Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Ny 15 Martsa, nanamarika ny tsingerintaona voalohany ny revolisiona Siriana niaraka fitomboan'ny fahavononana izay nanamarika ny fanombohany. Tamin'io andro io dia marobe ireo mafàna fo manerana izao tontolo izao no nifamotoana ho amin'ilay Diabe Manerantany Hanoherana Ny Mpanao Jadona Siriana raha nifandamina kosa ireo mpanao hetsi-panoherana tany aminà tanaàna maro nanerana izao tontolo izao hanohana ny tolona Siriana.

Libanona, mpifanolobodirindrina amin'i Syria, sy ny renivohiny Beirut, dia tsy lavitr'izay zava-mitranga rehetra na eo aza ireo olana momba ny fahalalahana maneho hevitra faramparany teo. Any, ireo mafàna fo dia misedra io fanamby io ary nanapa-kevitra ny hanao zavatra hafa mihitsy. Beirut Walls dia manazava [ar] ny toerana noraisin'ireo mafàna fo ao Libanona ao anatin'ny lahatsoratra am-bilaogy mitondra lohateny hoe “Ny revolisiona Siriana herintaona aty aoriana, am-pitiavana be avy ao Beirut” [ar]:

منذ عام والشعب السوري يصرخ “الموت ولا المذلة”، “حرية حرية حرية”. قتل منهم ما يفوق الثمانية ألف شهيد واعتقل الآلاف ودمرت البيوت واغتصبت النساء… منذ عام ونحن في بيروت نحترق أمام المشاهد ونتخبط في حيرتنا عمّا بوسعنا ان نفعله. كيف نتضامن مع شعب يقتل لأنه يريد اسقاط نظام قمعه لمدة عقود؟ كيف نعبر عن تأييدنا وبيروت يملؤها شبيحة من الطراز البعثي والقومي والميليشيوي؟

منذ عام وبعضنا من أفراد وناشطين مستقلين نحاول ان نشارك من بيروت في ثورة سوريا. نعتصم هنا، نكتب هناك، نعرض أفلاماً، نيأس ثم نعود نرفض ان يطالنا القمع فنهرع الى جدران المدينة. كانت الجدران الحيز الحر الذي وجدنا فيه مكاننا للتعبير

Nandritry ny taona iray, ny vahoaka Siriana dia nihiaka ny “Aleo maty toy izay hiaina amin-kenatra” sy ny “Fahalalahaha Fahalalahana Fahalalahana”. Maherin'ny 8.000 ireo olona maty novonoina, ary an'aliny ireo olona voafonja, trano maro rava sy vehivavy voaolana. Taona iray no lasa ary ao anatin'ilay afo indrindra isika aty Beirut mijery izay mitranga ao anaty fikorontanan-tsaina tsy mahalala izay hatao. Fomba ahoana no hahafahantsika maneho firaisankina miaraka amin'ireo olona novonoina ary ireo izay ny hany helony dia ny fahavononan-dry zareo handrodana fitondràna iray izay namoritra azy nandritra ny ampolon-taona maro? Fomba ahoana no hahafahantsika maneho  ny fanohanantsika sady Beritu rahateo rakotra ireo jiolahim-boto avy amin'ny Baath, Ultra-National sy Mpitolona avy eny an-kianja?
جدران بيروت: تحية لثورة الشعب السوري

Beirut Walls: Am-pitiavana be ho an'ny revolisiona Siriana, nampiasàna ny CC.

Na teo aza io, ireo mpiondana aterineto sy mafàna fo mpisera Twitter dia nanambàra ny fanohanan-dry zareo ny Revolisiona Siriana. @abirsasso, avy ao Beirut, nibitsika hoe:

عام والسوريون يبدعون بشعاراتهم. “الممانعة مو مانعة غير حريتنا” من المفضلات لدي، مكتوبة على جدران بيروت ‎‬#1YearAgo‪
Taona iray no lasa ary ireo Siriana mpandala ny revolisiona dia manaporofo ny fahaizan-dry zareo mamorona amin'ny alalan'ny hiakny. Ny iray isan'ny ankafiziko dia ny “Fanoherana (an'i Etazonia/Tandrefana) manohitra fotsiny izao ny fahalalahantsika”. Voasoratra ao amin'ny Beirut walls io. #1YearAgo

Raha i @taniaelk niteny hoe :

Vao maraina be androany, ho amin'ny tsingerintaona voalohan'ny revolisiona ao #Syria ireo mafàna fo aty Beirut dia nandefa hafatra iray fanehoana firaisankina.

@NadineBek koa dia nanome toky ny fanehoam-piraisankinan'ny Libane amin'ny Revolisiona Siriana amin'ny filazàna hoe:

رسائل من بيروت الى أحرار سوريا good morning Syria #Syria‪‏ ‎‬#banner‪‏ ‎‬#beirut‪‏ ‎‬#March15‪‏ صباح الثورة
Hafatra avy aty Beirut ho an'ireo vahoaka afaka ao Syria. Arahaba maraina ry Syria, arahaba maraina ry revolisiona!

Ireo mafàna fo ao Beirut dia nahita fomba iray hafa hanambaràna ny firaisankinany amin'ny vahoaka Siriana, tamin'ny fanaovana soratroratra “graffiti” sy fametahana saribe eny amin'ny làlana faleha sy ny tetezana. Nanoratra ihany koa izy ireo sady nizara teny faneva ho fahatsiarovana ny revolisiona Siriana. Beirut Walls ihany koa dia nanoratra mikasika ny  marainan'ny revolisiona [ar] nahitàna lahatsary iray mitondra lohateny hoe: “Am-pitiavana Be avy Any Beirut”:

لأن تضامن الشعوب والأفراد أقوى وأهم من تصريحات ومواقف الأنظمة وزعماء الطوائف والأحزاب، أردنا ان نعبّر عن تأييدنا لثورة الشعب السوري. في أولى ساعات الصباح في يوم 15 آذار وبعيداً عن أعين السلطات اللبنانية المختلفة، قمنا بعملية نشر هذه “الرسائل” من بيروت الى أحرار سوريا.
Koa satria matanjaka be ny fanehoana firaisankina avy amin'ny vahoaka sy ny tsirairay ary tena manana ny lanjany noho izay fanambaràna ofisialy  sy toerana raisin'ireo mpanao politika ary filohana sekta sy antoko, izahay dia te-haneho  ny fanohananay ny revolisiona Siriana. Vao maraina ben'ny 15 Martsa, ary lavitry ny mason'ireo manampahefana Libane isan-karazany, dia nanely ireny “hafatra” avy aty Beirut ho an'ny vahoaka afaka ao Syria ireny izahay.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.