Miezaka Ny Hiditra Indray Ao Shina Ve Ny Facebook?

Niverina avy any Shina ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg. Maro ireo mpanao gazety tany an-toerana sy ireo mpiondana aterineto no nahatsikaritra azy sy ny sipany, Priscilla Chan, tao Shanghai tamin'ny Talata lasa teo, 27 Martsa, ary indray mandeha indray, niparitaka toy ny afo ny honohono tany anaty aterineto: Mikarakara ny hiverenany indray ao Shina ve ilay mpanjakan'ny tambajotra sosialy?

Na dia nolazain'i Zuckerberg fa fitsangantsanganana fialantsasatra fotsiny aza iny, dia tsy matoky loatra an'izany ireo mpiondana aterineto ao Shina sy erak'izao tontolo izao.

Star Chan, avy amin'ny bilaogy the M.I.C. Gadget, dia nampakatra lahatsoratra tamin'io Talata io :

Tamin'ity tolakandro ity, tsikaritry ny sasany tamin'ireo paparazzi Shinoa ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg sy ilay  Shinoa vavy fofombadiny, tao  Shanghai, araka izany dia niverina indray taty Shina i  Mark Zuckerberg! Fitsangantsanganana miala sasatra sa fitsidihana noho ny fandraharahana? Raha ny honohono ao an-toerana, Mark Zuckerberg sy  ny tale jeneralin'ny Apple,Tim Cook (ieee! aty Shina koa i Cook!) dia niara-dàlana tanaty sidina manokana tamin'ny dian-dry zareo ho aty Shina.

Ny fidirana amin'ny Facebook dia voarara ao Shina hatramin'ny tapaky ny taona 2009, rehefa nanao ny tsoa-keviny ireo manampahefan'ity firenena ity fa hoe ireo olona nandray anjara tamin'ny korontana niseho tany amin'ny faritany andrefan'i Xinjiang dia nanmpiasa ny tambajotra sosialy handrindràna ny hetsi-panoherany.

Tamin'ny Febroary anefa,  Facebook dia nampahafantatra fa mijery ny fomba hahafahany misokatra indray any Shina izy, ilay tsena midadasika indrindra eran-tany ho an'ny Aterineto, ary ankehitriny i Zuckerberg dia nitsidika ny firenena tamin'ny “fialantsasatra” ofisialy.

Ny bilaogy hafa, toy ny Shangaiist, Ministry of Tofu sy TechNode, dia niresaka ihany koa ny fitsidihan'i Zuckerberg.

Gang Lu, ao amin'ny TechNode, nanoratra hoe :

Tena mahaliana tokoa izany. Ny goavana roalahy, misol tena ireo orinasa matanjaky ny teknolojia eto an-tany. Izy mitsamy samy mitsidika an'i Shina amin'ny fotoana iray mitovy. Ny iray ao Beijing, ny iray ao Shanghai; Ny iray ho amin'ny fandraharahàna, ny iray hiala sasatra; Ny iray vao sambany no teto Shina, ny iray hafa efa fivahinianany fanindroany ary mba mahatakatra kely ny teny Shinoa ihany; Ny iray nampiroborobo ny fandraharahàny teto Shina tamin'ny hafainganam-pandeha tsy hay faritana, ny iray hafa efa nahazo ny fon'ireo mpampiasa ny habaka aterineto eran-tany saingy tsy mbola azo idirana foana aty Shina.  Nefa ilokàko fa teny fanalahidy iray no mameno ny lohan'ireo amin'izao fotoana, dia ny hoe: Shina, Shina!

Ny Alarobia, Liu Kun [zh], mpitantana  ny PopCap Games [zh] ao Shina, dia nitny tao amin'ny tambajotra sosialy Shinoa, Sina Weibo, fa hoe nahita an'i Zuckerberg tao Beijing sy ny asa nataony izy izay tsy misy ieritreretana mihitsy hoe resaka fialan-tsasatra

Mark Zuckerberg hita tao Beijing. Sary an'i Liu Kun

@Liu KunFacebook CEO 马克.扎克伯格!他离我仅3米的距离。现场实拍。Mark Elliot Zuckerberg!他来北京是解决VPN么?@李菁rekin9 @植物大战僵尸 @赵迅PopCap @ANDY田行智 @蒋涛CSDN @龙伟-大众点评 @宋炜

@Liu Kun Ny tale jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg! Telo metatra fotsiny no elanelana nanasaraka azy tamiko. Sary avy eny an-toerana. Mark Elliot Zuckerberg! Tonga eto Beijing hamaha ny olan'ny VPN va re? VPN [Virtual Private Network : [Asking]: @李菁rekin9 @植物大战僵尸 @赵迅PopCap@ANDY田行智 @蒋涛CSDN @龙伟-大众点评 @宋炜

Ny fitsidihana farany nataon'i Zuckerberg tao Shina dia efa tany amin'ny Desambra 2010 ary mbola nolazaina ihany koa fa nanao fialantsasatra, na dia nanao fihaonana maro tamin'ireo orinasa Shinoa misahana Aterineto aza izy, toy ny Baidu, Sina  sy Alibaba.

