Porto Riko: “Androm-pirenena Ho An'ny Salsa” Ao Amin'ny Sekolin'ny Haikanto.

Isan-taona,  ny Alahady fahatelo ny volana Martsa no hankalazaina ao Porto Riko ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa. Na dia izany aza, nisy ireo hetsika isan-karazany nifandraika amin'izany fankalazana lehibe izany nandritra ny volana martsa  manontolo.

Toy izany ny tamin'ny Alahady 11 Martsa teo, tao amin'ny Sekolin'ny Haikanto momba ny Mozika ao Porto Riko no natao ny konseritra nentim-paharazana ho fankalazana ny Andron'ny Salsa. Nivory tao amin'ny efitrano fampianarana lehibe Rafael Hernández ireo olona mazoto mankalaza ny Salsa mba hiara-paly amin'ny fanehoana izany kolontsaina sy mozika izany. Fanehoana niparitaka manerana izao tontolo izao mba ho lasa famantarana malaza indrindra sy hajaina indrindra ny mozika sy dihy Amerikana Latina sy Karaiba.

Tamin'ity taona ity,  namonjy ny Sekolin'ny Haikanton'ny mpianatra ilay mpihira Cheo Feliciano sy ilay mpihira sady mpitsoka trompetra Jerry Medina,  mpihira Salsa roa malaza indrindra ao Porto Riko mba hankalaza ny andron'ny Salsa.

Wilma Colón nizara sombina sary nopihany nandritra ny hetsika. Nahazoana alalana avy aminy ny famoahana ny sary.

Olona mazoto mankalaza ny Salsa tonga hiara-paly amin'ny konseritra fahatsiarovana ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa.

Mpianatra mpitsoka trompetra avy ao amin'ny Sekoli'ny Haikanto momba ny Jazz & Mozika ao Karaiba.

The singer and trompet player Jerry Medina.

Jerry Medina

Mpianatra mpively zava-maneno momba ny Jazz sy Mozika ao Karaiba.

Cheo Feliciano. Mpihira salsa no sady fantatra amin'ny fihirana boleros ihany koa.

Mpianatra ao amin'ny Sekolin'ny Hainkato, miara miredona amin'ny mpihira salsa vahiny nasaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.