Tonizia: Bilaogera Manampy Amin'ny Fandrafetana Ny Lalam-panorenana

Tonizia mankalaza ny Andron'ny Fahaleovantena – 20 Martsa

Ny 23 Oktobra 2011, nifidy ny antenimiera handrafitra ny lalam-panorenany vaovao ry zareo Toniziana, taorian'ny nanonganana ny fitondran'i Ben Ali. Amin'izao fotoana, dimy volana aty aoriana, vao ny fandinihana ireo drafitra natolotra no natomboky  ny antenimiera. Kanefa, ny tsy fitovian-kevitra manodidina ny artikla voalohany dia mampihisatra ny asan'ny antenimiera ary tafiditra eo afovoan'ny dinika ny momba ny Islam sy ny fizakana ny maha-olom-pirenena Arabo.

Ilay bilaogera Mohamed El Cherni dia nandray fanapahan-kevitra hanolotra ny artikla telo voalohany ao amin'ny bilaoginy, bidules8. Ao amin'ny lahatsorany [ar], El Cherni dia mandroso soso-kevitra hoe ny Toniziana dia tokony hijanona ho fanjakana sivily ka ny finoana arahana dia ny Silamo ary ny teny ofisialy dia ny Arabo. Manindry ihany koa izy hoe ny Toniziana dia tokony hisokatra amin'ny sivilizasiona sy kolotsaina  hafa mifanolo-bodirindrina aminy, amin'ny fanondroana ny Afrikana Tavaratra, ny  Afrikana, ny  Arabo, ny  Mediteraneana ary ny kolotsaina Eraopeana. Ao anatin'io artikla voalohany io ihany, El Cherni dia mampahatsiahy antsika ny amin'ny fanomezan'endrika ny sainam-pirenena Toniziana. Angamba, ity fandraisan'andraikiny ity dia fanehoan-kevitra nateraky ny endrika mipirimpirina ananan'ny sainam-pirenena Toniziana rehefa nampidinin'ny mpianatra salafista iray ny sainam-pirenena Toniziana ary nakariny kosa ho solony ny saina Salafista.

El Cherni manoltra hevitra hoe ilay artikla faharoa ao amin'ny lalam-panorenana dia tokony hiaro ny fahalalahana sy ny maha-olona ho an'ny olom-pirenena Toniziana rehetra. Hoy izy manoratra:

حق الحياة و العيش الكريم و الملكية و التقاضي و الدفاع والنفاذ إلى المعلومة و المساواة في العمل و الصحة والتعليم
سلامته الجسدية وعدم تسليط أي شكل من أشكال التعذيب الجسدي أو النفسي
حرية المعتقد و التعبير و الصحافة و النشر و التنقل و التظاهر والعمل النقابي و التجمع في احزاب ومنظمات وجمعيات وتعاضديات وجماعات ونقابات.
دون تميز على أساس دين أو لون أو جنس أو جهة وفي إطار سلمي و ما دامت لا تدعو للكراهية والعنف والإقتتال و تحترم مبادئ الحرية و المساواة.
- Zo hanana fiainana tsara, hanana fanànana, hahazo ny rariny, ho voaaro, hahazo sy hahalala vaovao, hitovy eo amin'ny fahazoana asa, fiahiana fahasalamana ary fanabeazana.
– Fiarovana ara-batana sy fandraràna ny mety ho karazana fampijaliana ara-batana na ara-tsaina rehetra
– Fahalalahana ara-pinoana, fanehoan-kevitra, fanaovana gazety, famoahana, fihetsehana fanehoan-kevitra, asa ara-tsendikaly, mivondrona anaty antoko politika, fikambanana sy sendikà tsy tsy ijerena fiaviana ara-pinoana, lokon-koditra, maha-lahy sy vavy ary faritra niaviana rehefa mbola miresaka fandriampahalemana sy tsy mihantsy fifankahalàna, herisetra, fifandonana ary fanitsakitsahana ny zo fototry ny fahalalahana sy  ny fitoviana.

Ilay artikla fahatelo dia manipika fa Tonizia dia hitazona ny maha-fitondrana repoblikana demaokratika azy izay mitondra amin'ny resaka hamaroan'antoko sy fifandimbiasam-pahefana am-pilaminana. Manaporofo  ny fisaraham-pahefana izany ary manameloka kosa izay rehetra mety ho ezaka hanakantsakanana hanemorana ireo fototra ireo

Ny fisamahana hita amin'ny tendro roan'ny tontolo ara-politika ao Tonizia dia fitaratry ny hantsana eo anatin'ny fiarahamonina Toniziana izay mikisaka mihataka an'ireo tapany roa ireo noho ny tsy fisian'ny hetsika matotra ho entina manampy ilay firenena mba hiroso mankany amin'ny fifandeferana. Noho izany, indray mandeha indray, ny vondrom-piarahamonin'ireo mpampiaza aterineto ao Tonizia dia nijoro hanindry aloka ireo mpanao politika mba hifidy izay vahaolana fanolo mendrika ho an'ny Toniziana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.