Ny mety ho fahafahana mahita indray ny famahàna ny fidirana amin'ny Facebook dia nampitsiry ny fanantenana ho an'ireo izay maniry ny hahita fiovàna ara-tsosialy sy ara-politika eto amin'ity goavana aty Azia ity. Misy hevitra miparitaka be fa hoe ny media sosialy -na izany ao an-toerana, na manerana izao tontolo izao- dia afaka manome hery ny vahoaka Shinoa, fahefana izay nolavin'ny Antoko Kaominista Shinoa tsy homena azy ireo. Ny media sosialy ao an-toerana dia efa manao fanamby sahady amin'ny fanarahamaso ny vaovao ampiharin'ny governemanta ary maro ireo Shinoa mpiondana aterineto no maika hiditra amin'ireo tambajotra sosialy maneran-tany. i Zuckerberg izy tenany no nilaza fa  Facebook dia afaka ny ho singa mitondra fiovàna  ao Shina, tahaka izay nisy tany Ejipta sy Tonizia.

Alec Ross, Sekreteram-panjakana Amerikana Lehiben'ny mpanolotsaina momba ny Fanovàna, dianiteny mikasika an'i Shina tao amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong tamin'ny 19 Martsa. Rehefa nanontanian'ny mpianatra iray mikasika ny fangatahan'ireo Shinoa mpiondana aterineto ny mba hanosehan'ny governemanta Amerikana ny manampahefana Shinoa hampiato ny sivana sy ny teritery, namaly i  Ross tamin'ny fomba tena diplaomatika fa ny tantara dia mampiseho fa ny fiovana ao Shina dia avy amin'ireo olom-pirenena ihany no miainga ary afaka manampy betsaka amin'izany ny tambajotra sosialy.

Ny fifanakalozan-dresaka nateraky ny fitsidihan'i Zuckerberg tao Shina dia tsy nifantoka fotsiny tamin'ny Indostrian'ny Aterineto fa koa tamin'ny resaka sivana, fahalalahana maneho hevitra sy ny fanantenana-na tsia- hahita ny Facebook ho afa-patorana.

William Moss, avy amin'ilay bilaogy iray ifanotronana, Rectified.name, dia naka sary an-tsaina ny mety ho endri-dalao sy izay mpandray anjara manodidina ny ho fiverenan'i Facebook indray ao Shina, ary namorona tabilao iray izay anehoany fa ny firesahana ny Facebook sy Shina dia midika ho firesahana politika sy fahalalahana maneho hevitra:

Ny lalan-jotran-kevitra tokony ho izy dia hoe mba hananana vintana hisokatra eto indray, Facebook dia tokony hampihatra ny politikan'ny sivana efa napetraka  ho an'ireo tena mpanjifa ny tolotra fototra omeny ao Shina fotsiny na ho an'ireo tolotra fanampiny ankoatra ilay tolotra fototra. Tokony koa izy ho efa vonona hanome n y mombamomba ireo Shinoa mpampiasa azy raha takian'ny manampahefana ny amin'izany.

Ny lahatsoratr'i Star Chan ao amin'ny M.I.C. Gadget koa dia manamarika hoe:

Ary tolorana fisaorana ireo Shinoa rehetra mpampiasa ny bilaogy kiritika avy ao amin'ny Sina Weibo [zh] izay naka ireo sary rehetra! […] Tsy maintsy marihana ihany koa fa tsy afaka ny hampanaraka ny toetrandro ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook i Zuckerberg mandritra ny fijanonany ao Shanghai, noho ny fisian'ny Great Firewall of China na ilay Rindrim-be ao Shina– raha tsy ohatra ka hoe mampiasa VPN izy.

Na dia hoe voasakana azo ny Facebook, manodidina ny 450.000 ireo mpampiasa Aterineto ao Shina–araka ny filazan'ny socialbakers–no tafiditra amin'ilay tambajotra sosialy amin'ny fihoarana ilay rindrim-be amin'ny fampiasàna proxies, tonelina na rindrambaiko VPN, fomba iray izay tsy ato ho ato no ho foana, raha ho izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.