Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny

An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ambanivohitra. Manazava ny  Cultural Survival:

Nomanin'ny Comite de Unidad Campesino, (CUC) [Komity Fampiraisana ny Campesino] ny diabe dia mangataka ny ijeren'ny fanjakana ao Goatemalà, sy ny haino aman-jery ao an-toerana, nasionaly ary iraisampirenena ny olana maro isan-karazany atrehin'ny vazimba teratany sy ny tambanivohitra maro an'isa ao amin'ny firenena.

Mitohy ny tatitra:

Namoaka fanambarana an-gazety ny mpitarika ny hetsika manao hoe, “DFanambarana ho amin'ny Diabe Fijoroana ho amin'ny Fahamendrehana, Ho Fiarovana ny Tany sy ny Zaratany”  izay hanaovan-dry zareo ny fangatahana sy ny fampahatsiahivana ny fahoriana niaretan'ny Vazimba Teratany sy ny Tantsaha any Goatemalà hatry ny ela dia ela:

  • Fanafoanana ny trosa ara-pizakantany ataon'ny fanjakana amin'ny tantsaha; fizarana ara-drariny ny tany mba farafaharatsiny manana tany ahafahany miavotra ny mpamboly.
  • Famaranana hatreo ny famindra-toerana an-katerena miverimberina, indrindra fa ny any amin'ny lemak'i Polochic, Alta Verapaz, izay nesorina tamin-kery tamin'ny tranony ny fianakaviana an-jatony hametrahana lalana ho amin'ny fambolena voanio afrikana sy fary tamin'ny marsa 2011.
  • Fampitsaharana ny fanenjehana sy ny fanamelohana ny vazimba teratany miaro ny zony, ka ao anatin'izany ny vehivavy 8 avy any San Miguel Ixtahuacán izay nahazoana didy hosamborina noho ny fiampangan'izy ireo izay mitranga ao amin'ny toeram-pitrandrahana ao Marlin.
  • Fanafoanana ny fahazoana alalana hitrandraka akora ambanin'ny tany, solika,  barazy hahazoana herinaratra ary ny fambolena toka-karazana.
  • Fanekena ny lalàna ho amin'ny tombontsoan'ny vondro-piarahamonina vazimba teratany ao amin'ny Kongresy, ka ao ny lalàna 4087, lalàna momba ny fampitam-baovaon'ny fokonolona, izay mametraka ho ara-dalàna ny radiom-piarahamonina.

Mpamaham-bolongana sady mpaka sary James Rodríguez no namoaka andra-tsary [es] tamin'ny nhatongavan'ny mpanao diabe tao an-tanànan'i Goatemalà tamin'ny 26 Marsa 2012:

Después de 9 días y 212 kilómetros, la Marcha Indígena, Campesina y Popular por la defensa de la Madre Tierra, contra los desalojos, la criminalización y por el Desarrollo Rural Integral, llegó al centro de la Ciudad Capital. Según miembros del Comité de Unidad Campesina (CUC), se estima que alrededor de 15,000 personas participaron en esta novena y última jornada.

Taorian'ny 9 andro sy ny 212 kilometatra vita, ny vazimba teratany, Campesino ary ny vahoaka dia nanao diabe ho fiarovana ny Reny Tany, ho fanoherana ny fanalàna, ny fiampangana ary mba isian'ny fampandrosoana eny ambanivohitra, ka tonga tao afovoan-tanànan'ny renivohitra. Araka ny nolazain'ny Komity Fampiraisana ny Campesino (CUC), dia tombanana ho 15.000 no nandray anjara tamin'ny fahasivy sady andro farany [tamin'ny diabe].

Indreto ny sasantsasany amin'ny sarin'i James, nahazoana alalana ny famoahana azy:

"Tsy ekena ny fitrandrahana harena voajanahary. Tsy ekena ny fitrandrahana akoramby"

Tsidiho ny bolongan'i  Mi Mundo [es] raha te-hahita bebe kokoa amin'ny sarin'ny diabe tany an-tanànan'i Goatemalà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.