Ghana: Ampiasaina Ny Fifampitam-baovao Antserasera Mandritra Ny Fifidianana 2012

Efa vonona ny Ghaniana hiatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 7 Desambra 2012, nampahafantatra ny fanapahan-keviny miompana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ny fikambanana BloggingGhana izay mikendry hampiofana ireo mpanohana ny fifidianana amin'ny fampiasana ireo fitaovana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ho fanaraha-maso sy ho fitaterana ny fizotry ny fifidianana.

GhanaBlogging dia vondrona mpamahana bolongana ao anatiny/ivelan'i Ghana izay mibilaogy momba an'i Ghana.

Nana Sarpong , mpanao gazety Ghaneana amin'ny onjam-peo iray, izay sady mpanoratra no mpamahana bolongana, nanoratra mikasika ny fampahafantarana izany fanapaha-kevitra izany:

 

Sary famantarana ny tetikasa "Ghana Decides" (Manapa-kevitra i Ghana). Sary avy amin'ny: pejy Facebook Ghana Decides.

Natomboka androany tao Windy Lodge, Winneba ny Tetikasa “Ghana Decides – BloGh Election 2012″. Fanahapaha-kevitra avy amin'ny  BloggingGhana ny Ghana Decides, ny tanjona dia mampahafantatra amin'ny ONG, amin'ny fiarahamonim-pirenena isan-karazany, amin'ny mpianatra mpianatra (indrindra ireo sambany hifidy), vondrona politika ary ny vahoaka Ghaneana amin'ny ankapobeny  mikasika ny maha-zavadehibe sy ny tombontsoa amin'ny fampiasana ny fitaovana momba ny fifampitam-baovao antserasera mandritra ny fididianana ao Ghana. Ny fampandraisana anjara ireo fikambanana sy olo-tsotra ireo no tanjon'ny tetikasa, ka manazatra azy ireo amin'ny fampiasana izany fitaovana izany sy mamorona sehatra azo antoka ho fanaraha-maso ny fifidianana ao amin'ny firenena.

Tanora mpifidy mampiseho ny kara-pifidianany. Sary avy amin'ny kaonty Flickr Ghana Decides .

Notohizan'i Nana toy izao ny fanazavany:

Toy ny ankamaroan'ny tetikasa mampanavao, dia ao an-drenivohitry ny firenena ihany koa no mitoetra ny Ghana Decides, mihevitra ny hanao izay azony rehetra ataony hivoaka an'i Accra. Nahitana mpandray anjara avy amin'ny mpianatry ny lisea ao Winneba, ny sendikà ao an-toerana misahana ny olona sembana ara-batana ao Winneba sy ireo olona hafa manana kilema, mpianatra eny amin'ny Sekoly Ambony manofana mpanabe, Winneba, ary ny ONG tahaka ny Plan Ghana ary ny olon-drehetra amin'ny ankapobeny ny fitokanana azy miaraka tamin'ny lohahevitra hoe Fandrisihana ny Fandraisana Anjaran'ny Tanora Mahara-Baovao mandritra ny fifidianana taona 2012.

Manamarika ny fisokafan'ireo andiana atrikasa Ghana Decides amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto amin'ny fomba ofisialy ny fampahafantarana natao, anisan'izany ny fanentanana hisoratra anarana amin'ny aterineto na “iRegistered” izay mikendry hanentana ny tanora mpifidy mba hiaraka maromaro, hisoratra anarana ary maka horonantsary na sary eo ampanantanterahana izany na aorian'ny fisoratana anarana. Ankehitriny, malaza ny tenifototra #iRegistered ao amin'ny Twitter.

Ity sary eto ambany avy amin'ny Youtube Ghana Decides ity dia mampiseho ny fizotry ny fisoratana anarana nataon'ireo ho mpifidy ao Ghana.

Ghana Decides nanazava misy kokoa ny momba ny fandraisana an-tanana #iRegistered:

Amin'ireo zavatra karakarain'ny Ghana Decides, ny fanentanana ‘#iRegistered’ mba ahafahan'ireo Ghaneana hisoratra anarana ho toy ny Vaomiera misahana ny Fifidianana [Electoral Commission (EC)] , izay efa nanomboka ny fisoratana anarana biometrika ho an'ny mpifidy.

Ahitana dingana 4 tsotra ny #iRegistereds;

1. Ghana Decides nanome vaovao mikasika ny fisoratana anarana biometrika ao amin'ny tranokalany (http://ghanadecides.com). Ahitana boky kely misy vaovao mikasika ny fomba fisoratana anarana biometrika ihany koa ny tranokalan'ny Governemanta ao Ghana (http://ghana.gov.gh). Iangaviana ny Ghaneana rehetra hamaky izany, mba hahafantatra sy hizara izany vaovao izany amin'ireo fianakaviana, namana ary ny olona anivon'ny fiarahamonina..

2. Mandefasa tweet na mandefasa hafatra ao amin'ny Facebook na Google+, ilazao ny namanao sy izao tontolo izao mikasika ny fomba fisoratana anarana sy ny tokony ampiasana ny tenifototra #iRegistered sy #GhanaDecides rehefa hisoratra anarana.

Ny Tetikasa Ghana Decides dia hita ao amin'ny YouTube, Twitter, Flickr ary Facebook.

Ny fifaninanana lehibe amin'ny fifidianana atao amin'ny volana Desambra 2012 dia mikasika ireo antoko politika roa lehibe indrindra ao Ghana, ny antokon'ny fitondrana (Kongresy Nasionaly Demokratika) National Democratic Congress (NDC) sy ny antokon'ny mpanohitra matanjaka indrindra (Tia Tanindrazana Vaovao) New Patriotic Party (NPP).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.