Mankalaza Ny Fifidianana Vita Am-pilaminana I Sénégal Ka Mampistsiriritra Ireo Mpifanolo-bolodirindrina Aminy

Taorian'ny faharesena tsy azo nolavina nanaraka ireo fifidianana nokarakarain'ny fitondrany, dia niantso ny mpifanandrina taminy an-telefaonina ny filoha amperin'asa iray taminà firenena afrikana iray mba hiarahaba azy noho ny fandresena azony, na dia mbola tsy nivoaka ofisialy aza ny tena vokatra. Zavatra tsy fahita izany hatramin'ny nahazoan'ireo firenena afrikana ny fahaleovantenany. Kanefa dia izany no zavatra niseho tao Sénégal. Eny, taorian'ny fahareseny nanoloana ny praiminisitra teo ambany fiadidiany fahiny, sady mpifaninana taminy,  Macky Sall, ny 25 martsa 2012, ny Filoha Me Abdoualye Wade, dia niantso ilay efa tsinjo fa ho mpandresy mba hiarahaba azy.

Place de l'obélisque, an'i Nd1mbee ao amin'ny Flickr ary nahazoana alàlana taminy

Mankalaza ny fifidianana natao tanaty filaminana ry zareo Senegaly, izay nahafahana namoaka ny fifandimbiasana politika. Na izany aza dia misy ihany ny mampanahy manoloana ireo herisetra nialoha ny fifidianana. Samy naneho ny fahafaham-pony daholo na ny olo-manan-kaja na ny olon-tsotra.

Ity mpamily fiarakaretsaka ity izao dia nandihy tampoka mihitsy teny an-dalamben'i Dakar :

http://www.youtube.com/watch?v=Ch9UoFdL5ak&feature=related

Ilay mpihira Youssou N'Dour, izay nanao fampielezan-kevitra ho an'i  Macky Sall, dia naneho hevitra mikasika ny vokatra ihany koa ao anatin'ity lahatsary ity :

hatramin'ilay mpahay taozaitra Diouma Diakhaté

http://www.youtube.com/watch?v=SlWePG_uEu8&feature=related

Ny fitosaky ny fanehoan-kevitr'ireo fampahalalam-baovao sy ny mpiondana aterineto dia tsy ritra mihitsy hatramin'ny nivoahan'ny vaovao mikasika io antso an-telefaonina io. Ary marobe ireo nanonofy ny hisian'ny fifandimbiasa na toy izany ao amin'ny firenen-dry zareo.

Gabon 

Maneho hevitra taminà lahatsoratra iray nosorata'i Steve Beko nivoaka [fr] tao amin'ny Gabon Libre nitondra lohateny hoe “ELECTION DE MACKY SALL AU SENEGAL – (NY NIFIDIANANA AN'I MACKY SALL TAO SENEGAL) : Les premières leçons d’une victoire (Ireo lesona voalohan'ny fandresena)” Maboundou Mounbamba manoratra hoe :

Arahabaina ny Senegaly, izao no tena atao hoe ohatra amin'ny demaokrasia, fa tsy izay anaram-petaka fotsiny toy ny aty Gabon , tsy afeniko fa mialona anareo Senegaly  aho sady mankahery ny fizorana amin'io làlana io, mba ho ohatra ho anay rehetra

Côte d'Ivoire

Efa tonga tao Côte d'Ivoire ihany koa ny fifandimbiasana saingy nosandaina ain'olona maro. Ilay tranonkala Ivoariana Ivorian.net dia namoaka lahatsoratra iray tena nitondràna fanehoan-kevitra marobe tokoa avy amin'ny vondrom-piarahamonina Ivoariana, namelona ny fifandirana indray teo amin'ireo mpomba ny Filoha Alassane Ouattara sy ireo mpomba ny teo alohany Laurent Gbagbo,

Satchmo mihevitra amin'ny fomba filaozofika hoe :

lesona tsara iray momba ny demaokrasia io fandresen'ny vahoaka Senegaly io. Mazava loatra fa mety ho nanao di-doha i Wade sahafa amin'i Gbagbo saingy, hainy ny naneho fahamboniana ary indrindra indrindra ny fietrena niantso ny mpifanandrina taminy. Ao no tena fahalehibeazana sy fananan-kaja. Azo atao ny manao resa-be momba izay antony sy zava-dalina nanosika ilay fihetsika, nefa manome tombony an'i Wade izany. Zaza mitombo ny demaokrasia ary mila kolokoloina amin'ny fahaiza-mitondran'ireo mpitantana izay mifandimby eo amin'ny fitondrana ny fanjakàna.

Alain Monier mahita hoe :

Rehefa hisy ny fifandimbiasana demaokratika dia tsy misy mahasakana izany raha tsy ny tsipaka faran'ny lahy antsitra iray vey ao anatin'ny tontolon'ny nofiny tsy misy fototra akory. Nanjaka ny ara-dalàna ary mahafaly.

