Meksika: Ireo Hetsi-Panoherana sy Fankalazana Nanamarika ny Fitsidihan'ny Papa Benoà

Nandritra ny andron'ny 23, 24, 25 ary 26 Martsa 2012, Joseph Aloisius Ratzinger (fantan-daza amin'ny anarana hoe Papa Benoà XVI), Filoham-pirenen'ny Tanàna ao Vatikana sy Papan'ny Fiangonana Katolika, no nanao fitsidihana pastoraly tao Meksika miaraka amin'ny delegasionina lehilahy maro mpitondra fivavahana.

Tsy nitsidika ny Distrika federaly ao Meksiko ( renivohitr'i Meksika) i Ratzinger fa nijanona tao Guanajuato ihany. Niatrika lanonam-panjakana maro samihafa izy nanomboka ny andro nahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Guanajuato, ho fanajana ny arofenitra mifanaraka amin'ny fitsidihana ataonà Filoham-pirenena, noraisin'ny Filohan'i Meksika koa izy avy eo.

Silao, Guanajuato, 26 Martsa 2012. Ny filoham-pirenena Felipe Calderón Hinojosa sy ny Papa Benoà XVI. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Gobierno Federal (CC BY-NC-SA 2.0)

Na dia izany aza, andro vitsy taorian'ny fitsidihana nataon'ny Papa, mpisera Twitter Genaro Lozano (@genarolozano) naneho hevitra fanakorontanana tamin'ny famoahana tenifototra #desnudateparaelpapa [es] (“Miboridàna ho an'ny Papa”), nanentana ny olona hiboridana izy ho fanoherana ny fitsidihan'ny Papa sy ho fanoherana ny fihetsiky ny Fiangonana Katolika manoloana ny fampianarana ara-pananahana, ny fanalan-jaza sy ny fahasamihafana ara-pananahana:

Porque educación sexual y los preservativos salvan vidas, detienen al VIH y no dejan chavas con embarazos no deseados #desnudateparaelpapa

Satria miaro ny aina ny fampianarana ara-pananahana sy ny fampiasana fimailo, manakana ny Sida izany ary manampy ny vehivavy tsy ho azon'ny vohoka tsy niriana #getnakedforthepope

Nanipika ihany koa ity mpisera ity fa:

Porque hay fieles católicos que son LGBT y que al clero les da asquito #desnudateparaelpapa

Satria Katolika mahatoky izy ireo sady LGBT « mpirevy mitovy fananahana aminy, sady tia lahy no tia vavy ary ireo nanova ny fananahany», ny mpitondra fivavahana ihany no manao izany ho mahatsiravina #getnakedforthepope

Etsy andaniny kosa, mpisera Luz Adriana Arellano (@Luz_AdrianaAL), nizara fihetseham-po fohy mikasika ny fahatongavan'ny Papa:

Ya quiero que llegue el papa me llena de emoción!!

Miandry fatratra ny fahatongavan'ny Papa aho, manome fientanam-po ho ahy izany!!

Mpisera Caleb (@CalebTorres1), naneho hevitra mitovy izany koa, naneho ny fanantenany izy fa hitondra soa ny fitsidihan'ny Filohan'ny Katolika:

Ya quiero que llegue el Papa y que por su divina presencia se acabe la violencia y deje de temblar. Amen

Miandry fatratra ny fahatongavan'ny Papa aho. Hanafoana ny herisetra sy ny tahotra anie ny fahatongavan'ny Fanahy masiny. Amena

Mpisolavava Roberto Vélez (@bobelenigma) naneho ny heviny mikasika ny fanantenana raha hitondra vahaolana manoloana ny olana marobe eo amin'ny firenena ny fitsidihan'ny Evekan'ny Roma:

Increíblemente en nuestro país las soluciones a tantos y tan variados problemas se están encomendando a la visita pastoral de Ratzinger

Tsy azo inoana raha hankinina amin'ny fitsidihana pastoraly ataon'i Ratzinger ny famahana ny olana marobe eto amin'ny firenentsika

Mpamahana bolongana Francisco Xavier Sánchez niditra tamin'ny lohahevitra mikasika ny fitsidihana pastoraly amin'izao fomba fijery izao:

Es una alegría tener entre nosotros al sucesor de Pedro, guía espiritual de la Iglesia católica. Un viaje que nos permite reflexionar sobre la evangelización y el desempeño de la Iglesia católica en nuestro país.

Es verdad que la religión católica sigue siendo mayoritaria en México. Sin embargo considero que vamos bajando en cifras con respecto a otros grupos religiosos, e incluso a sectas, que han crecido mucho últimamente en nuestro país. Aunque también hay que considerar que las cifras son engañosas cuando se trata de hablar de porcentajes en religión. Porque finalmente ¿cuántos de los que se dicen católicos son practicantes? E incluso ¿qué debemos entender por “ser practicante”? Porque se puede llevar una vida “externa” basada en el culto que no refleje realmente una “actitud interior” y un compromiso social de vida. Digo todo esto porque la esencia de la religión no consiste tanto en reuniones multitudinarias sino en compromisos concretos y personales de vida. Aunque lo primero puede (y debería) ayudar a lo otro.

