India: Milefitra Amin’ny Fitakiana Fanivanana Ny Orinasa Mpanolotra Aterineto

Nanao dingana niverin-dàlana lehibe i India raha nitaky tamin’ ireo orinasan'aterineto lehibe 20 , ka ao anatin’ izany Google, Facebook , sy Twitter,  ny ampisehoan’izy ireo drafitra hanivanana  ny fitaovana “ tsy tia fivavahana “, na “mifankahala  ara-tsosialy”  avy  amin’ny votoatin’ny tolotra natao ho an’ny olom-pirenena Indiana.

Nitory ireo orinasa mpamokatra aterineto ireo mpitarika politika, isan’izany Sonia Gandhi, minisitry ny fifandraisan-davitra Kapil Sibal, sy ny praiministra Manmohan Singh,  amin’ny fanafoanana ho fisorohana  ny fitaovana “fifanaratsiana” araka ny fijerin’ny governemanta. Mahakasika  ny fitaovana hitenenan-dratsy an ‘Andriamanitra na finoana sy ny fitsikerana mankahala fivavahana ny fitaovana “hifanaratsiana”, fa  ahitàna  tsikera sy fanaratsiana momba an’ ireo mpitari-politika Indiana maro, isan’izany Sonia Gandhi, ny ankamaroan’ny votoatiny mampiady hevitra, raha araka ny fijerin’ny  blaogin’ny Financial times,beyondbrics.

 

Cartoon by Bryant Arnold, CartoonADay.com. Used under a Creative Commons 2.5 license (BY-NC)

Sariitatra avy amin'i Bryant Arnold, CartoonADay.com. Alalana miasa Creative Commons 2.5 license (BY-NC)

Nilefitra tamin’ny fitakiana  tsy misy fepetra nataon’India ihany ny farany ireo orinasa mpanolotra aterineto rehefa nisy ny fiziriziriana ary nanaiky ny hanolotra drafitra ho amin’ny fanivanana ny “votoaty manafintohina” hatramin’ny 21 febroary 2012. Ny voalohany marsa ny fotoam-pitsarana manaraka. Efa nanao fangatahana toy izany ihany Ireo fitondràna tsy refesi-mandidy toa an’i Shina, Rosia sy Egypta saingy India no Demokrasia matanjaka voalohany, ahitàna firoboroboana eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery, nampihatra izany fitakiana fanivanana izany.

Moa ve India mbola mahatazona ny toerana maha-demokrasia lehibe indrindra azy erantany? Tsia raha ny fijerin’ny olom-pireneny. Nilaza ny mpitoraka blaogy Aditya T raha nanatsonga ny tenin'ny mpisolovavan’i  google tao amin’ny lahatsoratra amin’ny blaogy igyaan.in fa:

Ny fanontaniana mipetraka dia eo amin’ny lafiny lalàmpanorenana mifehy ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra , ary tsy nety izany fanafoanana izany raha toa ka ny zon’ny fahalalahana hiteny ao India demokratika no mampiavaka antsika amin’ny fitondrana mangorona fahefana toa an’I Shina.

Mihevitra i What to do Baba fa:

Fisehoan-javatra Toa tsy azo haverina  ny fandraràna an’I Google na Facebook any india.[..]  maniry ary mino aho fa ho voavaha io toe-javatra io  mba hitondra soa ho an’ny fiaraha-monina fa ihany koa ho an’ilay tranonkala. Aleo hosaziantsika izay meloka fa aoka tsy hitady fanilihana ny rihatra.

Tara loatra angamba ny fahatezeram-bahoaka. Efa natombok’I Google mialoha ny fisarihana ireo mpampiasa hiala eo amin’ny sehatra blogspot.com, ary notarihany ho any amin’ny blogspot.in voasivana ,takelaka blaogy amin’ny fomba fijery Indiana. Mbola miasa avokoa any ivelan’i India Ireo fitaovana voarara ao amin’ny takelaka Indiana  sy ny lafiny fampandehanana  ny fikarohana . Nandà tsy hanaiky ny fitaovany ho sivanina ny Yahoo sy Facebook, raha ny filazany ary tsy mahakasika azy mihitsy ny fitaovana fifanaratsiana, fijerin’ny blaogy Jaipur.co.

