Matin'ny Bala Iray i Ahmed Ismael, Tsy Toy Izany Kosa Ireo Lahatsariny

Rehefa miresaka mikasika ireo olo-malazan'ny tolona ho amin'ny fahalalahana, dia mahatsiao foana an'ireo olon-tsotra mpitati-baovao aho. Ireny tanora lahy sy vavy izay mampakatra lahatsary sy fanavaozam-baovao anaty aterineto ireny mba ho hitan'izao tontolo izao no tena mahery fo marina tokoa. Tsy zavatra mora akory izany hoe eny anivon'ny famoretana ataon'ny polisy izany sady mandrakitra anaty lahatsary sy saripika. Ireny mpiady tsy mitonona anarana ireny no mahery fo manan-daza ho ahy.

Ahmed Ismael, 22 taona, dia iray amin'ireny mahery fo ireny.

Ny 31 Martsa dia nisy nitifitra teo ambanimbanin'ny kibony i  Ahmed. Ora vitsy taty aoriana dia nambara fa maty izy. Nolazain'ny Ministeran'ny Atitany Bahraini fa ny fahafatesany dia noho ny ratra vokatry ny bala tokana nahavoa azy.
Na dia andro maro aty aorian'ny zava-nitranga aza no anoratako ny lahatsoratro, dia manana ny antony mazava tsara niandrasako anefa aho. Mba niandry ny governemanta Bahraini hamoaka fanambarana hafa aho mikasika ny fahafatesan'i Ahmed. Hatramin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, mandà ny hanao sonia ny taratasy handraisana ny vata mangatsiakany ny fiakavian'i Ahmed. Ny taratasy ofisialy dia milaza fa hoe olona tsy fantatra no nitifitra an'i Ahmed.

Nahoana i Ahmed no notifirina?
Araka ny filazan'ireo nanatri-maso, nitazona kamera i Ahmed tamin'ny fotoana nahavoatifitra azy. Tanaty fiaran'olon-tsotra ilay mpitifitra. Mahatonga ahy hisaina izany fa efa nokinendry mialoha i Ahmed. Tsy mpanao hetsi-panoherana tsotra fotsiny i Ahmed. Olon-tsotra mpampita vaovao ikoizana izy no sady mpamokatra lahatsary koa.
Na dia sehatra maimaim-poana azon'ny mpampiasa azy rehetra hampakarana lahatsary aza ny YouTube, ny ainy kosa no nentin'i Ahmed nandoa ny saran'ny fampakarany lahatsary momba ny fanitsakitsahan'ny mpitandro filaminana ny hafanam-pon'ireo Bahraini mpanao hetsika am-pilaminana.
Vitan'ilay bala tena izy ny naka tsy nisy olana ny ain'i Ahmed, saingy kosa tsy ho vitan'ny fitondrana mahery setra Bahraini velively ny hanidy ny fantson'i Ahmed ao amin'ny YouTub. Tiako ny mba hizara aminareo ny sasantsasany amian'ireo lahatsary nakariny (amin'ny teny angisy):

Fijoroana vavolombelon'ireo naratra tao amin'ny hopitalin'i Salmaniya

Karazana fononà baomba mandatsa-dranomaso nampiasaina tao an-tanànan'i Salmabad

Ny fidiran'ireo mpitandro filaminana Bahraini tao an-tanànan'i Salmabad

Tsy nihemotra mihitsy i Ahmed hatramin'ny fofon'ainy farany. Nofikiriny hatrany ny kamera nihoson-drà teny aminy talohan'ny nahafatesany. Ny famoizana azy tampoka dia tsy hoe fotsiny fahabangana ho an'ny fianakaviany, fa koa fahabangana ho an'izao tontolo izao. Namoy lehilahy tanora iray isika, izay niniana hamoaka hatrany ny marina.

Mbola miandry hatrany ny valinteny avy amin'ny governemanta momba ny fanontaniana avy amiko aho: iza no namono an'i Ahmed? Mety ho fotoana ela io, na mety tsy hitranga mihitsy koa aza. Mihaza ny olon-tsotra mpampita vaovao va re ny governemanta eto Bahrain?

Ny kamera nampiasain'i Ahmed, nihoson-drà

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.