Fifaliana ho anay ny mahita ny mpandimby an'i Piera miaraka aminay, mpitarika ara-panahy eo amin'ny fiangonana katolika. Mahatonga anay handinika momba ny fitoriana ny tenin'Andrimanitra, sy ny fivoaran'ny fiangonana katolika eto amin'ny firenenay izao fitsidihana izao.

Marina tokoa fa ny finoana katolika no be mpanaraka indrindra ao Meksika. Saingy, mino aho fa midina ambany kokoa ny isantsika raha oharina amin'ny finoana hafa, anisan'izany ny sekta, izay niroborobo be ato amin'ny firenentsika. Tokony ho tsapantsika koa fa  mety mamitaka ny isa, raha resaka isan-jaton'ny finoana no resahina. Firy aminareo izay milaza fa Katolika na tena mampihatra izany tokoa? Fanampin'izany, inona no mba fantantsika raha miteny hoe “mampihatra”‘? Afaka mitondra tena “ivelany” fotsiny ianao, mifototra amin'ny fivavahana nefa tsy mifandraika akory amin'ny “fitondratena anatiny na tena izy” na koa amin'ny andraikitra ara-tsosialy atao eo amin'ny fiainana. Milaza izany rehetra izany izaho satria ny votoatin'ny fivavahana dia tsy amin'ny fanaovana fivoriana tsy tambo isaina, fa kosa amin'ny fandraisana andraikitra manokana sy mivaingana. Na dia ilay voalohany aza no mety (na ho mety) mahasoa kokoa ny hafa.

Tao amin'ny bilaoginy, Jenaro Villamil nitsikera ny fitantarana nataon'ny fampahalalam-baovao mikasika ny fitsidihan'ny Papa:

No hay día en que las televisoras no nos apabullen con los detalles más insustanciales de la llegada del obispo de Roma. No hay programa radiofónico que evada la referencia al viaje breve y singularmente político de Ratzinger.

Isan'andro ny fahitalavitra dia tsy mitsahatra manafintohina antsika amin'ny fampitàna vaovao kely tsy zava-dehibe momba ny ‘fitsidihan'ny Evekan'i Roma. Tsy misy fandaharana amin'ny onjam-peo tsy nilaza ny fitsidihana fohy sy ara-politika nataon'i Ratzinger.

Mpahay politika Denise Dresser (@DeniseDresserG), tahaka ny maro hafa, tsy nihambahamba nilaza ny tranga momba ny fanararaotana ara-pananahana izay mahakasika ny fiangonana tarihin'i Ratzinger. Singanina manokana, ny tranga Marcial Maciel, mpitondra fivavahana voampanga amin'ny fanararaotana ara-nofo:

El caso de Marcial Maciel es escandaloso, ya Qué fue él Protegido Mientras sus Victimas fueron ignoradas por Ratzinger Durante los 90.

Manafintohina tokoa ny tranga mikasika an'i Marcial Macie, narovana manokana izy, raha toa kosa tsy noraharahian'i Ratzinger ireo niharan'ny fanararaotana ara-nofo nandritra ny taona 90.

Nanampy ihany koa izy fa mahagaga ny fomba fikarakarana ireo niharan'ny fanararaotana ara-nofo

Sorprende que el Papa no haya atendido mejor a las víctimas. No basta una disculpa genérica, Urge investigar, sancionar y reparar el daño.

Mahagaga tokoa fa tsy mba nojeren'ny Papa akaiky ny momba ireo niharam-boina. Tsy ampy ny fialan-tsiny amin'ny ankapobeny. Ilaina maika ny manadihady, ny manasazy ary manonitra ny heloka vita

Rehefa lasa Papa, marobe ireo olona naneho hevitra mikasika ny fitantarana an-gazety nandritra ny fitsidihana. Maria Fernández Cadena (@vitamena) nilaza ny heviny:

Aja ya se fue Don Benedicto, ahora la vendimia de las monedas, recuerditos, los programas especiales.. Le tiro como 1 mes mas en el tema..

Lasa nody Andriamatoa Benoà, amin'ny fanangonam-bola izao, fahatsiarovana sy fandaharam-potoana manokana..hosoratako ihany ity lohahevitra ity amin'ny manaraka..

Navoitran'ny Mpisera Alessia Corcuera (@top_roping_ale) fa ny fiafaran'ny fitsidihana ara-pastoraly dia midika fa hiverina amin'ny fitantarana ny fampielezan-kevitra politika indray ny fampahalalam-baovao:

Lo único malo de que el Sr. Ratzinger se vaya de México es que los candidatos presidenciales volverán a ser la nota principal día y noche

Ny zavatra ratsy tokana momba ny fandaozan'i Ratzinger an'i Meksika dia hiverina ho matoambaovao lehibe  misongadina isan'andro sy isan'alina indray ny resaka kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena.

Niafara tamin'ny adihevitra ny fitsidihana nataon'i Ratzinger, izay no azo noresahina. Na dia izany aza,  anisan'ny fomba iray ahafahana mandinika ny hevitry ny besinimaro sy ny fanehoan-kevitra hampandroso ity fiarahamonina ity ihany koa ny fahatongavany. Nitodi-doha tao Kiobà izy ankehitriny, firenena Karaiba izay handray ny Filohan'nyVatikana manomboka amin'ny 26 Martsa.

Hajinatsary avy amin'ny mpisera Flikr Gobierno Federal, nampiasaina noho ny a Creative Commons licence (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.