Manana tantara lavabe i Google amin’ny firaisana petsapetsa  tamina faritra maizimaizina amin'ny resaka fampitoniana  ny fahatezeran’ny governemanta. Idealy niaingan'ny Google ny “tsy hanao ratsy,” dia najanony ny fampiasana izany teny filamatra izany imasom-bahoaka efa nosihosena manokana ho amin’ny tombontsoa fa tsy ho amin’ny fanomezana fahafaham-po ny daholobe efa nanana fahazarana ny fanevany.

Manana fitsipika lehibe izay manery azy ireo “hifanaraka amin’ ny lalàna anatiny” Ireo goavam-be amin’ny aterineto Google, Facebook ary Twitter, izay midika fa  tsy maintsy hanaisotra izay votoatiny mandika ny lalàna anatin'ny firenena iray izy ireo. Avoitran'ireo orinasa telo irao  ho fiarovan-tenany isak'izay mihetsika amin'ny fiampangana ataon'ny mpiaro ny zon'olombelona nandritra ny taona maro, io fanarahana ny lalàna anatiny io, voalohany tany Shina, avy eo tany Egypta, ary ankehitriny any India.

Na izany aza anefa tsy napetraka ahafahan’ny governemanta hanakantsakana ny fahalalahan’ny fivezivezen’ny vaovao  ireo lalàna ireo. Ny zavamisy dia toerana sarotra fehezina ny aterineto ,ary vitsy ny lalàna mifehy ny bola nomerika. Tsy voa mafy ny Google any India satria avelany ny governemanta hanivana votoaty hialàna amin’ny fahaverezan’ny mpiserasera 121 tapitrisa raha sanatria akaton’ny governemanta tanteraka, mety mbola hahazo 900 tapitrisa amboniny koa izy satria ny mitombo isan-taona ny mpiserasera aterineto.

Tsy nilefitra tamin’ny  fanasivanana vaovao nataon’ny governemanta ny google fa nanome “fomba hafa” farafaharatsiny ahafahan'ny olona mahazo vaovao: tahotra diso tafahoatra ny fahaverezan’ny mpisera aman-tapitrisany maro ho lasan'ny mpifaninana

Mifanohitra tanteraka tamin’ny fialany tany Shina izao fanapaha-kevitr'i Google izao. Na dia tsy mety loatra amin'ny fandraharahana aza, ny fanapa-kevitra lehibe indrindra  nataon'i Google hiadiana amin'ny sivana ny fisintahana tamin’i Shina. Nanoratra tao amin’ny Blaogy Room for Debate an’I  New York Times i Timothy B. Lee:

Manana ny lanjany lehibe ny fisintahan'iGoogle tany Shina. Nanjary marika nanankaja indrindra manerantany i Google, ary nanome fahefana tsy mendrika nandritra ny efataona farany ny ezaka fanivanana ataon’ny governemanta .

Tsy azon’ ny saina eritreretina mihitsy fa hanohy izany fandrosoana goavana izany miaraka amin’ny  fanekena ny fitakiana Fanasivanana ataon’India I Google.

Noho izany, miditra amin’ny ady nomerika voalohany isika. Mifanandrina ny governemanta sy ny aterineto, ary mbola loza noho izany aza, miady ny orinasa mpanolotra aterineto hifandrombaka hifehy ny serasera. Manao fahadisoana lehibe manoloana ny mpiserasera , sy amin'ny ady amin'ny kolikoly any India, ny orinasa mpanolotra aterineto, amin’ny fanekeny hiondrika eo anatrehan'ny fitakian’ny governemanta izay mandidy na hanivana na hanakatom-baravaram-piasana.

Azo antoka fa mety ho very anjara betsaka amin’ny mpiserasera I Google miohatra amin’ny mpifaninana  eo amin’ny tambajotra sosialy, tahaka izany koa i Facebook, mitady hanintsana tsikelikely ny mpifaninana mba hanjaka tokana, saingy toa mandrava tsikelikely ny fototra izay nanangànana azy izy ireo: ny fahafahana , nyfahaleovantena , ary hanaraka ny didy “ tsy hanao ratsy.” Namboarin'i Kevin Kelleher ao amin’ny  Blaogy Reuters Mediafile ho hafa indray ny teny fanevan’I Google , “aoka tsy ho ratsy” ho lasa “hanao ratsy avokoa isika rehetra”.

Najanon’i Google ampahibemaso ny fampiasàna io teny fanevany io. Fotoana izao hamerenana izany indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.