Syria: Nogadraina i Ali Mahmoud Othman, Ilay “Mason'ny Baba Amr”

Mpitolona amin'ny fanatontosana Lahatsary i Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny tranom-piasana fampahalalam-baovao ao Bab Amr, no tratran'ny governemanta Syriana. Nihevitra ny mpiara miasa aminy sy ny namany fa nampijaliana mafy tsy misy indrafo izy. Miteraka loza ho an'ny mpitolona rehetra ao amin'ny tranom-piasana ny fanagadrana azy ary dona mafy ho an'ny olo-tsotra mpampita vaovao ao amin'ny firenena ihany koa.

Othman, izay mpivarotra legioma teo aloha, no nitantara ny fikomiana nisy tao Homs hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona  Syriana.  Nilaina ny fanatrehany izany tamin'ny fitantarana sy famoahana ny ady niseho tao Baba Amr, nanampy ireo mpanao gazety vahiny tamin'ny fivoahana ny faritra ihany koa izy. Nanapa-kevitra nijanona tao Baba Amr anefa izy na dia taoriana ny nakan'ny tafika syriana indray ny faritra aza rehefa vita ny fanapoahana baomba tao anatin'ny telo volana.

Araka ny hevitr'i Mónica G.Prieto, mpitondra tenin'ny tranokala fampahalalam-baovao Espainola Periodismo Humano, “tsy te-handao ny toerana izy raha mbola misy olona iray mijanona ao an-tanàna, nolaviny avokoa ny sosokevitry ny rehetra nangataka azy mba hiala ao an-toerana”.

Ali Mahmoud Othman in Baba Amr, Homs. Image source: Baba Amro News

Ali Mahmoud Othman ao Baba Amr, Homs. Sary avy amin'ny: Baba Amro News

Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho an'i Othman, fantatra tsara amin'ny fiantsoana azy hoe “ny mason'ny Baba Amr,” milaza amin'izao tontolo izao mikasika ny fijalian'ny vahoaka ao Baba Amr. Miresaka amin'ny kamera tsy matahotra ny mety ahafantatarana azy izy. Nanantena izy fa azo antoka tsara ny hafatra nalefany ka ho tonga any amin'ny olona marobe araka izay tratra raha mampiseho ny endriny izy :

Nanangana pejy facebook ireo mpitolona  mba hizara vaovao momba ny toerana misy an'i Ali sy ho fitakiana ny fahafahany. Niantso ny manampahefana Syriana ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety  mba hamoaka an'i Othman tsy misy hatak'andro sy ireo mpanao gazety nogadraina noho ny asany:

Nitantara ny olo-tsotra mpampita vaovao Syriana  fa loza mitatao eo amin'ny fianan'izy ireo ny korontana miseho. Tokony atsahatry ny fitondrana ny hetsika fampihorohoroana azy ireo, ary ajanona ny fitantarana ny fifandonana mahatsiravina

Nanintona ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ny mpanao politika ambony avy amin'ny firenena maro isan-karazany  ny fanagadrana an'i Othman. Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny britanika William Hague nitaky ny famoahana azy:

Miantso ny manampahefana Syriana aho mba hamoaka an'Andriamatoa Othman sy ireo gadra politika hafa tsy misy hatak'andro. Tompon'andraikitra amin'ny fiarovana an'i Othman sy ny fikarakarana azy ny fitondrana syriana ary hambarako mandritra ny fivorian'ny Naman'i Syria ao Istanbul izao tranga mahazo azy izao.

Senatera Amerikana John McCain ni-tweet:

Got reports that Syrian Ali Mahmoud Othman is held & tortured by Assad forces- world must call 4 his release

nahare fa nosamborin'ny tafik'i Assad sy ampijaliany ilay Syriana Ali Mahmoud Othman – tokony hiantso ny famoahana azy izao tontolo izao

Be ny fifampizaram-baovao tao amin'ny Twitter milaza ny fanagadrana an'i Othman, indrindra tamin'ny fampiasana ny tenifototra #freeothman (afahoiothman). Nanango-tsonia ihany koa ny mpiserasera ho fanafahana azy.

Ny mpanao gazety Randa Habib manaitaitra amin'ny loza mitatao amin'i Othman sy ny mpikatroka Noura Aljiwazi, izay nanjavona tao Damaskosy tao anatin'ny andro iray:

Figures of #Syria resistance Ali Mahmoud Othman & activist Noura Al-jizawi, arrested, their live in danger: Reporters Without Borders (RFS)

Voasambotra ny endrika fanta-daza amin'ny fijoroam-panoherana Ali Mahmoud Othman sy ny mpikatrokaNoura Al-jizawi, tandindonin-doza ny ain'izy ireo: Mpitati-baovao Tsy Manan-tsisintany.

Enina andro taorian'ny fisamborana an'i Othman, namoaka izao hafatra izao ao amin'ny Facebook ny namana:

It is the 6th night without Ali's voice or warm words.  It is the 6th night Ali sleeps hands tied, exhausted from torture. It is the 6th night and Ali's name has reached as far as Australia, people demanding for his freedom. It is the 6th night, the revolution has no Ali. One of the heroes of Baba Amr, now a hero of the revolution. His good deeds repeated daily by those he saved from injuries, journalists, friends and family. Freedom for Ali Othman, one of the bravest men to exist.

Izao no alina faha-6 tsy nahenoana ny feo na teny mangan'i Ali. Alina faha-6 an'i Ali tanana mifatotra, reraky ny fampijaliana. Ity ny alina faha-6 fa nahatratra toeran-davitra tahaka an'i Aostralia ny anaran'i Ali, mangataka ny hanafahana azy ny olona. Ity no alina faha-6 tsy nahitan'ny revolisiona an'i Ali. Iray amin'ny olomangan'i Baba Amr, ankehitriny olomangan'ny revolisiona. Averimberin'ireo novonjeny tao anatin'ny ratra, mpanao gazety namana sy havana isan'andro ny asa tsara vitany. Fahafahana ho an'i Ali Othman, iray amin'ny olona sahy indrindra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.