Kiobà: Mitodika Any Amin'ny Hoavin'ny Kiobà Ny Lahatenin'ny Papa Benoà XVI

Tao amin'ny firenena Karaiba, lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny fahatongavan'i Papa Benoà XVI tao Santiago ao Kiobà.  Raúl Castro sy ny anaran'ny faritany Andrefana no tena anisan'ny lohahevitra be mpitsidika indrindra omaly atoandro.

Taorian'ny fahatongavan'i Papa, nanao lahateny fiarahabana azy ny Filoha Raúl Castro:

Cuba lo recibe con afecto y respeto y se siente honrada con su presencia. Encontrará aquí a un pueblo solidario e instruido que se ha propuesto alcanzar toda la justicia y ha hecho grandes sacrificios.

Am-pitiavana sy am-panajana no andraisan'i Kiobà anao, voninahitra ho an'i Kiobà izao fahatongavanao izao. Fiarahamonina miray hina sy nianatra ary niezaka hatrany nandala ny fahamarinana sy nanao ezaka  marobe no mandray anao eto.

Nandritra izany, nofaranan'i Benoà XVI toy izao ny lahateny fiarahabany:

Estoy convencido de que Cuba, en este momento especialmente importante de su historia, está mirando ya al mañana, y para ello se esfuerza por renovar y ensanchar sus horizontes, a lo que cooperará ese inmenso patrimonio de valores espirituales y morales que han ido conformando su identidad más genuina.

Benedicto XVI mientras desciende del avión que lo trae a Cuba

Papa Benoà XVI tamin'ny fahatongavany tao Kiobà. Sary avy amin'i Ismael Francisco. Nahazoana alalany avy amin'ny Cubadebate ny famoahana indray ny sary.

Resy lahatra aho fa mitodika any amin'ny hoaviny i Kiobà amin'izao fotoan-dehibe manokana manatantara izao. Ary amin'izany, mitolona izy mba hanavao sy hampivelarana ny faravodilanitra amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa ara-panahy sy ara-maoraly izay nanefy ny tena maha-izy azy.

Navoakan'ireo mpiserasera amin'ny tranokala ny hira re noredonina tao Plaza Antonio Maceo, ao amin'ny faritanin'i Santiago, miakanjo fotsy ambony avokoa ny ankamaroan'ny olona tonga tao.

Si el Papa no viene a Camaguey, a donde vaya, me voy con él.

Raha tsy mankany Camaguey ny Papa, andehanako avokoa izay rehetra halehany.

Tao amin'ny Facebook consult, tanora marobe no naneho ny fijeriny mikasika ny fitsidihan'ny Papa.

Araka ny filazan'ny mpamahana bolongana Olemis Lang:

Comparo esta venida del Papa con la de Juan Pablo II y las conclusiones son que aquella estuvo mucho más participativa.

Mampitaha ny fitsidihan'ity Papa ity tamin'ny an'i Joany Paoly II aho ka ny fehiny dia malaza kokoa ny an'ity farany ity

Amaya Terry [es] manamarika fa misy ny “fitantarana be loatra avy amin'ny haino aman-jery rehetra”. Tahaka izay fitsidihan'i Joany Paoly 14 taona lasa izay, navoitrany fa:

No tengo muchas expectativas con este Papa, realmente no me hace ilusión; pero siempre se espera algo aunque muy en el fondo. El entusiasmo que existía con Juan Pablo II, éste nunca lo logrará en Cuba, aunque todos estemos orgullosos de recibirlos “con afecto y respeto”, la simpatía que dejó Juan Pablo II en nosotros es insuperable!!!

Tsy dia manantena zavatra maro loatra amin'ity Papa ity aho, tsorina fa tsy dia mitera-pifaliana ho ahy izy; saingy any anaty lalina any misy zavatra antenaina hatrany. Tsy ho tontosan'ity Papa ity mihitsy izay fientanetanana vitan'i Joany Paoly faharoa, eny fa na dia mirehareha avokoa ary isika miarahaba azy ireny tonga soa ao anatin'ny “fitiavana sy fifanajana.” Tsy azo resena ny fihetsika maha-te-ho-tia navelan'i Joany Paoly Faharoa!!!

Indro atolotray ny lahatsarin'ny fotoana voalohany indrindra nandalovan'ny Papa tany Kiobà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.