Etazonia: Firaisankina Manohitra ny Sivana Atao Amin'ny Haisoratra Amerikana Latina

Ny fanafoanana ny Fianarana  Meksikana-Amerikana[mg]  sy ny fanivanana boky marobe tao amin'ny sekoly distrikan'i Tuscon, Arizona no nahatonga ny fanohanana nasionaly izay niendrika fihetsiketseham-panoherana, tamin'ny alalan'ny famarotana boky, ny fampahafantarana boky sy vondrona mpamaky boky. Toy izany koa ny  tao an-tanànan'i New York  sy manerana an'i Etazonia, nahabe resaka sady nahazoan-desona maro ny fisian'ilay fanivanana ireo boky marobe .

Ohatra iray amin'izany hetsi-piraisankina izany ny sombina lahatsary notontosain'ilay mpanoratra Erasmo Guerra nandritra ny fivoriana isa-baomiera nokarakarain'ny mpianatra ao amin'ny kolejy John Jay, Tanànan'ny Oniversite ao New York (CUNY) tamin'ny 25 Febroary 2012.

Anisan'ireo nasaina tamin'izany ilay mpanoratra, Tony Díaz, mpamorona ny Librotraficante, hetsika nikarakarana karavana hitatitra sy hivarotra boky voarara tany Houstan, Texas ka hatrany Arizona mba ahafahana mampijoro indray ny zo haneho hevitra ara-literatiora sy fahafahana mijoro mahatohitra ara-politika.

Notohizan'i Liana López sy Bryan Parras, mpiara-mamorona ny Nuestra Palabra: Latinos Writers Have Their Say (Manana ny ambarany ny Mpanoratra amin'ny teny Latina)  izany hetsika izany: fikambanana nametraka rafitra amin'ny fanapariahana boky novokarin'ireo mpanoratra amin'ny teny Latino-Amerikana ao Houston, Texas nandritra ny 13 taona.

Anisan'ny nasaina ihany koa ny mpanoratra iray Rich Villar avy any New York, mpitantana ny Fundación Acentos: fikambanana momba ny haisoratra ao Bronx, New York tamin'ny taona 2003. Tamin'ny fampahafantarana nataony, nasehony mazava tsara tamin'ny alalan'ny fampitahana ny fitovian'ny zava-nitranga nizoran'ireo  mpanoratra Porto Rikana izay tsy afa-belan'ny fanenjehana sy ny zava-misy ankehitriny ao Tuscon, Arizona i Villar.

(Rehefa avy nihaino an'i Villar, raha te-ahafantatra bebe kokoa momba ny asa iantsorohan'ny mpiandraikitra tahirim-bokin'i Porto Rikana Pura Belpré ianao, azonao tsidihana ny tahirim-bokin'ny Foibem-pampianarana Porto Rikana, ao amin'ny kolejy Hunter, CUNY.)

Hofaranantsika amin'ny fampahafantarana ataon'i Sergio Troncoso izany, mpanoratra teraka tao El Paso, Texas, Meksikana  monina ao New York ny ray aman-dreniny. Tamin'ireo asa-soratra navoakany, nanoratra ny  The Last Tortilla & Other StoriesThe Nature of  TruthFrom This Wicked Patch of Dust, izy, tao koa ny boky tantara fohy mitondra ny lohateny hoe Crossing Borders: Personal Essays. Fanampin'izany, manoratra ao amin'ny bilaogy Chico Lingo: Escritura, Lectura, Dinero, Discusión ihany koa izy.

Tonga tany amin'ny dingana farany ihany ny karavana Librotraficante tamin'ny 17 Martsa 2012. Mbola hitohy ny hetsika amin'ny manaraka, amin'ny alalan'ny adihevitra, ny fandaharam-pianarana, ny firaisankina ara-tsosialy sy ara-politika ary ny famoronana haisoratra. Farany, anisan'ireo lova napetrany,  “tranomboky “ambanin'ny tany” efatra no nosokafana ho an'ny rehetra.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.