Rosia: Mba Hampangarahara Kokoa Ny Fampiasàn'ny Irak'i Etazonia Ny Twitter

Michael McFaul, Masoivohon'i Etazonia (US) any Rosia, nampiasa ny kaonty Twitterany tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity mba hanehoany ny ahiahiny fa voahitsakitsaka ny arofenitra diplomatika rehefa nahita ny fandaharam-potoanany nivoaka tany amin'ny mpanao gazetin'ny fahitalavitra NTV ny fandaharam-potoanany, tetikasa mikasika na orinasa mpamokatra entona voajanahary, Gazprom an'ny fanjakana.

Efa niresadresaka mikasika ireo ezaky ny fitondran'i Obama hanamora ny fangaraharàna ao anatin'ny fifandraisan'i Rosia sy i Etazonia avy amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny media sosialy ny Global Voices rehefa nanao fianianana ny Ambasadaoro McFaul tamin'ny Janoary lasa teo. Taorian'izay, naka sary ilay fifanoheran-kevitra nalefan'ny famoronana kaonty Twitter tsy tena izy an'i McFaul ny Global Voices izay nampanontany ny fanekena ny fifidianana Filoham-pirenena Rosiana tamin'ny Martsa 2012.

Tamin'ity herinandro ity, ny 29 Martsa, maro ireo olana nipoitra, anatin'izany ny : 1) ny fampiasàna ny kaonty Twitter manokana iray ana diplaomaty ambony ho fitaovam-pifandraisana mivantana amin'ny vahoaka, 2) fanatsaràna napetraky ny Fifaneken'i Vienna, izay mamela ny hiarovana ireo diplaomaty any amin'ny firenena ivelany, ary 3) Ny fanambarana nofidian'ny Ambasadaoro McFaul sy ny fitsipi-panoratany raha niresaka tamin'ny mpanao gazetin'ny NTV ny tenany.

Nifandefa Bitsika ny Ambasadaoro McFaul sy ilay mpifanerasera amin'ny Mpiambina an'i Môskoa, Miriam Elder, ny Alakamisy hariva, izay nandefasan'i Ramatoa Elder lahatsary fohy mikasika ny tafatafan'ilay ambasadaoro tamin'ireo mpanao gazetin'ny NTV.

Miriam Elder, 1:30 pm:

Mizotra mankany amin'ny metro. Nifanojo tamin'i @McFaul izay nitangoronan'ireo olona milaza ho avy any amin'ny NTV http://twitvid.com/9VF6I

Michael McFaul, 5:08 pm:

@MiriamElder [Tongasoa] ato amin'ny fiainako. Manan-jo haka lahatsary ahy eny na aiza na aiza ny mpanao gazety. Nefa manan-jo hamaky ny mailako sy hiaino ny findaiko ve izy ireo?

Miriam Elder, 5:40 pm:

[…] Marina tokoa. Ary ny zavatra tsy azoko dia ity: raha hafetsena alohan'ny fifidianana fotsiny ihany ilay fanao mankahala an'i Etazonia, nahoana izy ireo no mbola mihaza anao?

Michael McFaul, 6:05 pm:

@MiriamElder fanontaniana mahaliana.

Namelabelatra lalina kokoa mikasika ny fihetsik'ireo mpanao gazety mikasika azy ny Ambasadaoro McFaul avy amin'ny alàlan'ny kaonty Twitterany.

2:43 pm:

Na aiza na aiza alehako dia eny foana ny NTV. Manontany tena aho hoe iza no nanome azy ireo ny fandaharam-potoanako? Tsy mety hilaza amiko izy ireo. Manontany tena aho hoe inona ny lalàna aty manoloana ny trangan-javatra tahaka izany?

5:10 pm:

Manaja ny zon'ny mpanao gazety handeha na aiza na aiza & anontany na inona na inona aho. Nefa moa ve izy ireo manan-jo hamaky ny mailako sy hiaino ny findaiko?

