia nodimandry noho ny aretina tsy fatam-pototra androany.

Fahad Nizamani:

Vaovao maha ontsa, ilay mpitarika mahery avy ao Sindh  JSQM Bashir Khan Qureshi dia nodimandry noho ny  fijanonan'ny fony tampoka.

Jaddam Sindhu:

اسين جسقم چيئرمين محترم بشير قريشيء جي لاڏاڻي تي ڏک جو اظهار ڪريون ٿا.

Maneho fiononana feno izahay noho ny fahalasanan'ilay mpitarika JSQM  Bashir Qureshi.

Murad Khan:

Bashir khan qureshi, nasionalista matanjaka  Sindhi, nodimandry.

Iffi Raj dia tonga tamin'ny  fanamarihana   ara-pihetseham-po tamin'ilay fahafatesan'ilay mpitarika ilay fikambanana misandrahaka nasionalista lehibe  ao  Sindh, JSQM :

حقيقت ۾ سنڌ ختم ٿي وئي

Raha ny marina dia lavo i Sindh (Sic)

Na dia izany aza anefa , ny ampahany amin'ireo mpanao politika ao  Pakistana hatramin'izay dia efa nahazo taona ankehitriny , ny fahafatesana tampoka nahazo an'Andriamatoa  Qureshi — ary koa, taorian'ny nampalaza azy vetivety tamin'ny fanaovana hetsika fanoherana ny fanjakana  teo afovoan-tanànan'i  Karachi, tamin'ny fangatahana ny fisintahan'ny fanjakana Sindh – nahatonga fanontaniana maro mikasika ny fahamarinan'ilay vaovao milaza fa maty noho ny fijanonan'ny fo tampoka izy . Maro no tsy mino izany , araka ny nambaran'ny sekretera jeneralin'ny antokony  , Andriamatoa Asif Baladi, mety ho novonoina izy  satria  tena fampitahorana be ho azy ireo . Niresaka tamin'ny filazam-baovao Sindhi izy taorian'ilay filazana ilay vaovao mikasika ny fahalasanan'Andriamatoa  Qureshi.

RIP – Bashir Khan Qureshi

Ireo izay manohana ilay hetsika nasionalista tao Sindh sy Balochistan dia afa-mijery fa tsy mazavazava ny fahafatesana  ‘misitery’ ity.

@VeengasJ #BasheerQureshi dia natao ho martiora, tsy fahafatesana natoraly izao. #sindh #balochistan #pakistan

@BalaachMarri misy zavatra tsy mazavazava, tena marina . #Sindh

Sher Mohammad Bugti dia nandefa bitsika hoe :

Maty ny mpanao jadona dia tapitra hatreo ny fanjakany, maty ny maritiora dia manomboka hatreo ny fanjakany #JSQM

AK Chishti, namintina ny fiainan'ilay mpitari-tolona  Andriamatoa Qureshi, ka nandefa sioka hoe :

Ny tenin'i Bashir Qureshi farany dia ny hoe “Tunjho Desh, Munjho Desh, Sindhu Desh, Sindhu Desh!”

Amin'ny maha politisiana azy, Ingahy  Qureshi dia tena manana namana betsaka ary fahavalo betsaka koa ! Amin'izany, ny zavatra iraisan'izy ireo dia ny fanekena fa  ny fahafatesan'io lehilahy io dia ho an'ilay fikambanana nasionalista ao Sindhi . Ny fiainany– hatramin'ny maha mpitarika azy ao amin'ny Federasionan'ny mpianatra ao Jeay Sindh azy, fikambanan'ny mpianatra -miara-dia amin'ny  JSQM, ka hatramin'ny maha mpitarika azy eo anivon'ny JSQM — dia feno fihetsehana ara-politika, ady sy tolona ho amin'ny fahafahan'i  Sindhudesh (anarana natolotra ho fanafahana an'i Sindh). Ity hafatra ity dia toa mavesatra avy aminy tamin'ilay fahombiazan'ilay  Diabe ho an'ny Fahafahana tao  Karachi ny 23 Martsa  2012, izay nanosika ny fitakian'ireo antoko ny fahafahana ho an'i  Sindh hiala amin'ny fanjakana Pakistana.

Ireo voalaza etsy ambony ireo no fihetseham-po voaloahany tamin'ilay fanambarana ny fahafatesan'ilay mpitarika ny JSQM  — satria moa tsy nambara mazava ilay tantara, dia maro ireo zavatra mbola ho avoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.