Torolàlana Asongadina: Mamorona Pejy Facebook Mandona (Ar.)

Ilay noresahana betsaka momba ny Lohataona  Arabo tao Tonizia, Ejipta ary nanerana ny faritra Afovoany Atsinanana dia niankina betsaka tamin'ny Aterineto sy ny media sosialy.  Ilay tanora Ejiptiana Khaled Mohamed Saeed dia maty nandritra ny fihazonan'ny polisy azy tao amin'ny faritr'i Sidi Gaber tao Alexandria ny 6 Jona 2010. Avy hatrany ilay mafàna fo, Wael Ghonim, dia nanokatra pejy Facebook iray miavaka, “Khaled Said daholo izahay rehetra”, izay nisarika ny saina hibanjina ny fahafatesany sy ho fandraisana anjara amin'ny fanentanana ny olona hihetsika nitondra nankany amin'ny Revolisiona Ejiptiana 2011.  Ireo teknolojia toy ny Twitter, TwitPic, Facebook sy YouTube dia samy nandray anjara betsaka daholo tany am-boalohany mba hanafaingana ireny hetsi-panoherana sosialy ireny.

Ny Social Media Exchange (SMEX) dia orinasa sosialy izay manome fiofanana sy tohana ara-kevitra  momba ny media sosialy sy ny tetikady anaty aterineto, na izany ho an'ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa, na ho an'ireo fikambanan mikatsaka tombontsoa ao Libanona sy ny tontolo Arabo. Ny SMEX dia namoaka torolàlana vaovao amin'ny teny Arabo Mamorona Pejy Facebook Mandona (Teny Arabo): Torolàlana ho an'ireo Fikambanam-piarahamonina Sivily Arabo. Ilay torolàlana ahitàna pejy 74 dia manasongadina teboka sivy lehibe amin'ny famoronana tetikady amin'ny pejy Facebook, toy ny fisafidianana ireo mpandrindra, ny fametrahana ny tanjona, ary ny fampiasàna Dom-berina mba hijerena ny fivoatry ny fanentanana. Ilay torolàlana dia ahitàna ihany koa ireo ohatra avy amin'ny Pejy nahomby teo ami'ny tontolo Arabo ary voahaingo dikasary avy amin'ny fàfana mba hanampiana amin'ny fitetezana ireo pejy Facebook maro samihafa asongadina.

Ilay torolàlana dia hanampy ihany koa ireo Arabo mafàna fo vaovao, ary hatramin'ireo mpikarakara efa manana traikefa miezaka ny hahazo tombony tsara amin'ny media sosialy. Ilay torolàlana amin'ny endriny PDF dia azo sintonina malalaka ary ampiasaina eo ambanin'ny fizakà-manana Creative Commons Attribution 3.0 , koa dia malalaka ny tsirairay hampifanaraka azy, hanamboatra sy hamerina hampiasa indray ilay torolàlana, na ho amin'ny tanjona hikatsahana tombontsoa, na tsia. Fa fotsiny, mila manome voninahitra  ny SMEX izy ireo. Misy dikanteny amin'ny Anglisy havoaka tsy ho ela….

Ho an'ireo rehetra mila ny dikanteny Anglisin'ilay torolàlana dia afaka misintona eto ny torolàlana voalohan'ny DigiActive : Fampidiran'ny DigiActive ho amin'ny Hafanam-po ao amin'ny Facebook. Azonao atao koa ny mamaky mikasika iay torolàlana ao amin'ny  Global Voices Advocacy. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ireto fitaovana ireto handridràna indray ny fanentananao ao amin'ny Facebook

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.