Guinée-Conakry

Ao Guinée, ireo fanehoan-kevitra samihafa dia maneho ny hasarotana nentin'ny fivakisana ara-tsosialy lalina iainan'ny firenena izay tsy voafafan'ny nifidianana ny filoha Alpha Condé. Manao sarinteny amin'ilay fomba mahazatra ny Gineana manampy hoe  “lany tamin'ny fomba demaokratika” isak'izay miteny momba an'i Alpha Condé, i Camara Boubacar dia manoratra ao anaty fanamarihana iray tamin'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny tranonkala Guinée News, hoe :

 Macky Sall no Filoha voafidin'i Sénégal. Na izy, na ireo mpihoby azy, na ny gazety Senegaly samy tsy hisy hanampy amin'ny anaram-boninahitry ny Filohan'ny Repoblika ny teny hoe ” Lany tamin'ny fomba demaokratika ” mba hanamarinana izay mety ho tsy ampya taminy hahatonga azy ho solonbtena mamin'ny vahoaka Senegaly azy.

Ao amin'io tranonkala io ihany, ilay bilaogera Dielta dia  mahita fa ireo vokatry ny fifidianana tao Senegal dia manome endrika :

Fandresena iray sy voninahitra ho an'ny vahoaka Senegaly ary io dia tsy maintsy ho lesona iray ara-moraly ho an'ny Gineana. Satria fotoana izao ho an'ny Gineana hahalalàny koa fa ny fifidianana tsy mitanila irery ihany no ho tombontsoan'ny rehetra. Fotoana izao hanovantsika ny fanovàna misy eto Guinée.

 

Hafalian'ireo mpanao fihetsiketsehana, avy amin'i Nd1mbee tao amin'ny Flickr, nahazoana alalana taminy.

Sylvio Combey dia nanoratra lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginy manao hoe :

Ny tena zavatra, dia ny fifandimbiasana. Nahavita fe-potoam-pitondràna roa i  Wade  ary voadàka nivoaka ny vala. Any Togo, tazonina eo amin'ny fitondrana ny fianakaviana iray efa mandritra ny ho 50 taona izao.

Mali

Ny fanehoam-pijerin'ireo bilaogera Maliana dia betsaka ao anatin'ny tranonkala Maliweb. Lahatsoratra iray no miteny amintsika fa tamin'ny fotoana nandrotsahany ny vatom-pifidianana ho ao anaty vata,  dia tanam-polo no nentin'i Me Abdoulaye Wade nankeo fa adinony tany anaty efitra fitokanana ilay izy. Eo am-pisainana ny fifidiana hitranaga any amin'ny fireneny, Liqui dia manoratra hoe :

nanaraka izay nitranga tany Mali i Wade, izay no antony iray niarahabany an'i Maki, tsy voatery hiandry izay fanisam-bato hifarana any! noho izany, azo tsara ny lesona!!!

Coulibaly koa dia naneho ny fomba fijeriny hoe :

Ndao hoporofointsika amin'izao tontolo izao fa mamitaka ny endrika ivelany ary matotra ny vahoaka Maliana, fa tsy vendrana, ary toy izany koa ny tafika Maliana. Ny sedra no manome ireo lesona tsara indrindra, ho an'ireo izay te-hianatra. Tsarovantsika amin-kaja ihany koa ireo namoy ny ainy nandritra ny fampielezan-kevitra tao Senegal, ary koa ny zavatra simba!

Burkina-Faso

Ny Burkinabés koa dia faly tamin'ny voka-pifidianana Senegaly. Iray tamin'ireo niditra mba hitondra fanehoan-kevitra tao amin'ny tranonkala lefaso.net, dia i Sylvie izay nanoratra hoe :

Izaho indray tonga dia hivantambantana. Na teo aza ny fividianana ny safidin'ny olona sy n y fandrahonana, manana ny farany daholo rehefa fitondràna.Tsy maintsy ataon'ireo mpitondra antsika ao anatin'ny lohany izany. Ny vahoaka no hitsara anareo..

Ho an-dRamatoa Kaboré izay manome ny heviny ao amin'io lahatsoratra io ihany :

Nasehon'ny Senegaly fa fantatr'izy ireo ny atao hoe tena demaokrasia, ary ny fitondràna rehetra dia tsy maintsy ho drodroka sy ho resin'ny fotoana mandeha. tsy maintsy maka lesona avy amin'i Senegal i Burkina.

Mauritanie
Any Maoritania, ireo antoko politika mpanohitra dia miarahaba tena tamin'ny fizoran'ny fifidianana tamin'ny teny toy izao :
Ny Fandrindràna Ny Fanoherana Demaokratika, tamin'ny fiarahabana ny Filoha Macky Sall tamin'ny fitokisana vao avy natolotry ny vahoaka Senegaly azy sy ny Filoha Abdoulaye Wade noho ny nanaporofoany ny fahaizany milalao madio, dia manome voninahitra mitalakotrokotroka ny ho an'ny ezaka demaokratika Senegaly, tokana tsy misy toa azy aty Afrika.
Toa sahala amin'ny mazava ny hoe mba te-hahita fifidianana malalaka, mangarahara sy tsy miangatra any aminy koa ny olom-pirenena any amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina amin'i Senegal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.