Thailandy: Fomba Miavaka Manokana Fandravahana Fiarakaretsaka Ao Bangkok

Ity bilaogy ity dia nafantoka amin'ireo mpamily fiarakaretsaka mahafinaritra, manam-paharetana, mpihinana somtum, mpandàla ny resaka talismans ao Bangkok.

Noforonina efatra taona lasa izay, ny bilaogy Still Life in Moving Vehicles dia nanasongadina karazan-tsary samihafa mahasondriana amin'ny fanaingoana ireo fiarakaretsaka ao Bangkok. Dale Konstanz, izay nanomboka nanangona ireny sary ireny efa ho taona dimy mahery izao, dia mitantara  ny aingam-panahy nanosika azy hanao ilay tetikasa anaty aterineto.

Tany anaty fiarakaretska tao Bangkok no nanombohako naka sary dimy taona lasa eo ho eo izay ary fotoana fohy taorian'izay, namana iray mpanoratra no nanolo-kevitra ahy mba hanomboka bilaogy hitahirizana ny sariko sy ho toy ny fomba iray handraketana ny zavatra iainako any anatin'ireny fiarakaretsaka ireny. Ary koa, Noheveriko koa fa ho tsara iray izany mba hozarako ny fomba fijeriko ny kolontsaina Thaïe miaraka amin'ireo namana sy fianakaviana, hatramin'ireo hafa izay mpankafy ny kolontsaina Thaïe malaza.

Dale dia mankasitraka indrindra ny lanjan'ireo fiambozona sy talismans, indrindra indrindra fa ny vokany amin'ireo mpandeha sy ny mponina ao Bangkok fiarakaretsaka.

Vao mivoaka ny fiarandalamby avy any amin'ny seranam-piaramanidina aho dia miakatra anaty fiarakaretsaka iray indray hamonjy asa. Tapitra ny 8 orako. Avy eo indray, miverina mandray fiarakaretsaka indray ary mitodi-doha mody. Andro 5 isan-kerinandro. Sahala amin'ny hoe mankaleo ve? Tsia raha toa ianao mandeha fiarakaretsaka ao Bangkok

Ho ahy, tsy dia ny zavatra hita ety ivelany loatra. Fa ny misy ao anatin'ny fiarakaretsaka ao Bangkok indrindra indrindra ; tokantranon'ireo andriamani-dahy, andriamani-bavy, ireo olo-masina , sy sarivonganà ‘moines’, voninkazo sy karazan-javatra hafa heverina ho mitondra soa nofinidy noho ny fahafahan'izy ireny miaro ilay mpamily sy ny fiara, ary hiantohana ny hahazoan'ilay mpamily mpandeha marobe, Toa ahy

Rehefa nanontaniana hanondro izay sary ao amin'ny bilaoginy tena maneho ny maha-tokana an-tany ny firakaretsaka ao Bangkok izy, dia manamarika izao manaraka izao i  Dale

1. Sarinà firakaretsaka feno ireo angonà karazan-javatra masina sy mitahiry finoanoam-poana marobe, hatramin'ireo karazan-javatra hafa tsy hay hoe ahoana.

2. Sarinà fiarakaretsaka iray voaravaka ny sarin'ireo sarimiaina toa an-dry Hello Kitty, Tweety Bird, Doraemon, Winnie the Pooh, na  The Hulk

3. Sarinà fiarakaretsaka iray misy sary yan anà ‘moines’ Bodista teo amin'ny tafony, eny amin'ny familiana sy ny faritra hafa ao anatin'ilay fiara. Ireo sary dia eritreretina hanampy hiaro ny mpamily, ny fiara ary ny mpandeha amin'ny loza sy ny fanahy ratsy

4. Sarin-javatra izay inoany fa hisarika ny vola. Toy ireo sarin-trondro vita tamin'ny vola naforitra, sarivongan'i Buddha miaraka aminà rovi_bola napetaka tamin'ny dity, sy vovo madinika famandrihana trondro izay inoany ho  “misambotra” ny vola ho ao anatiny.

5. Sarinà fiarakaretsaka iray misy ireo sarin'ny Mpanjaka sy ny fianakavian'ny mpanjaka Thai hafa koa, taloha sy ankehitriny.

Tena olo-malaza sy mamim-bahoaka ny Mpanjaka ao Thailand

Talisman voafono plastika

Buddha sy miaramila.

Haingo vola vy madinika

Sary apetaka maneho an'i Yingluck Shinawatra, vehivavy voalohany praiminisitra tao Thailand.

Sahkafo maraina ho an'ireo Andriamanitra: curry mena, légumes sautés, vary, ary dite mangatsiaka.

Sary famantarana ny Vondron'ireo Mpirotsaka an-tsitrapo mpamonjy voina an-dalambe

Haingo sarin-trondro natao tamin'ny vola naforitra

Sarivonganà 'moine' iray eo amin'ny 'tableau de bord'

Ny bilaogin'i Dale dia niteraka valin-kafatra miabo maro ary hatramin'ny fifantohan-tsain'ireo mpampahalala vaovao

Ny sasany amin'ireo mpamaky dia monina ao  Thailand, saingy misy amin'ireo mpankafy no avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Amin'ireo mpankasitraka dia ahitàna Thais monina any ivelany izay mangetaheta sy manina ny tany niaviana, ireo izay tonga nandalo tao ary mahatsiaro izay zava-niainany tany Thailand, ary ireo hafa izay voasariky ny kolontsaina Thai, izay rehetra mifandraika amin'ny fiarakaretsaka, ny arkeôlojia, na ny Bodisma.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.