Ejipta: Ny Totoafon'i Abou Ismail Aminà Saribe

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.

Mafotaka tokoa ny fiomanana amin'ny fifidianana izay ho filoha ao Ejipta, voaomana hatao ny 23 sy 24 May 2012, miaraka amin'ny sariben'ireo mpirotsaka izay efa mameno ny làlana sahady. Saingy rehefa i Hazem Salah Abou-Ismail no resahana, dia tena vereziny lavitra any aoriana ireo mpifaninana rehetra amin'ny fanaovana totoafo ny fametahana saribe. Ny saribeny dia saika hita eny rehetra eny – miainga amin'ny rindrina, ny fiara, ny vata fampangatsiahana, ny zazakely ary hatramin'ny fanindriana ny sariben'ireo mpirotsaka hafa aza.

Infinite Number of Abou Ismail Posters

Saribe tsy manam-pahataperana nataon'i Abou Ismail

Tsy vitan'ireo Ejiptiana mpiondana aterineto ny hamela ity fotoana ity handalo fotsiny ka tsy hihomehy noho ireto saribe tafahoatra.

Mohamed Hamza mivazivazy hoe [ar]:

@mohamad__hamza: اتوقع ان من اولويات الرئيس القادم الفقر و البطاله و ازاله بوسترات ابو اسماعيل

@mohamad__hamza: Heveriko hoe ny voalohany amin'ny laharam-pahamehan'izay ho filohan'i Ejipta manaraka eo dia ny hiady amin'ny fahantrana, mamorona asa vaovao ary manaisotra ireo sariben'i Abou-Ismail mameno rindrina

Randa Tawil manampy hoe :

@randatawil: دلوقتي لما تحب توصف لحد عنوان قوله إمشي طوالي مع بوسترات أبو إسماعيل بعدين هتلاقي تقاطع سيب أول بوستر و تاني بوستر و لف مع تالت بوستر يمين

@randatawil: Ankehitriny rehefa mamariparitra adiresy amin'olona iray ianao, dia metimety kokoa ny miteny hoe, mandehana amin'ilay làlana feno ny sariben'i Abou-Ismail, avy eo ianao hahita sampanana, mialà eo amin'ilay saribe voalohany ary ilay saribe faharoa dia eo amin'ilay fahatelo no mihodina miankavia.

Monda Salem manohy hoe :

@Mondasalem: عاجل وحصرى: وكالة ناسا لعلوم الفضاء تعلن عن اكتشاف 5000 بوستر للشيخ ابوسماعيل فوق سطح كوكب المرّيخ.

@Mondasalem: Vaovao farany: ny NASA dia nanambara fa nahita saribe 5.000 an'i Abou-Ismail ry zareo avy eny amin'ny planeta Mars

And Attiya Attiya manamarika hoe :

@attiya_attiya:للمرة الثالثة خلال يومين .. أحد المواطنين يقسم لي أنه رأى بأم عينيه شارع خالي تماما من بوسترات ابو اسماعيل

@attiya_attiya: Fanintelony izao tao anatin'ny roa andro no nisy olona nilokaloka ho nahita arabe tsy nisy sariben'i Abou-Ismail nipetaka eny aminy !!

Tsy nijanona teo ny raharaha, satria nisy ‘meme’, kisarisary namboarina iray no nipoitra teny anivon'ireo Ejiptiana mpiondana aterineto, miaraka aminà kaonty tumblr antsoina hoe “Abo-Ismail Doing Stuff.” Saripika an-jatony maro ihany koa no nakarina tao amin'ny Twitter sy Facebook, izay anehoana ny fandraisan'i Abo Ismail ho azy manokana ny atao hoe tambajotra sosialy be mpampiasa

Abou Ismail Facebook

Ny fandraisan'i Abou Ismail ny atao hoe Facebook

Abo Ismail Last Supper

Ny sakafo hariva farany noraisin'i Abo Ismail

Ary na dia ilay olo-manan-kaja Guy Behind Omar Suleiman aza dia niseho indray, nitondra ny sariben'i Abou Ismail tamin'ity indray mitoraka ity:

About Ismail meets The Guy Behind Omar Soliman

About Ismail mihaona amin'ilay Zalahy Aorian'i Omar Soliman

Farany, tsy adinon'ny olona ihany koa ny nanàla azy tamin'ilay lahatsary tsy alehany an'i Abou Ismail, ka ao anatin'izany no itenenany fa ny PEPSI dia midika hoe  Pay Every Penny to Save Israel, na hoe Isaky ny Penny iray aloa dia famonjena an'i Israely :

Post Every Poster to Save Ismail

Post Every Poster to Save Ismail

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.