India: Ilay Gazety Soratànana Farany Indrindra Eto An-tany

Ny endrika voalohan'ny gazety dia nosoratana tamin'ny tànana ary ankehitriny dia ny ‘The Musalman‘ angamba no hany sisa gazety soratana amin'ny tànana manerana izao tontolo izao. Io gazety amin'ny teny Urdu  io dia noforonin'i Chenab Syed Asmadullah Sahi tany amin'ny taona 1927 tany ary navoaka isanandro tao an-tananan'i Chennai ao India hatramin'izay.

Amin'izao fotoana dia ilay zalahy zafikelin'i Syed Asmadullah antsoina hoe Syed Arifullah no mitantana azy ary mpikaly soratra miisa enina mahafatra-po no miasa ho an'ity gazety misy pejy efatra ity isan'andro. Aminà fanontàna manodidina ny 23.000 eo ho eo, ilay gazety dia mandrakotra ireo vaovao amin'ny fiteny Urdu aminà sehatra midadasika ahitàna ny politika, kolontsaina sy fanatanjahantena. Noho ny fivoaran'ny teknolojia tato ho ato, izay mahatonga ny gazety hanjavona satria efa any anaty aterineto ny olona no mamaky azy, ity dian-tanana manokana ity dia tsy fahita firy. Ny vidin'ity gazety an-tsoratra ity dia mijanona ho 75 Paise (eo amin'ny 2 cents amerikana eo)

Tabilao be amantarana ny birao. Dikasary nalaina tamin'ny lahatsary "The Musalman"

MadanMohan Tarun mitatitra hoe:

Amin'izao fotoana dia i Mr. Syed Arifullah no manao ny fanontàna azy io. Izy no nandray  ny fandraharahàna rehetra taorian'ny nahafatesan-drainy. Ny rainy no nanodina ity gazety ity nandritra ny 40 taona. Ny dadabeny no nanangana azy tamin'ny 1927. Nitazona ny endrika niandohany ity gazety ity ary tsy nironjona mihitsy nanonloana ny tarehin-tsoratra Urdu anaty solosaina [..]

Mila ora teo eo ny fanomanana ny pejy tsirairay avy ao anatiny. Aorian'ny naharaisana ireo vaovao tamin'ny teny anglisy avy amin'ireo mpanangom-baovaony miasa amin'ampahan'ora ihany, dia avadika ho amin'ny teny Urdu sy Katibe – mpanoratra, nanokan-tena ho an'ny zavakanto tranainin'ny kalisoratra Urdu, penina – no manoratra ny tantara manontolo ho ao anaty taratasy. Aorian'ny fanaovana izay dika lasitra izay amin'ny tànana manontolo – ny taratasy voasoratra dia karakaraina sy araikitra kosa aminà takelaka fanontàna

Mpanao kalisoratra amperin'asa. Dikasary avy amin'ny lahatsary 'The Musalman'

Afsar Shaheen mitondra fanamarihana tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Luthfispace mamelabelatra ny antony mbola isafidianana ny fomba ‘lithographie’ (fanontàna printy mampiasa lasitra voasokitra):

Sarotra be ny fikarakaràna ny tarehin-tsoratra Urdu ; ary koa, ny asa printy natao milina dia ratsy endrika miohatra amin'ny asa natao tànana. Kanefa, ny Urdu dia hiditra ihany amin'ny “lithographie” satria ny teny hafa efa nandraikitra ny fomba mampiasa lasitra voasokitra.

Niaraka tamin'ny fahatongavan'ny solosaina, nahazo aina vao ny fanoratra amin'ny fiteny Urdu. Nanome fahafahana ho an'ireo mpanao kalisoratra io tsy misedra olana toy ny fampiasàna ny “lithographie”. Kanefa, ny boky iray na ny gazety voasoratry ny tànan'ny katib mahay sy voasokitra tsara dia mahafinaritra sy tsara endrika ; tsy toy izany ny Urdu soratana amin'ny solosaina.

Jereo ity lahatsary ity, eo ambany fitarihan'i Ishani K. Dutta ary novokarina sy nakarina tao amin'ny Youtube avy amin'ny Public Diplomacy Division ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny ao  India :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.