Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza.

Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny zo mitranga amin'izao fotoana izao manerana an'i Kambôdza. Voamarika teboka mena ao amin'ny sarintany ny fanitsakitsahana zon'olombelona voarakitra farany indrindra vantany vao tafiditra amin'io sokajy io. Azonao atao ny mikaroka amin'ny alalan'ny sokajy zon'olombelona, niharam-boina, heverina ho mpanitsakitsaka, tranga, toerana ary daty

Sithi's Violation Map

Niakatra tokoa tao anatin'ny taona vitsivitsy izao ny adin-tany ary ny maro amin'izy ireo dia mifandraika amin'ny tetikasam-pampandrosoana izay mamindra toerana mponina an'hetsiny

Araka ny fikarohana nataonay, 223 ny adin-tany voatatitra eny amin'ny seha-pajakana nandritra ny efa-taona hatramin'ny 2007…Ny faritany ahitana adintany be indrindra, araka ny hitanay, dia i Phnom Penh ahitana ny 10%-n'ny adintany ao amin'ny faritany ahitana ny renivohitra sy tanàna lehibe indrindra.

Adin-tany any Kambodza

Efa namoaka lahatsoratra momba ny fampanofàna tany be velarana mampanontany tena any Kambodza ny gazety mivoaka isan'andro Weekend

3.936.481 hekitara no nampindramina hanaovana fitrandrahana sy fambolena, izay mandrakotra ny 22 isan-jaton'ny velarantany Kambojiana

1.900.311 hekitara nampindramina hotrandrahin'ny orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany tahaka ny volamena, akoramby, varahina ary baoksita

2.036.170 hekitara nampindramina hanaovana fambolena ara-indostrialy tahaka ny fingotra, siramamy sy mangahazo, velarantany mahatratra ny 53 isan-jaton'ny tany azo ambolena any Kambodza

346.000 hekitara amin'ny tany nampindramina dia ao anatin'ny faritra arovana tantanin'ny minisiteran'ny tontolo iainana. Io velarantany io dia eo ho eo amin'ny 10%n'ny tany arovana ambany fitantanan'ny minisitera

400.000 ny isan'ny olona tratran'ny adintany tany amin'ny faritany 12 hatramin'ny 2003, araka ny loharanom-baovao avy amin'ny Licadho, ary ny ankamaroany rehefa natao ho amin'ny fampindramana hotrandrahina ny faritra misy azy ireo

Eto ambany ny fanehoana an-tsarintany ny toerana namoanoana mpanao gazety any Kambodza

Famonoana ny Media ao Kambodza

Ny Global Voices dia efa nanasongadina ny fametrahana an-tsarintany ny fonja ataon'ny Licadho, vondrona mpiaro ny zon'olombelona ihany koa. Eto ambany ny fanaovan-tsarintany ny vondrona mpiaro ny fahalalaham-pitenenana

Fanaovana an-tsarintany ny fahalalaham-pitenenana

Sarintany Hafa

Azo jerena ihany koa ny sarintany ahitana ny Mpikambana ao amin'ny Parlemanta. Tamin'ny volana lasa teo dia naseho vahoaka ihany koa ny fotoanan'ny fahatapahan-jiro nitranga tao Phnom Penh. Misy ihany koa ny sarintanin'ny lalana, hotely fisakafoanana, sampan-draharaham-panjakana, tranombarotra ary hotely fatoriana ao Phnom Penh. Misy koa vohikala navoaka hanarahana ny fotodrafitrasam-pampandrosoana ao Kambodza sy ny lohahevitra mifandraika amin'ny fampandrosoana. Mandritra izany fotoana izany, mitaraina amin'ny fahalafosan'ny sara idirana ao amin'ny Arsivam-Pirenena ny mpikaroka momba ny sarintany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.