5:14 pm:

Rehefa nanontany an'ireo mpanangom-baovao ireo ny fomba nahalalany ny fandaharam-potoanako aho, tsy nahazo valiny. Fahanginana sahala tamin'ny fotoana nifankahitako tamin'izy ireo nandritra ny fihaonako tamin'i Chubais no reko.

Avy eo dia naka fotoana vitsivitsy izy niresahany ireo hetsika ara-diplomatikam-panjakana nataony tamin'io tontolo andro io, tanatin'izany ny fihaonany manaraka tamin'ny Patriarkan'ny Fiangonana Ortôdôksa Rosiana.

5:27 pm:

Niasa niaraka tamin'ny Sekretera lefitra Gottemoeller, nanatrika fihaonana nahazoam-bokatra tao amin'ny Minisiteran'ny Tafika sy ny Vaomieran'ny Fiarovana androany. Henjana ny raharaha, nefa nisy ny firahalahiana.

12:38 am, March 30:

Voninahitra ho ahy ny hihaona amin'ny Patriarka Kirill I, Patriarkan'i Moskoa sy Rosia iray manontolo sady Lohan'ny Fiangonana ôrtôdoksa Rosiana rahampitso

Manamafy ny fampiasàn'ilay Ambasadaoro McFaul an'ilay teny “tsy mahalala fomba” ny NTV [ru] – izay tsikaritr'ilay tambajotra ho manafitohina – rehefa nanely ny fifandraisany tamin'ireo mpanao gazety izany tamin'ny Alakamisy hariva. Nanisy rohy [ru] iray mankany amin'io lahatsary io ny mpampiasa Twitter Andrew Ryvkin anatina bitsika amin'ny teny Rosiana:

Смотрю видео, как НТВ занимается харассментом посла США. НТВ, конечно, редкостные уёбища. Просто поразительно. http://t.co/YWtAblzW

Mijery izany lahatsary ity lahatsary ity aho, ny fomba fanelingelenan'ny NTV an'ilay Masiovohon'i Etazonia. Tena adala tsy fahita firy mihitsy ny NTV. Mahagaga tsotra izao. http://t.co/YWtAblzW

Namaly ilay Ambasadaoro ka nilaza fa tsy mampitaha an'i Rosia amina firenena izy, fa amin'ireo hetsika nà mpanao gazety vitsy:

Vao avy nijery ny NTV. Diso ny fiteniko noho ny Rosianiko ratsy. Tsy “firenena tsy mahalala fomba” no tiako notenenina fa te-hilaza ny hetsika nataon'ny NTV ho “tsy fahalalam-pomba”. Manaja tanteraka an'i Rosia aho.

Nanoratra momba ny valin-tenin'ny Trano Fotsy mikasika ity raharaha ity ny Bilaogin'ny Yahoo News:

Nitaraina amim-panajana tamin’ i Moskoa i Etazonia tamin'ny Zoma fa ny mety hampidi-doza ny Ambasadaoro Michael McFaul, andro iray taorian'ny namaritany an'i Rosia ho “firenena tsy mahalala fomba2 sy ny fampiangany fa misy mpandefa vaovao avy any an-toerana mety miditra an-tsokosoko any amin'ny mailakany, mitsikilo ireo resaka ao anatin'ny findainy sy manara-maso ny fihetsiny.

“Naneho ny ahiahinay mikasika ny fiarovana ny Ambasadaoro amin'ny governemantan'i Rosia izahay,” hoy ny Departemantam-panjakana tanatina  fanambarana fohy iray.

Mamiseho karazana fanindrina ireo lohateny hita any amin'ny fandrakofana mahazatra an'io tranga io:

Farany, namerina nitoraka bitsika ny fandinihan'i Rose Gottemoeller mikasika ny vanim-potoana iainantsika ilay Ambasadaoro ny Zoma hariva:

Matetika dia mitranga eny ankalamanjana ny #diplomacy, ary amin'ny hafainganam-pandeha raitra. Niova izao tontolo izao ary tsy maintsy miaina amin'ny zava-misy vaovao isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.