Fifaninanana Lahatsary Firefox Flicks

Ny fifaninana manerantany Firefox Flicks dia hanome loka ho an'izay lahatsary fampianarana fohy ho an'ny mpiserasera mikasika ny olana momba ny fiainan'olona manokana, ny safidy, ny kirakira afa-mifampiditra sy ny fanararaotra amin'ny aterineto, ary koa ny fomba ahafahan’ ny Firefox hanampy ny olona hiatrika ireo lohahevitra ireo. Efa be ny lahatsary nivoaka izay ahitana ny aingam-panahin'ny mpanatontosa.

Tian'ny Mozilla ho fantatr'izao tontolo izao ny mampiavaka ny Firefox: fikambanana tsy mitady tombombarotra izahay ary mikendry hanatsara ny tanjaky ny Web ho eo ampelantanan'ny olona. Manantena izahay fa amin'ny alalan'ny lahatsary avo lenta no ahafahanay mampahafantatra bebe kokoa ny olana mety hihatra amin'izy ireo, ary indrindra, ny hevitry ny Firefox manoloana azy ireny. Ho ampiasaina amin'ny fanentanana iraisam-pirenena sy ny  filazana samihafa ho an'ny daholobe ny lahatsary mahazo ny loka rehetra.

Takiana amin'ny mpandray anjara ny fahaizana mamorona dokambarotra amin'ny lahatsary fohy na sarimihetsika fohy (tsy mihoatra ny 120 segondra) izay manazava ny antony nanaovan'ny Firefox ny iray amin'ireo sokajy 4: lahatsary dokambarotra 30 segondra, fanentanana, sarimihetsika fohy natao tamin'ny rindrambaiko maimaimpoana, ary filazana ho an'ny daholobe [Public Service Announcement (PSA)]. Misy ny Fampahanfatarana miavaka sy feno izay manazava ny karazana lahatsary azo ekena sy ny masontsivana ilaina hisafidianana ireo lahatsary mandresy, ary ny FAQ (Fanontaniana mahazatra) hamaliana ireo fanontaniana hafa mahaliana. Hatramin'ny 1 Mey no fara-fisoratana anarana.

Vola mitentina 10 000 dolara amerikana no loka lehibe ho azon'izay mpandresy isaky ny faritra: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Etazonia sy Azia, Aostralia & Nouvelle Zélande. Misy ihany koa ny lelavola  5 000 dolara amerika omena ireo izay mandresy amin'ny sokajy 4 isaky ny faritra. Fitaovana fakàna sary na lelavola no loka omena mba hampiasaina amin'ny fandoavana ny saram-pianaran'izy ireo amin'ny sekoly fianarana sarimihetsika na hamatsiana izay tetikasa hoavy momba ny sarimihetsika . Omen'ny Firefox fanomezana ihany koa ireo rehetra mandray anjara amin'ny fifaninanana.

Ho an'ireo mpandray anjara avy any ivelany, ankoatra ny fiteny anglisy, tokony ahitana “script” feno na dika an-tsoratra avokoa ny fiteny hafa ampiasaina amin'ny sarimihetsika, Vonon-kanampy ireo mpandray anjara manana olana amin'ny fandikàna izany ny Firefox.

Efa maro ireo lahatsary nampifaninanina, ka azonao jerena sy fidiana izany ao amin'ny tranonkala firefox. Efa misy ohatra ny lahatsary avy any India, Afrika Atsimo, Korea Atsimo ary Brezila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.