Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo.

Ny mpisera Twitter sasany dia manambara fa tompon'andraikitra amin'ny tenifototra izay manoratra azy, ary  maro ny mampiely ny pikantsarin'ny sioka, izay tsapan'ny maro ho manompa ny mpanapaka ny firenena ary tsy hita intsony ao amin'ny rakipiainan'ny [timeline] mpanoratra.

Nisy ny ‘ompa’ satria nolazaina fa nanana pacemaker [mpanetsika fitempon'ny fo] izay mandeha bateria ny Emir, Shaikh Sabah Al Ahmad Al Sabah.

Mandritra izany fotoana izany, sady tsy nandà no tsy nanamafy ny fanombohan'ny raharaha ny mpanoratra voalaza Mohammed AlAjmi, ka namoaka sioka tahaka ny [ar]:

شششششششش !! ‎‫#بطارية
@abo3asam: shhhhh! Bateria

sy:

١-٢ أنام ملأ جفوني عن شواردها ويسهر الخلق(بهاشتاق)ويختصم أستيقظ الأن على كل هذه الضجة التي يثيرها البعض. ما كتبته بالأمس مقتطفات من مقالي
@abo3asam: Natory tsara aho raha niari-tory sy mifamaly momba ny tenifototra iray ny olona. Taitra tamin'ny tabataba nataon'ny hafa aho. Ny nosoratako omaly dia sombiny tamin'ny lahatsoratro.

Raha maro no nieritreritra fa ny bateria nosoratana tamin'ny voalohany dia ompa natao tamin'ny Emiran'i Koety, heloka mahavoasazy eo anatrehan'ny lalàna koesiana, nalaza teo amin'ny vondron'olona mpisera vitsy izay heverina ho mitovy hevitra amin'ny hafatra kosa ny tenifototra. Mandritra izany fotoana izany ny ankamaroan'ny mpisera Twitter namadika ny toe-draharaha ho hazalambo, miantso hanagadrana ireo mahasahy manompa ny mpanapaka.

Abdullwahab AlEssa, mpanentana ao amin'ny fahitalavitra, nisioka:

بوعسم وربعه الى النيابة غدا .. ورونا مراجلكم باجر
ِ@_Abdulwahab_: Abo3asam sy ny namany rehetra ho entina eo amin'ny Fampanoavana rahampitso. Andao hojerena hoe firy moa ianareo.

AbdulAziz AlYahya, mpahay lalàna sady PDG fahitalavitra tsy miankina iray, nanampy:

تم طباعة جميع المستندات التي أرسلوها لي جميع المغردين الشرفاء ضد الحثالة المتهجمين على صاحب السمو ‎‫#بطارية
@azizalyahya: Nataoko printy avokoa ny antontan-kevitra nalefan'ireo mpisera Twitter hajaina taty amiko hiampangana ireo nanompa ny Emira

Husain AlAbdullah, mpahay lalàna hafa sady mpanao gazety, nanoratra:

المغردين أصحاب هاشتاق ” بطارية” للنيابة العامة غدا، وجهاز أمني رصد كل التغريدات المعيبة بالذات الأميرية
@halabdullah: Izay mpisera Twitter rehetra nandray anjara tamin'ny tenifototra Bateria dia hatolotra ny Fampanoavana rahampitso ary efa manaramaso ny sioka rehetra mety misy fanivaivana ny mpanjaka ny sampan-draharahan'ny fiarovana

Farany, Hamad AlNaqi, izay mamariparitra ny tenany ho mpikambana ao amin'ny Amnesty International sy mpiaro ny zon'ny vahoaka Bahrainita, niteny:

لن ننسى هاش تاق ‎‫#بطاريه‪‏ ‎‫#بطارية‪‏ ‎‫#البطاريه‪‏ ‎‫#البطارية‪‏ التعدي على مقام حضرة صاحب السمو امير البلاد لن يمر مرور الكرام
@alnaqi88: Tsy avelantsika handehandeha foana ny fanompana ny Emira! Tsy hohadinointsika ny tenifototra Bateria!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.